Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andao ho any Amin’ny Nosy Man

Andao ho any Amin’ny Nosy Man

Andao ho any Amin’ny Nosy Man

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

AIZA no tokony halehanao raha te hahita antsantsa pèlerin ianao? Misy toerana tena tsara any akaikin’ny Nosy Man, any amin’ny Ranomasin’i Irlandy, tsy dia lavitra an’i Angletera, Ekosy, Irlandy, ary Pays de Galles. Mandeha sambo avy any amin’ny Nosy Man ny olona, rehefa hijery an’io antsantsa malemy fanahy io misakafo. Zavamananaina bitika no hany sakafony, ary milanja dimy taonina izy. Any no ‘tena tokony halehan’ny mpizaha tany’, hoy i Bill Dale, mpandinika ny zavaboary any an-toerana.

Ary ahoana kosa ny endriky ny Nosy Man? Mirefy 570 kilaometatra toradroa ny velarany, ary ahitana lohasaha maitso mavana, tany lava volo, farihy sy renirano, helodranomasina tsara tarehy, hantsam-bato, ary morontsiraka mikitoantoana. Misy 70 000 ny mponina. Andao hiaraka aminay hijery ny zava-tsarobidy sasany any amin’io toerana manan-tantara io, izay anisan’ny Nosy Britanika.

Inona no mahasarika ny mpizaha tany?

Matetika no mitady ny sakan’ny Nosy Man, izay mpitsidika tonga any. Toy ny saka ihany io biby hafakely io, saingy lava be noho ny tongony aloha ny tongony aoriana, ka toy ny fitsangan’ny bitro ny fitsangany. Tsy misy rambo koa izy. Tsy fantatra marina aloha izay niaviany. Fahita any Azia anefa ny saka tsy misy rambo, ka voalaza fa nisy tantsambo nitondra zanany avy any, taonjato maro lasa izay, ary izany no nampisy azy io tao amin’ilay nosy.

Anisan’ny mahasarika ny olona ho any koa ny fifaninanana mitondra môtô, iadiana ny Amboaran’ny Mpizaha Tanin’ny Nosy Man, fanao isan-taona. Arabe 60 kilaometatra mahery no anaovana azy io. Latsaka ny 65 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandeha ambony indrindra tamin’ny fifaninanana voalohany, tamin’ny 1907. Maherin’ny 190 kilaometatra isan’ora kosa izao no takina, raha te handresy. Fanatanjahan-tena mampidi-doza àry izy io, ary efa maromaro ny mpitondra môtô maty.

Mampahatsiaro ny fahiny kosa ireo kalesy tarihin-tsoavaly mbola mandehandeha eny amin’ny toerana fitsangantsanganana any Douglas, renivohitr’ilay nosy. Toy izany koa ny Lamasinin’ny Nosy Man Mandeha Amin’ny Etona eo amin’ny lalamby 24 kilaometatra, hany tavela tamin’ilay lalamby tery namakivaky an’ilay nosy, tany am-boalohany. Nisokatra mantsy ny lalambin’ny Lamasinina Elektrikan’ny Nosy Man, 100 taona mahery kely lasa izay. Mbola misy lamasinina mandeha eo aminy, ka miakatra any amin’ny 600 metatra mahery, any an-tampon’i Snaefell, tendrombohitra avo indrindra any Man.

Kodiarana Lehiben’i Laxey

Anisan’ny nampandroso an’ilay nosy ny fitrandrahana firamainty sy volafotsy ary zinc, indrindra avy ao amin’ny Toeram-pitrandrahana Lehiben’i Laxey. Naorina ny Kodiarana Lehiben’i Laxey tamin’ny 1854. Tena nahay ireo injeniera tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Victoria, nanangana azy io. Toy izany koa i Robert Casement, ilay zanaka mpanamboatra kodiarana teo an-toerana, namorona azy io. Maherin’ny 20 metatra ny savaivony, ary rano nikoriana avy tamina siniben-drano teny amin’ny lohasaha avo kokoa no nampihodina azy. Nihodina indroa sy tapany isa-minitra ilay kodiarana, ka nampiakatra rano 950 litatra avy any amin’ny 360 metatra any ambanin’ny tany, mba tsy hampisy rano tao amin’ny tionelin’ilay toeram-pitrandrahana. Misy vy mitsivalana mipetaka amin’ilay kodiarana, ary misy hazo mirefy 180 metatra miraikitra amin’izy io, ka midina any amin’ilay tionelina. Ilay hazo no nampiakatra ny rano avy any. Ny ivon’ilay kodiarana fotsiny, dia efa folo taonina.

Ahitana sarina Tongo-dehilahy Telo vita amin’ny vy, manana savaivo roa metatra, eo amin’ny rindrina atsimo amin’ny trano misy an’ilay kodiarana. Marika famantarana ny Nosy Man izy io ankehitriny. Avy aiza izy io ary inona no dikany?

Maromaro ny tombon-kasem-panjakana nahitana azy io taorian’ny taona 1246, ho famantarana an’ilay nosy. Hita teo amin’ny vazy grika vita tamin’ny taonjato fahenina T.K. io sary io, ary misy ifandraisany amin’ny lakroa grika. Eken’ny besinimaro fa mitovy amin’ny tara-masoandro ilay marika, ka misy ifandraisany amin’ny fivavahana amin’ny masoandro. Ahoana no nahatongavan’izy io tany amin’ny Nosy Man? Angamba izy io avy any amin’ny faritr’i Mediterane, tamin’ny alalan’ny varotra nifanaovan’ny Nosy Man sy ny Nosy Sisila. Nampiasa an’io marika io koa mantsy i Sisila. Mety ho avy tamin’ny vola madiniky ny Vikings koa anefa no nahatongavany. Ireo mpanjakan’i Man tatỳ aoriana no nanisy ireo fiarovan-tongotra vy, eo amin’ilay sary ankehitriny.

Tantara nifamahofaho

Naharesy an’i Angletera ny Romanina tamin’ny taona 43, ary nijanona tatỳ 400 taona teo ho eo. Toa tsy noraharahain-dry zareo anefa ny Nosy Man, izay nantsoin’i Jules César hoe Mona. Nanafika an’i Man ny Vikings avy any Skandinavia tamin’ny taonjato faha-9, ary nijanona tao, hatrany antenatenan’ny taonjato faha-13. Hitan’ireo mpikaroka tany vaovao nafana fo ireo, fa nety tsara natao toeram-pivarotana i Man, sady nataony toby nahafahana nanafika mora foana ny tany nanodidina. Nandritra izany fotoana izany no natsangana ny Tynwald, na ny Parlemantan’ny Nosy Man. Voalaza fa io no parlemanta naharitra ela indrindra eran-tany, satria mbola misy hatramin’izao. *

Tatỳ aoriana, dia nifandimby nifehy ny Nosy Man i Ekosy, Pays de Galles, Irlandy, Angletera, ary Norvezy. Novidin’ny Parlemanta Britanika avy eo ilay nosy, tamin’ny 1765. Mizaka tena izao ny Nosy Man, nefa misy lietnà governora misolo tena ny Mpanjakavavin’i Grande-Bretagne any. Mbola miankina amin’i Grande-Bretagne ihany mantsy io nosy io, na dia somary mahaleo tena aza, noho izy manana foibe ara-bola. Manana ny hajiany sy ny volany manokana koa izy. Mitovy sanda amin’ny vola britanika ihany anefa ny volany.

Mannois: Mifandray amin’ny teny selta

Mannois no anaran’ny fiteny fahiny tany amin’ny Nosy Man. Iray amin’ireo teny selta izy io, izay ao anatin’ny fianakaviamben’ny fiteny indianina eoropeanina. Avy amin’ny teny irlandey ny mannois, ary misy ifandraisany amin’ny teny ekosey. Izao no nolazaina momba ny teny mannois, 100 taona mahery lasa izay: ‘Tsy maintsy hanjavona io fiteny io, toy ny vongan-dranomandry lehibe mikisaka mankany amin’ny ranomasina mafana.’ Izany tokoa no nitranga. Maty tamin’ny 1974, teo amin’ny faha-97 taonany, ny olona farany niteny mannois. Averina ampianarina any an-tsekoly anefa izao io fiteny io, satria anisan’ny lova sarobidin’ilay nosy.

Fiteny mbola tsy nosoratana mihitsy ny mannois talohan’ny 1610, fa tsy toy ny teny irlandey sy ekosey. Ny Toro Lalana sy Andraikitry ny Kristianisma no boky voalohany natao pirinty tamin’ny teny mannois, tamin’ny 1707. Nisy boky hafa koa tsy ela taorian’izay.

Nisy olona nangataka ny handikana haingana ny Baiboly manontolo amin’ny teny mannois, tamin’ny 1763, satria tsy niteny afa-tsy io fiteny io ny androatokon’ny mponina tamin’izany. Ny boky sasany ao amin’ny Baiboly ihany mantsy no nivoaka tsikelikely nanomboka tamin’ny 1748, satria tsy ampy ny fitaovana sy ny manam-pahaizana afaka nanao ilay asa. Nisy Baiboly manontolo niisa 40 àry natao pirinty tamin’ny 1775, mba hampiasain’ny mpitondra fivavahana. Nisy 5 000 navoaka indray tamin’ny 1819. Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona an’ilay izy? Nihetsi-po be ny vehivavy iray, rehefa namaky taminy voalohany ny Soratra Masina amin’ny teny mannois ny zanany lahy, ka hoy izy: “Tao anatin’ny haizina isika hatramin’izay.”

Lehilahy 25 no nandika ilay Baiboly avy tamin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques amin’ny teny anglisy, nivoaka tamin’ny 1611. Afaka nanao fikarohana tao amin’ny Baiboly Soratra Hebreo Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny sasany tamin’izy ireo. Najanona ho teny anglisy ihany ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. * Izao no nosoratan’i W. Radcliffe momba an’io Baiboly io, tamin’ny 1895: ‘Vokatry ny ezaka nataon’ireo olona ireo izy io, ka tsy hanao tsinontsinona azy io izay mponin’i Man nahita fianarana.’

Kristianisma ankehitriny

Mbola manaja ny Baiboly ny mponina ao amin’ilay nosy. Fantatra tsara any ny Vavolombelon’i Jehovah noho izy ireo mampianatra Baiboly. Vita tamin’ny Mey 1999 ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo farany, ka eo amin’ny toerana tsara tarehy eo am-pototry ny Tendrombohitra Belmont, any Douglas no misy azy. Enina andro monja no namitan’ny mpiasa an-tsitrapo Vavolombelon’i Jehovah azy io. Hoy ny gazety Mpandinika ny Nosy Man (anglisy) momba izany: “Azo lazaina hoe fahagagana kely ilay izy.”

Raha afaka mitsidika io nosy tsara tarehy io ianao, dia matokia fa hataon’ireo mponina malefa-piteny ao izay hahatonga ny fitsidihanao hahafinaritra sy tsy ho hay hadinoina. Tadidio anefa rehefa miresaka amin’izy ireo, fa ny Nosy Man aminy no “nosy lehibe”, fa i Angletera kosa “nosy kely.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Efa nisy parlemanta roa natsangana talohan’io, dia ny Løgting, any amin’ny Nosy Féroé sy ny Alting, any Islandy. Samy tsy naharitra anefa ireo.

^ feh. 20 Yehobhah no anaran’Andriamanitra amin’ny teny irlandey sy ekosey, ary Jehofah amin’ny teny galoà.

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

IRLANDY

EKOSY

ANGLETERA

PAYS DE GALLES

Ranomasin’i Irlandy

NOSY MAN

[Sary, pejy 15]

Lamasinina Elektrikan’ny Nosy Man

[Sary, pejy 15]

Kodiarana Lehiben’i Laxey

[Sary, pejy 14, 15]

Lamasinin’ny Nosy Man Mandeha Amin’ny Etona

[Sary, pejy 15]

Sakan’ny Nosy Man, tsy misy rambo

[Sary, pejy 16]

Antsantsa “pèlerin”

[Sary, pejy 16]

Morontsiraka tazana avy eo amin’ny Havoanan’i Peel

[Sary, pejy 16, 17]

Seranan’i Peel sy ny lapany eo aoriana

[[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Sary rehetra afa-tsy ny marika eo afovoany: Copyright Bill Dale, IsleOfManPhotos.com

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Antsantsa: The Basking Shark Society; sary kely eo ankavanana sy eo andamosina: Copyright Bill Dale, IsleOfManPhotos.com