Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ray Vao avy namaky ny andian-dahatsoratra “Inona avy no Andraikitry ny Ray?” aho. (8 Septambra 2004) Mandamina ny asako aho mba hanam-potoana kokoa hiarahana amin’ny fianakaviako, sy hiantsorohana ireo andraikitro eo anivon’ny fiangonana. Mandinika ny fari-piainanay aho indraindray, ka mieritreritra fa tokony hanao asa fanampiny, mba hahazoana vola misimisy. Nampiaiky ahy anefa io andian-dahatsoratra io fa zava-dehibe kokoa noho ny vola, ny fotoana iarahako amin’ny fianakaviako. Nampahery ahy ny tantaran’ireo ray nahavita nitaiza tsara ny zanany.

K. S., Japon

Tena nankasitraka io andian-dahatsoratra io izaho sy ny rahavaviko. Zara raha mifampiresaka amin’ny rainay izahay. Mazava ho azy fa tianay izy, ary mino izahay fa tia anay koa izy, na dia tsy milaza izany aza. Tsapanay hoe misy mahatakatra ny zavatra iainanay, rehefa namaky an’ireo lahatsoratra ireo izahay. Misaotra be dia be!

V. D., Italia

Laza Tanora aho, ary tsapako fa variana amin’ity tontolo ity sy ny zavatra atolony aho indraindray. Afaka ny hampahalaza ahy ny asa nofidiko. Rehefa namaky an’ilay lahatsoratra hoe “Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Laza” (8 Septambra 2004) anefa aho, dia hitako fa tsy ny hanompo an’i Jehovah no tena antony nifidianako an’io asa io. Nampahery ahy ny tantaran’ny Anadahy Charles Sinutko, satria efa nalaza izy nefa naleony nanompo an’i Jehovah. Hitako tamin’iny lahatsoratra iny fa tsy misy tsara kokoa noho ny manompo an’i Jehovah manontolo andro eto amin’ity tontolo ity.

R. K., Kanada

Nampiaiky volana ahy ny nahalala fa naniry hanompo an’i Jehovah manontolo andro ny Anadahy Sinutko, ka tsy nihira intsony na dia nahazoany vola be aza izany. Mahafaly ahy sy ny vadiko ny manao ny asan’ny mpisava lalana. Tianay ny hanao sahala amin’ny Anadahy Sinutko, izany hoe hatoky an’i Jehovah sy hanao ny Fanjakany ho loha laharana hatrany. Misaotra anareo namoaka an’iny tantaram-piainana mampahery iny!

E. S., Japon

Firaisana Alohan’ny Fanambadiana Misaotra be dia be tamin’ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?” (8 Septambra 2004) Mpampianatra aho sady mpanolo-tsaina, ary tena nahaliana ahy iny lahatsoratra iny. Nandritra ny fivorian’ny mpianatra, dia nasongadiko izay hevitra hanampy azy ireo ho masina sy ho mendrika eo imason’i Jehovah Andriamanitra. Noresahiko koa izay hanampy azy ireo hanohy tsara ny fianarany, fa tsy ho voahelingelin’ireo olana ateraky ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana. Maro ny mpianatra liana tamin’ilay izy sy te hahalala bebe kokoa ny Baiboly! Mangataka ahy hiresaka amin’ny mpianatr’izy ireo izao ny mpampianatra sasany. Miara-midinika loha hevitra samihafa avy ao amin’ny boky Manontany ny Tanora izahay sy ny mpianatro, isan-kerinandro.

B. C., Mozambika

Tovolahy 25 taona aho, ary miezaka mafy hadio fitondran-tena foana. Vao mainka aho tapa-kevitra ny hadio hatrany mba hananana fanambadiana mendri-kaja. Tohizo foana ny asa tsara dia tsara ataonareo.

F. K., Ouganda