Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Boky Nahatonga Azy ho Te Hanana Baiboly

Ilay Boky Nahatonga Azy ho Te Hanana Baiboly

Ilay Boky Nahatonga Azy ho Te Hanana Baiboly

Tsy nampirisihina hamaky Baiboly ny olona tany Rosia, tamin’ny andron’ny fitondrana jadona kominista. Baiboly an-tapitrisany anefa no nozaraina tao amin’io firenena io, nandritra ireo taona faramparany. Hita tamin’ny taratasy voarain’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-toerana, ny antony iray mahatonga ny olona ho liana indray amin’ny Baiboly. Manambady aman-janaka i Sergei, mipetraka any Volgograd (tanàn-dehibe nantsoina hoe Stalingrad nandritra ny am-polony taona, araka ny anaran’i Joseph Staline, mpitondra jadona sovietika). Hoy i Sergei:

“Nisy olona avy ao amin’ny fikambananareo nitsidika anay, vao haingana. Nanontany ahy tamim-panajana izy ireo raha mino an’Andriamanitra aho. Nolazaiko fa mino an’Andriamanitra daholo ny olona rehetra, saingy manam-pinoana kokoa ny sasany. Rehefa nilaza aho fa manambady sy manan-janakalahy iray, dia nalain’ilay rangahy iray avy tao anaty kitapony ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, ary nomeny ahy.”

Nanomboka namaky an’io boky io i Sergei tsy ela taorian’izay. Hoy izy: “Tiako be ilay izy. Hita mihitsy hoe olona lalin-tsaina sy be fandavan-tena no nanoratra azy io. Tsy dia atokisako loatra matetika ireny fikambanana ara-pivavahana ireny. Mino anefa aho fa olo-marina ianareo. Hitako tao amin’ny faran’ilay boky ny adiresinareo.” Nanoratra tany amin’io adiresy io i Sergei, ary nangataka Baiboly.

Misy toro lalana manampy ny fianakaviana hahita fahasambarana, ao anatin’ilay boky hoe Fahasambaram-pianakaviana, ary miorina amin’ny fampianaran’ny Baiboly izy ireo. Mirakitra fanazavana mahasoa ireo toko ao amin’io boky io, anisan’izany ny hoe “Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao”, “Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao”, ary “Tandrovy ny Fihavanana ao Amin’ny Ankohonanao.”

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eo ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.