Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tokony Hataoko Raha Te Hiaraka Amiko ny Ankizivavy Iray?

Inona no Tokony Hataoko Raha Te Hiaraka Amiko ny Ankizivavy Iray?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Tokony Hataoko Raha Te Hiaraka Amiko ny Ankizivavy Iray?

“Nilaza tamiko i Seheno fa te hiaraka amiko, ary tsy hitako izay olana. Faly erỳ aho!”—Jao. *

“Hidiran-doza ny ankizivavy, raha milalao fitia fotsiny ny lehilahy tiany hiarahana.”—Rado.

AOKA hatao hoe nilaza taminao ny ankizivavy iray, vao haingana, fa te hanontany zavatra anao. Efa hitanao matetika izy rehefa miaraka amin’ny namanareo ianareo, ary mahafinaritra anao ny miresaka sy miara-manao zavatra aminy. Taitra be anefa ianao rehefa nilaza izy fa te hiaraka aminao, ka tiany ho fantatra raha maniry hiaraka aminy koa ianao.

Mety ho gaga ianao, raha nieritreritra foana hoe ny lehilahy no tokony hitory fitiavana amin’ny vehivavy. Izany matetika no mahazatra. Tadidio anefa fa tsy nandika ny toro lalan’ny Baiboly akory izy, raha nilaza fa te hiaraka aminao. * Hanampy anao hahita izay tokony hatao ny fahalalana izany.

Rehefa avy nandinika ianao, dia hitanao angamba fa kely loatra ianao ka mbola tsy vonona hiaraka amin’ny ankizivavy, na tsy izy no tianao hiarahana. Mety hanenjika anao koa ny eritreritrao, sao nisy fihetsikao nahatonga azy hihevitra fa tia azy ianao. Inona no tokony hataonao? Asio fiheverana aloha ny fihetseham-pony.

Asio fiheverana ny fihetseham-pony

Alao sary an-tsaina ny zavatra atrehin’ilay ankizivavy. Te hambabo anao izy, ka naverimberiny nandritra ny andro maro angamba izay holazainy. Nifidy teny sy tsiky mety tsara izy, ary nieritreritra izay hataony raha sendra mandà ianao. Sahy ihany izy tamin’ny farany, ka nisikina herim-po namboraka taminao ny tao am-pony.

Nahoana izy no sahy niatrika izany zava-tsarotra izany? Raiki-pitia aminao angamba izy, na mety hahafinaritra azy ny toetranao, izay tsy tsikaritry ny ankabeazan’ny olona. Mety ho hita taratra tamin’ilay fangatahany koa ny teny fiderana, izay tsy dia fandrenao.

Tsy natao hampiova hevitra anao akory no nilazana izany, fa hampahatsiahivana anao ho tsara fanahy aminy kosa. Hoy ny ankizivavy iray antsoina hoe Julie: “Na tsy tian’ilay ankizilahy aza ilay ankizivavy, dia tokony ho faly izy satria misy mahamarika. Tsy handa fotsiny àry izy fa tokony ho tsara fanahy, fara faharatsiny, ary tsy hanakiana rehefa mandà tsy hiaraka aminy.” Aoka hatao hoe tsy te hiaraka aminy tokoa ianao, ka mieritreritra ny “tsy hanakiana” azy, na hitady fomba tsara hafa hilazana izany aminy.

Ahoana anefa raha efa nanda tsy hiaraka taminy ianao taloha? Mety halaim-panahy hivantambantana na hasiaka aminy ianao. Mifeheza tena fa aza manao an’izany. Hoy ny Ohabolana 12:18: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” Ahoana no hataonao mba ho toy “ny lelan’ny marina” ny lelanao?

Mety hisaotra azy fotsiny ianao, noho izy nilaza ny fihetseham-pony sy nihevitra anao ho olona tsara. Mialà tsiny na dia tsy fanahy inianao aza ny nanao zavatra nahatonga azy ho diso hevitra. Lazao mazava, nefa amin-katsaram-panahy, fa tsy mitovy ny fihetseham-ponareo. Mila hentitra kokoa ianao, raha tsy azony tsara ny tianao holazaina, nefa tsy tokony hasiaka ianao na hanao teny mandratra. Manàna faharetana satria efa miraiki-po aminao izy. Raha ianao no teo amin’ny toerany, tsy ho tianao ve raha tsara fanahy izy rehefa mandà tsy hiaraka aminao?

Mety hanizingizina anefa izy fa ninia namitaka azy ianao. Hilaza zavatra nataonao sasany angamba izy, ka nahatonga azy ho tia anao. Mety hiteny izy hoe: ‘Koa nahoana ianao no nanome ahy ilay voninkazo iny?’, na ‘Ahoana àry ilay teninao tamin’isika niara-nandehandeha tamin’ny iray volana?’ Tsy maintsy mandini-tena tsara amin’izay ianao izao.

Ekeo ny zava-misy

Taloha dia nataon’ny mpikaroka tany vaovao izay nahazoana ireo tany hitany, ary avy eo nohararaotiny nakana tombony. Toy izany koa ankehitriny no ataon’ny lehilahy sasany amin’ny vehivavy. Mahafinaritra azy ireo ny miaraka aminy, nefa tsy te ho voafatotry ny andraikitra eo amin’ny fanambadiana izy ireo. Tsy te ho tafiditra lalina izy ireo, fa miezaka hambabo ny fon’ny vehivavy fotsiny ary milalao ny fihetseham-pony. Mamitaka ny lehilahy toy izany, mba hitiavan’ny vehivavy azy. Hoy ny anti-panahy kristianina iray: “Misy ankizilahy toa mitety ankizivavy fotsiny. Tsy mety anefa ny milalao fihetseham-pon’ny vehivavy toy izany.” Inona no mety ho vokatr’izany fitiavan-tena izany?

“Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?” (Ohabolana 26:18, 19) Ho fantatry ny vehivavy ihany amin’ny farany, raha noho ny fitiavan-tena no tena iarahan’ny lehilahy aminy. Handratra ny fony izany fitaka izany, araka ny asehon’ity tantara ity.

Nisy ankizilahy iray niaraka tamin’ankizivavy iray, nefa tsy nieritreritra ny hanambady azy izy. Nentiny nisakafo tany amin’ny hotely tsara be izy, ary niara-namonjy fety izy ireo. Nahafinaritra azy ny niaraka tamin’ilay ankizivavy. Tian’ilay ankizivavy koa ny fanehoany fiheverana, ary nieritreritra izy fa hanambady azy ilay ankizilahy. Naratra mafy anefa ny fony, rehefa fantany fa nahafinaritra an’ilay ankizilahy fotsiny ny niaraka taminy.

Inona no tokony hataonao, raha nisy fihetsika tsy fanahy inianao nahatonga an’ilay ankizivavy hihevitra fa tia azy ianao? Vao mainka handratra ny fony sy hahatezitra azy ianao, raha miaro tena sy manamarin-tena. Araho ity toro lalan’ny Baiboly ity: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” (Ohabolana 28:13) Lazao àry ny marina. Ekeo ny fahadisoanao raha nisy resaka tsy nifankahazo. Aoka ianao hiaiky fa tena diso, raha ninia nanararaotra ny fihetseham-pony. Mialà tsiny avy amin’ny fo.

Aza manantena anefa hoe hifarana eo ilay resaka. Mety ho tezitra aminao elaela ilay ankizivavy. Voatery hohazavainao amin’ny ray aman-dreniny angamba ny nataonao. Mety hiatrika vokany hafa koa ianao. Hoy ny Galatianina 6:7: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fiainan’ilay ankizivavy, raha miala tsiny sy manao izay rehetra azonao atao ianao mba hanitsiana ilay toe-javatra. Noho iny zava-nitranga iny, dia hianatra ‘hiaro ny molotrao mba tsy hiteny fitaka’ amin’ny zava-drehetra ianao, anisan’izany ny fiarahana amin’ny ankizivavy.—Salamo 34:13.

Mieritrereta tsara alohan’ny hamaliana

Ahoana anefa raha tena te hahafantatra bebe kokoa an’ilay ankizivavy ianao? Raha izany no izy, dia tokony ho fantatrao fa tsy fiarahana mahafinaritra fotsiny izany hoe mifankatia izany. Mieritreritra ny hivady izy ireo, matoa mampitombo ny fihetseham-po mahery eo amin’izy samy izy. Manampy azy ireo hifandray am-po kokoa izany, aorian’ny mariaziny. Inona àry no tokony hataonao rehefa fantatrao izany?

Betsaka angamba ny zavatra mahafinaritra anao amin’ilay ankizivavy, rehefa avy nieritreritra momba azy ianao. Toy ny hoe nisy varavarana nosokafany, ary tianao hisokatra foana ilay izy. Mitandrema tsara anefa tsy hanao zavatra maimaika, mba hisorohana ratram-po.

Mety hanontany olona matotra vitsivitsy mahafantatra an’ilay ankizivavy ianao. Anontanio azy ireo ny toetra tsara sy ny kileman-toetrany. Asaivo manao toy izany amin’ny olona mahafantatra anao koa izy. Mety hanontany ny hevitry ny anti-panahy kristianina koa ianao. Tsara hofantarina raha tsara laza eo anivon’ny fiangonana ilay olona tianao hiarahana.

Mety hilaza anefa ianao hoe: ‘Inona no idiran’ny olona amin’ny fiainako manokana?’ Fahendrena ny mahafantatra ny hevitry ny hafa, na dia amin-javatra manokana toy ny fitiavana aza. Milaza an’izany mihitsy ny Soratra Masina, ao amin’ny Ohabolana 15:22: “Raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” Tsy ireo olon-dehibe ireo akory no hanapa-kevitra ho anao. Mety hahafantaranao zavatra sasany tsy hitanao momba anao sy ilay olona kosa, ny “ana-panahy” omen’izy ireo.—Ohabolana 27:9.

Izany no nataon’i Jao, ilay noresahina terỳ am-boalohany. Tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny izy, nefa nolazainy tamin’izy ireo ny momba an’i Seheno. Nifanome ny anaran’ireo olona matotra mety ho afaka hilaza ny heviny momba ny fikasan’izy roa hivady, i Jao sy Seheno avy eo. Samy nahare zavatra tsara momba ny andaniny avy izy ireo, ka nanomboka niaraka izy mba hahitany raha afaka hivady. Hatoky kokoa ianareo fa nandray fanapahan-kevitra tsara, raha manao izany dieny mbola tsy mifandray am-po loatra.

Mivavaha koa amin’i Jehovah. Dingana ho amin’ny fanambadiana mantsy ny fiarahan’ny mpifankatia. Mangataha àry amin’Andriamanitra, mba hampiany ianareo hahita raha mety hiafara amin’izany ny fiarahanareo na tsia. Zava-dehibe kokoa ny mangataka aminy, mba hanampiany anareo handray fanapahan-kevitra hahatonga anareo ho akaiky azy kokoa. Tena hahasambatra anareo izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 6 Resahin’ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora” ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2004 sy 8 Janoary 2005, izay azon’ny vehivavy atao rehefa mitory fitiavana amin’ny lehilahy.

[Sary, pejy 19]

Tandremo ny fihetsikao sao mahatonga azy hihevitra fa tia azy ianao