Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tolom-bahoaka Frantsay—Taratr’izay Hitranga Amin’ny Hoavy

Ny Tolom-bahoaka Frantsay—Taratr’izay Hitranga Amin’ny Hoavy

Ny Tolom-bahoaka Frantsay—Taratr’izay Hitranga Amin’ny Hoavy

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Frantsa

Tamin’ny 1789, izany hoe 200 taona mahery lasa izay, no nipoaka ny Tolom-bahoaka Frantsay. Inona no nahatonga azy io? Nahoana izy io no taratr’izay hitranga amin’ny hoavy?

“TSY fikomiana ve izao e?”, hoy ny mpanjaka.

“Tsia, tompoko. Tolom-bahoaka izao.”

Nametraka io fanontaniana io i Louis Faha-16, mpanjaka frantsay, tamin’ny 14 Jolay 1789. Tamin’izay no notafihin’ny olona ny fonjan’i Bastille, eto Paris. Hita avy amin’ny fanontaniany, fa tsy fantatry ny fanjakana frantsay hoe hanova tanteraka an’i Frantsa ireo zava-niseho tamin’io fotoana io. Tsy fantany koa fa taratr’izay hitranga amin’ny hoavy izany.

Efa nirotaka imbetsaka ny Frantsay tamin’ny taonjato faha-18, noho ny mosary. Nisy 25 tapitrisa ny mponina, nefa fanomezana avy tamin’ny mpanao asa soa no niveloman’ny 10 tapitrisa teo ho eo tamin’ireo, taloha kelin’ilay tolona. Nihena koa ny fahefan’ny mpanjaka, ary tsy vonona hanao fanavaozana ny governemanta. Nanontany tena ny manam-pahaizana hoe ny fahefan’ny mpanjaka ve no tokony ho ambony, sa ny tombontsoan’ny firenena.

Ireo saranga telo

Nandalo krizy ara-toe-karena ny fanjakana, tamin’ny 1788. Anisan’ny antony lehibe nahatonga izany ny fanampian’ny Frantsay ny Amerikanina, nandritra ny Ady ho An’ny Fahaleovan-tena nifanaovan’ny Amerikanina sy Grande-Bretagne. Tsy maintsy namory ny solontenan’ireo saranga telo teto amin’ny firenena àry ny mpanjaka, dia ny mpitondra fivavahana (saranga voalohany) sy ny andriana (saranga faharoa) ary ny sarambabem-bahoaka (saranga fahatelo).

Tsy nisy afa-tsy 150 000 ny mpitondra fivavahana tamin’izany, ary 500 000 teo ho eo ny andriana. Maherin’ny 24 500 000 kosa ny sarambabem-bahoaka. Nanan-jo hifidy ny saranga tsirairay, ka vato iray isaky ny saranga. Nidika izany fa tsy azo notanterahina izay fanavaozana naroson’ny sarambabem-bahoaka (vato iray), raha tsy neken’ny mpitondra fivavahana sy ny andriana (vato roa). Azon’izy ireo natao àry ny nitsipaka ny soso-kevitry ny sarambabem-bahoaka. Ny 3 isan-jaton’ny mponina monja anefa no mpitondra fivavahana sy andriana, fa sarambabem-bahoaka daholo ny 97 isan-jato! An’ny mpitondra fivavahana sy ny andriana koa ny 36 isan-jato teo ho eo amin’ny tany, nefa tsy nampandoavina hetran-tany izy ireo.

Be loatra ny tsy nihinan-kanina, ka nomelohin’ny solontenan’ny sarambabem-bahoaka ny fanjakana, satria nanao didy jadona. Notoherin’izy ireo ny tsy rariny teo amin’ny lalàm-pifidianana sy ny fomba fandoavan-ketra. Nomelohiny koa ny andriana sy ireo lohandohany tao amin’ny fivavahana katolika, satria nanao tsindry hazo lena sady nanan-karena be. Toa tsy voakitikitika anefa ny mpanjaka, satria noheverina ho voatendrin’Andriamanitra. Mbola tian’ny olona koa ny fivavahana katolika. Tsy ampy efa-taona akory anefa, dia niongana ny fanjakan’olon-tokana, ary nanomboka nofoanana ny fivavahana kristianina.

Nanomboka ilay tolom-bahoaka, tamin’ny lohataonan’ny 1789. Tsy neken’ny andriana sasany ny fanovana saika natao tamin’ny lalàm-pifidianana, ka nanendry tena ho Antenimieram-pirenena ny solombavam-bahoaka avy amin’ny saranga fahatelo. Teo no nanomboka nandresy ny tolona nataon’ny saranga antonontonony, ary nifarana ny fanjakan’olon-tokana.

Natahotra anefa ny tantsaha sao hiray tetika hanongana ny solontenany, ny mpanjaka sy ny andriana. Nandroba lapa sy trano be hafa àry izy ireo. Niafara tamin’ny rotaka izany. Mba hisian’ny filaminana, dia nanapa-kevitra ny Antenimiera, ny alin’ny 4 Aogositra 1789, fa hofoanana ny fitondran’ny andriana sy ny tombontsoa azony. Rava tao anatin’ny andro vitsy monja àry ny fomba fitondrana teo aloha.

Ny zon’olombelona

Nanomboka nanomana ny Fanambarana Momba ny Zon’olombelona ny Antenimiera avy eo. Nasongadina tao amin’izy io ny fahafahana sy ny fitovian-jo ary ny firahalahiana. Tsy maintsy notoherina mafy anefa aloha ny mpitondra fivavahana, vao tafiditra ny andalana faha-10 sy 11. Nanome zo ny olona hifidy ny fivavahany sy haneho ny heviny mantsy ireo andalana ireo.

Maro no nino fa tonga lafatra ilay fitondrana vaovao. Diso fanantenana anefa izy ireo, satria nitsipaka ilay Fanambarana ny Papa Pio Faha-6, izay solontenan’ny eglizy. Tsy nanaja azy io koa ny mpitolona maro, satria tia nandatsa-dra.

Tamin’ny 1948, izany hoe 150 taona mahery tatỳ aoriana, dia namoaka ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana. Nalaina avy tamin’ilay fanambaran’ny Frantsay tamin’ny 1789 izy io. Maro anefa ankehitriny ny olona manaiky an’ireo zo voalaza ao, nefa tsy manaja azy ireo mihitsy, toy ny taloha ihany. Marina tokoa ilay teny ao amin’ny Mpitoriteny 8:9 hoe: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.”

Nisara-bazana ny eglizy

Tamin’ny Aogositra 1789, dia nisy solombavam-bahoaka nanipy hevitra hoe hatao fananam-panjakana ny fananan’ny eglizy. Lasa lalàna ilay soso-kevitra, ka nalain’ny fanjakana ny fananan’ny eglizy. Namoaka Lalàm-panorenana Mifehy ny Eglizy koa ny Antenimiera, ka notereny hivoady hankatò azy io foana ny mompera.

Lasa nisara-bazana àry ny eglizy. Nisy mompera (60 isan-jato) nankatò ny fanjakana, ka nanaiky hivoady. Nisy kosa tsy nanaiky, satria tsy te hivadika tamin’ny Eglizy Katolika. Niteraka fifandirana maro izany. Noheverina ho mpanohitra ny tolom-bahoaka sy ny firenena matetika, izay mompera tsy nanaiky hivoady.

Fampihorohoroana sy fandatsahan-dra

Nitady hampitsahatra ilay tolona koa ny mpanjaka tany an-tany hafa. Nikasa hiditra an-tsehatra izy ireo, mba hamerenana ny mpanjaka eo amin’ny toerany. Tsy natoky an’i Louis Faha-16 intsony anefa ny sarambabem-bahoaka, rehefa nanandrana nandositra niala teto izy, tamin’ny 21 Jona 1791.

Nihamafy ny fanoheran’ny firenena eoropeanina hafa, tamin’ny lohataonan’ny 1792. Noho izany, dia niady tamin’ny mpanjakan’i Bohême sy Hongria i Frantsa. Nitatra nanerana an’i Eoropa ilay ady, ary nitohy hatramin’ny 1799. Frantsay 500 000 mahery no maty.

Nihamafy ilay tolona, tamin’ny Aogositra sy Septambra 1792. Naongana ny mpanjaka, ary nohelohina ho faty. Nambara fa lasa repoblika i Frantsa. Novonoina ny mpanjaka tamin’ny 21 Janoary 1793, ary i Marie Antoinette vadiny tamin’ny 16 Oktobra 1793. Nalefa sesitany ny mompera maro tsy nanohana ny tolona. Nihevitra ny mpitolona, fa nila nanafaka an’izay vahoaka mbola nampahorin’ny mpitondra tsy refesi-mandidy izy ireo. Ry zareo indray anefa mazàna no lasa tsy refesi-mandidy.

Mbola tsy voavaha foana anefa ny olana. Vao mainka nitombo aza ilay izy noho ny ady. Nisahotaka ny firenena manontolo, rehefa nisy didy navoaka fa nila lehilahy 300 000 hanao miaramila. Niforona tany andrefan’i Frantsa ny tafika katolika mpanohana ny mpanjaka, ka ny fo masina sy ny lakroa no fanevan’izy ireo. Nifehy tanàna maro tany amin’ny faritra efatra izy ireo, ary namono izay nanohana ilay fitondrana vaovao.

Nanararaotra izany ny fitondrana foibe, ka lasa nanao didy jadona. Natsangana ny “Komity Miaro ny Vahoaka”, ka i Robespierre no anisan’ny lohandohany tao amin’izy io. Lasa tetikadin’ny fanjakana ny fampihorohoroana. Matetika no voahitsakitsaka ireo zo tao amin’ilay Fanambarana tamin’ny 1789. Nihabetsaka hatrany ny olona nohelohin’ny tribonaly ho faty, ary lasa nalaza ny fanapahan-doha.

Fanafoanana ny fivavahana kristianina

Nanao tetika goavana ny fanjakana nanomboka tamin’ny fararanon’ny 1793, mba hanafoanana ny fivavahana kristianina. Ny tanjona tamin’izany dia ny hamolavolana “olom-baovao”, izany hoe olona afaka amin’ny fitondran-tena ratsy. Nampangaina ho nitady hanararaotra ny fahatsoran’ny olona ny fivavahana katolika. Noravana ny fiangonana sasany, ary nisy natao toby miaramila. Noterena hiala tamin’ny asany sy hanambady ny mompera. Nosamborina izay nanda ary novonoina. Nandositra niala teto ny sasany.

Nosoloana an’ilay atao hoe fankamasinana ny Fisainana, ny fivavahana katolika. Noheverin’ny olona sasany ho andriamanibavy na “Renin’ny tanindrazana”, ny Fisainana. Nosoloan’i Robespierre fivavahana tamin’Andriamanitra avy eo io fivavahana io. Novonoiny izay nanohitra azy, ary nanao didy jadona izy sady tsy namindra fo mihitsy. Namoizany ny ainy izany fitiavana nandatsa-dra izany, tatỳ aoriana. Notaritaritina mba hotapahin-doha izy tamin’ny 28 Jolay 1794, ary nikiakiaka be.

Tsy tian’ny mpanao politika sisa tavela intsony ny hisian’ny fitondrana jadona entin’olon-tokana, ka nankininy tamin’olona dimy ny fitondrana. Nitohy indray anefa ny ady ary vao mainka niharatsy ny toe-karena, ka naverin’izy ireo tamin’olon-tokana ny fitondrana. I Napoléon Bonaparte no nofidina. Niverina indray ny fitondrana jadona.

Avy tamin’ny Tolom-bahoaka Frantsay no nipoiran’ireo fitondrana entim-bahoaka sy fitondrana jadona, nisy tatỳ aoriana. Hita avy amin’izy io koa ny zavatra mety hitranga, rehefa mivadika tampoka amin’ny fivavahana ny mpitondra fanjakana. Izany no mahatonga azy io ho taratr’izay hitranga amin’ny hoavy.—Apokalypsy 17:16; 18:1-24.