Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tianao ve ny Hateza Amin’ny Asanao?

Tianao ve ny Hateza Amin’ny Asanao?

Tianao ve ny Hateza Amin’ny Asanao?

“Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany.”Ohabolana 22:29.

HITA avy amin’io andinin-teny io fa ny mpiasa mahay no tena tian’ny mpampiasa. Inona no fahaizana sy toetra sasany tena tian’izy ireo? Mpiandraikitra ny mpiasa ao amin’ny orinasa iray misy mpiasa 700 i George. Hoy izy tamin’ny Mifohaza!: “Ny mpiasa tena tianay dia izay mahay mampita hevitra sy mahay miara-miasa amin’olona.” Misy torohevitra mahasoa hanampy anao hanatsara ireo toetra ireo, ao amin’ny Baiboly. Mety hahatonga anao hateza kokoa amin’ny asanao izany. Andeha hojerentsika ny sasany.

Mahaiza mampita hevitra

Asehon’i Jakoba, mpanoratra Baiboly, fa ny olona mahay mampita hevitra dia tsy maika hiteny. Nanoratra izy hoe tokony ‘ho mailaka hihaino, fa tsy ho maika hiteny’ isika. (Jakoba 1:19) Nahoana izany torohevitra izany no mahasoa? Hoy i Solomona: “Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” (Ohabolana 18:13) Mety tsy hisy àry ny hevitra tsy mifankahazo, raha henoinao tsara ny mpampiasa anao sy ny mpiara-miasa aminao. Mety tsy hanao hadalana koa ianao.

Mila tandremanao tsara koa ny fomba fiteninao, rehefa tapa-kevitra ianao fa hiteny. Raha miteny mazava tsara ianao, sady ataonao amin’ny antonony ny haavon’ny feonao, dia azo inoana kokoa fa hazava amin’ilay mihaino anao ny hevitrao, ary hohajainy. Hoy i Brian, ilay mpanolo-tsaina noresahina tany aloha: “Ho gaga ianao raha ilazana fa be dia be mihitsy ny olona very asa, tsy hoe noho izy tsy mahay ny asany, fa noho izy tsy mahay mampita ny heviny.”

Mahaiza miara-miasa amin’olona

Azo inoana fa hifankahalala tsara ianao sy ny mpiara-miasa aminao, satria be dia be ny fotoana iarahanareo. Mety halaim-panahy hifosa azy ireo àry ianao, ka hanasongadina ny fahadisoany sy ny toetra ratsiny. Manoro hevitra anefa ny Baiboly hoe tokony ‘hataonao tanjona ny hiaina amim-pilaminana, sy ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.’ (1 Tesalonianina 4:11) Tsy halaza ho “mpitsabaka amin’ny raharahan’olona” ianao amin’izay. (1 Petera 4:15) Tsy ho verivery fotoana koa ianao, na hiady tsy amin’antony amin’ny mpiara-miasa aminao.

Rehefa misy asa asaina ataonao, dia tadidio ity torohevitra feno fahendrena nomen’i Jesosy ity: “Raha misy manana fahefana ka manery anao handeha iray kilaometatra, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.” (Matio 5:41) Niresaka momba ny mpitondra fanjakana i Jesosy teo. Tena azo ampiharina any am-piasana koa anefa io toro lalana io. Azo antoka kokoa fa hateza amin’ny asanao ianao, raha malaza hoe mpiasa mazoto, izany hoe vonona hanao mihoatra noho izay asaina ataonao. Mazava ho azy anefa fa voafetra ihany ny zavatra azon’ny mpampiasa takina aminao. Niteny mantsy i Jesosy hoe tokony ‘haloa amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Matio 22:21) Te hilaza izy fa tsy tokony havelanao hosakantsakanan’ny olona manana fahefana, ny raharaha lehibe kokoa toy ny fanompoana an’Andriamanitra.

Manaova ny marina

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny orinasa 1 400 mahery, ka hita fa ny “olona manao ny marina no tena tadiavin’ny ankamaroan’ny mpampiasa.” Tsy mangalatra ny vola na ny fitaovan’ny mpampiasa ny olona toy izany. Tsy mangalatra fotoana koa izy. Hita tamin’ny fandinihana nataon’ny sampan-draharaha manampy ny olona hahita asa, fa nangalatra adiny 4 sy 15 minitra eo ho eo isan-kerinandro, ny mpiasa tsirairay nanao an’izany. Tara lava, ohatra, izy ireo, na miala alohan’ny firavana, na mandany fotoana miresaka amin’ny mpiasa hafa.

Manoro hevitra ny Baiboly hoe: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara.” (Efesianina 4:28) Ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra hiasa mafy koa ny Kristianina, na dia tsy misy tompon’andraikitra manara-maso aza. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny tomponareo ara-nofo. Aza manao fanompoana eo imaso fotsiny, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa ataovy amim-pahatsoram-po sy amin-tahotra an’i Jehovah kosa izany.” (Kolosianina 3:22) Hatoky anao ny mpampiasa, raha malaza ho miasa tsara ianao, na dia tsy misy manara-maso aza.

Jereo ny zava-misy

Nilaza ny Baiboly fa ho sarotra sy tsy ho mora setraina izao androntsika izao, ary marina izany. (2 Timoty 3:1) Hiteraka korontana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny politika izany, ka tsy maintsy hiovaova ny toe-karena. (Matio 24:3-8) Mety ho mbola very asa ihany àry ianao, na dia mampihatra ireo torohevitra eo aloha ireo aza.

Raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly anefa ianao, dia tsy hitebiteby firy, na very asa aza. Hoy i Jesosy: “Raha ny zavamaniry any an-tsaha, izay any ihany anio ary atsipy ao anaty lafaoro rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana? Koa aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ ... Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.”—Matio 6:30-32.

Toy ny olona an-tapitrisany eran-tany, dia hitan’i Ericka fa marina ireo teny ireo. Efa noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha izy. Izao no namintinany ny zavatra tsapany: “Tena tiako ny asako amin’izao fotoana izao. Hitako tamin’ny zavatra niainako anefa fa miovaova ny fiainana. Nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly sy nianatra nitoky tamin’i Jehovah aho. Lasa haiko àry ny fomba hampihenana ny tebiteby rehefa tsy an’asa, sy ny fomba hitiavana kokoa ny asa hitako.”

[Sary, pejy 10]

Mety ho very asa ianao raha tsy mifantoka mandritra ny fivorianareo