Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hatahotra ny Hara-magedona ve Ianao?

Tokony Hatahotra ny Hara-magedona ve Ianao?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tokony Hatahotra ny Hara-magedona ve Ianao?

INONA moa ny “Hara-magedona”? Raha tsorina, io teny io dia manondro ny toerana hiangonan’ireo mpitondra eto amin’ity tontolo ity, mba hanohitra an’Andriamanitra sy ny Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy. Nahazo fahitana momba izany ny apostoly Jaona, araka ny bokin’ny Apokalypsy. Hitany fa nivondrona tao amin’ny toerana an’ohatra antsoina hoe Hara-magedona ireo mpitondra, mba hanohitra an’Andriamanitra.

Indray mandeha monja no hita ao amin’ny Soratra Masina ny teny hoe “Hara-magedona.” Lasa fampiasan’ny olona anefa izy io ankehitriny, mba hilazana loza samy hafa, toy ny fandripahana amin’ny baomba niokleary, na olana madinidinika. Namoaka boky momba izany ny mpanoratra. Ireo boky momba an’ilay antsoin’izy ireo hoe fara andro, na ny fe-potoana aloha kelin’ny Hara-magedona, no anisan’ny be mpividy indrindra. Io no foto-kevitry ny tantara mitohy iray, ka boky 60 tapitrisa mahery no lafo nandritra ny folo taona lasa.

Matahotra ny Hara-magedona ny olona sasany. Mihevitra izy ireo fa tsy ho azo onenana intsony ny tany, satria hiteraka loza aman’atambo maneran-tany ny zavatra ataon’ny mpampihorohoro, na firenena mpanetsika ady, na ireo loza tsy voafehin’olombelona. Ny hafa indray mihevitra fa ho tezitra Andriamanitra, ka hanapotika ity tany ity sy izay rehetra eo aminy, amin’ny fotoana voatondrony. Tena mampahatahotra tokoa izany! Inona anefa no tena dikan’ny hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony”, ao Hara-magedona?—Apokalypsy 16:14, 16.

Ho potika ve ny tany?

Tsy ny olona rehetra no ho ringana amin’ny Hara-magedona. Nahoana isika no milaza izany? Manome toky toy izao ny Baiboly: “Hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana, ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana mba horinganina.” (2 Petera 2:9) Afaka matoky àry isika, fa ho hain’Andriamanitra ny hifehy tanteraka ny heriny tsy toha. Ireo manohitra ny zon’Andriamanitra hitondra ihany no hiharan’ny fahatezerany, amin’ny Hara-magedona. Tsy hisy olo-marina ho ringana tsy nahy.—Salamo 2:2, 9; Genesisy 18:23, 25.

Milaza amintsika ny Baiboly, fa ‘handringana izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18) Mazava araka izany, fa tsy mikasa ny hanapotika ity planetantsika ity, i Jehovah Andriamanitra. Ny ratsy fanahy manohitra ny fanjakany kosa no hesoriny, toy ny nataony nandritra ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa.—Genesisy 6:11-14; 7:1; Matio 24:37-39.

Andro “mahatahotra”

Marina aloha fa mampahatahotra ny faminaniana ara-baiboly maromaro momba ny fandringanana ho avy. Niresaka momba ny “andron’Iaveh, izay sady lehibe no mahatahotra”, ohatra, i Joely mpaminany. (Joely 3:4; Fandikan-teny Katolika) Anisan’ny fitaovam-piadiana eo am-pelatanan’Andriamanitra ny orampanala, havandra, horohoron-tany, areti-mandringana, oram-be mivatravatra, afo sy solifara, varatra, ary areti-mandringana mahalo ny nofo. Azony atao koa ny mampifanaritaka ny olona, mba hifamonoany. * (Joba 38:22, 23; Ezekiela 38:14-23; Habakoka 3:10, 11; Zakaria 14:12, 13) Resahin’ny Baiboly mazava tsara koa fa hameno ny tany ny faty amin’io fotoana io, ka ho lasa zezika na ho sakafon’ny vorona sy ny biby. (Jeremia 25:33, 34; Ezekiela 39:17-20) Hatahotra tokoa ny fahavalon’Andriamanitra amin’io ady io.—Apokalypsy 6:16, 17.

Tokony hatahotra ireo zava-mahagaga hitranga amin’ny Hara-magedona àry ve ny mpivavaka mankatò an’ilay Andriamanitra marina? Tsy misy tokony hatahorany mihitsy, satria tsy handray anjara amin’io ady io izy ireo. Hiaro azy ireo koa i Jehovah. Ho talanjona anefa ny mpivavaka marina, rehefa hahita ny fomba mampahatahotra hampisehoan’Andriamanitra ny heriny.—Salamo 37:34; Ohabolana 3:25, 26.

Nasain’Andriamanitra nampahery antsika toy izao ny apostoly Jaona: “Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity horonam-boky ity”, anisan’izany ny fampitandremana momba ny Hara-magedona. (Apokalypsy 1:3; 22:7) Mety hahafaly ny olona iray ve ny fisaintsainana ny Hara-magedona? Ahoana no hetezan’izany?

Mampirisika anao hanao zavatra Andriamanitra

Mandefa fampitandremana ny manam-pahefana rehefa misy rivo-doza mananontanona, mba hitsimbinana ny ain’ny olona. Mety hasaina hitondra fitaovana fanairana, ohatra, ny polisy, na hasaina hitety trano mba ho azo antoka fa nandre an’ilay fampitandremana ny rehetra. Tsy natao hampihorohoroana akory izany, fa mba hanampiana ny olona hamonjy ny ainy. Ho faly ny olona malina, rehefa mandre ilay fampitandremana. Ho faly koa ireo nanaraka toromarika, noho izy ireo nanao izany.

Toy izany koa ny fampitandremana alefan’Andriamanitra, momba ilay ‘tafio-drivotry’ ny Hara-magedona. (Ohabolana 10:25) Nanome tsipiriany momba an’io ady hataony io i Jehovah, ao amin’ny Teniny. Tsy te hampihorohoro izy, fa te hampitandrina kosa. Tiany hibebaka ny olona, ka ho tapa-kevitra ny hanompo azy. (Zefania 2:2, 3; 2 Petera 3:9) Ho tafavoaka velona izay manao izany. Tsy tokony hatahotra an’ilay ady mananontanona àry isika. Afaka mibanjina ny hoavy kosa isika, sady matoky fa “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra.”—Joela 3:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Tsara homarihina fa mampiasa ohatra na “famantarana”, ny ampahany sasany ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 1:1) Tsy voatery ho ara-bakiteny àry ireo zavatra voalaza eo ireo.

[Sary, pejy 12]

Mampitandrina ny olona ny manam-pahefana, rehefa misy rivo-doza mananontanona, mba hitsimbinana ny ain’ny olona

[Sary, pejy 13]

Natao hamonjena aina ny fampitandreman’Andriamanitra momba ny Hara-magedona