Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Misy Teny Ratsy Mihitsy ny Fiteninay”

“Tsy Misy Teny Ratsy Mihitsy ny Fiteninay”

“Tsy Misy Teny Ratsy Mihitsy ny Fiteninay”

INONA no atao hoe teny ratsy? Milaza ny Rakibolana malagasy, fa izany dia “ompa sy ozona na fanevatevana, ... teny vetaveta tsy mendrika.” Izao no amaritan’ny diksionera iray hafa ny hoe “miteny ratsy”: “Manevateva (zava-masina), tsy manaja, na manao ho tsinontsinona.” Mampalahelo fa miteny ratsy ny ankabeazan’ny olona any amin’ny firenena maro. Taloha dia ny lehilahy matetika no mpiteny ratsy. Mihamahazatra anefa ankehitriny ny mandre vehivavy miteny ratsy. Tsy anisan’ny fiteny andavanandro mihitsy anefa izany, any amin’ny tany sasany. Manamarina izany, ohatra, ny Indianina Apache iray, antsoina hoe James Kaywaykla.

Teraka tany Nouveau-Mexique, any Etazonia, i James, tamin’ny 1873 tany ho any. Nitantara toy izao izy rehefa ho feno 90 taona:

“Nanaitra ahy vao maraina ny hiran’i Dadabe, indray andro. Nipetraka teo am-baravaran’ny trano heva fialokalofanay izy, nitodika niantsinanana, ary nikalo Ny Hiran’ny Maraina. Hira fiderana an’i Ussen izany ... mba hisaorana Azy noho ny iray amin’ireo fanomezany lehibe indrindra, dia ny fitiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Zava-masina amin’ny Apaches izy io. * Tsy manao vazivazy vetaveta momba ny firaisana mihitsy izy ireo, ary tsy ho azon’izy ireo ny vazivazy momba ny fiterahana ataon’ny Fotsy Maso [fotsy hoditra]. Toy ny fahotana mihitsy izany amin’izy ireo, ary mitovy amin’ny fanevatevana ny anaran’Andriamanitra. Tsy misy teny ratsy mihitsy ny fiteninay, ary tena ireharehako izany. Isaoranay ny Mpamorona ny Aina, satria nanome tombontsoa anay handray anjara amin’ny famoronana aina vaovao.”—Lova Navelan’ny Razana (anglisy), natontan’i Arlene Hirschfelder.

Nanoratra toy izao i Paoly, apostoly kristianina, efa ho 2 000 taona lasa izay: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba ho zava-tsoa no ho ren’izay mihaino.” Hoy koa izy: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mendrika ny olona masina izany, na fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta, izay samy tsy mety, fa aleo kosa aza manao teny fisaorana.”—Efesianina 4:29; 5:3, 4.

Ahoana no hamongorana ny teny ratsy sy ny vazivazy vetaveta ao am-po sy ao an-tsaina ary eo am-bava? Mety hanampy antsika ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Filipianina hoe: “Ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.”—Filipianina 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mino ny Apaches fa i Ussen no namorona ny aina.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Sary rehetra: Library of Congress, Prints & Photographs Division; famantarana ny Apache: Dover Publications, Inc.