Virosy Tokony ho Fantatry ny Vehivavy
Virosy Tokony ho Fantatry ny Vehivavy
NANATONA mpitsabo aretim-behivavy i Cristina * mba hizaha ny taovam-pananahany, herintaona sy tapany taorian’ny nanambadiany. Nojerena koa ny vozon-tranonjanany. Nahita zavatra nampanahy ilay dokotera, ka nasainy nojerena tamin’ny an-tsipiriany kokoa ilay vozon-tranonjaza. Nisy faritra hafahafa hitany tao. Naka santionana sela avy tamin’ilay faritra àry ilay dokotera, mba hamantarana ilay aretina.
Hoy i Cristina: “Nasain’ilay dokotera niverina izahay mivady rehefa afaka tapa-bolana, mba hamantarana ny valin’ilay analizy. Nilaza izy fa virosy antsoina hoe papillomavirus no nahatonga ilay aretina, ary efa nitatra be ilay izy. Nohazavainy fa mety hivadika ho kanseran’ny vozon-tranonjaza izy io, ka mila tsaboina avy hatrany.”
“Nitomany aho nahare izany. Tampoka be taminay mivady ilay izy. Nisy fandidiana kely natao tamiko ny ampitson’iny. Nalahelo be sy nanahy aho ny hariva. Nanontany tena aho hoe: ‘Fa maninona aho no voan’izany?’ ”
Fantatr’i Cristina fa azo avy amin’ny firaisana ilay virosy, ka tsy azony mihitsy hoe ahoana no nahavoa azy. Nanaja foana ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena mantsy izy mivady.
Aretina fahita
Vehivavy an-tapitrisany eran-tany no mitondra ny tsimokaretina papillomavirus, raha ny marina. Io no miely indrindra amin’ireo aretina azo avy amin’ny firaisana. Nanazava ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), fa io tsimokaretina io no tena mahatonga ny kanseran’ny vozon-tranonjaza. *
Ana hetsiny isan-taona ny vehivavy fantatra
fa mitondra ny tsimokaretina papillomavirus, ary an’arivony isan-taona no matin’ny kanseran’ny vozon-tranonjaza. Anisan’ny mahatonga ny vehivavy maro atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ho fatin’ny kansera àry io virosy io. Ny kanseran’ny vozon-tranonjaza no mitana ny laharana faharoa eran-tany, amin’ireo kanseran’ny tranonjaza fahita indrindra. Tsy mahagaga raha antsoin’ny OMS hoe “olana eran-tany manimba ny fahasalamam-bahoaka” ny papillomavirus! Inona koa no tsara ho fantatra momba azy io?Mahatonga karazana votsy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izy io, anisan’izany ny votsy eo amin’ny filahiana na ny fivaviana. Tsy atahorana hiteraka kansera izy ireny amin’ny ankapobeny. Maherin’ny 100 ny karazana papillomavirus, nefa vitsy ihany no mety hahatonga kansera. Rehefa tsy sitrana mandritra ny fotoana ela ny aretina azo avy amin’ny karazany sasany amin’io virosy io, vao mivadika ho kanseran’ny vozon-tranonjaza. Sitrana ho azy kosa ny ankamaroan’ny aretina azo avy aminy, satria resin’ny hery fanefitry ny vatana.
Ahoana no mety hahazoana azy io?
Ny tena ahina ho voan’io aretina io dia ireo vehivavy mbola kely dia manao firaisana, ireo manao firaisana amin’ny lehilahy maro, na amin’ny lehilahy iray manao firaisana amin’ny vehivavy be dia be. Tsy ahitana soritr’aretina matetika ny lehilahy mamindra azy io amin’ny vadiny.
Mety ho voan’io aretina io koa anefa indraindray ny vehivavy madio fitondran-tena, na mbola tsy nanao firaisana mihitsy. Nisy fikarohana natao vao haingana, ohatra, nahitana fa mety hamindra ilay virosy amin’ny zanany ny reny eo am-piterahana. Mety ho avy amin-javatra hafa koa anefa no ahazoana azy io. Mety ho taona maro aorian’ny ahazoana ilay virosy mihitsy vao hiseho ilay aretina.
Ahoana no amantarana azy io?
Raha vehivavy ianao, dia mety hanontany tena hoe: ‘Ahoana no ahalalako raha mitondra ny tsimokaretina papillomavirus aho?’ Zava-dehibe ny valin’izany, satria tsy ahitana soritr’aretina ny olona voan’izy io mazàna. Toy ny nataon’i Cristina, voaresaka tetsy am-piandohana àry, dia tena ilaina ny manao analizy ny selan’ny vozon-tranonjaza na test du frottis de Pap. *
Ahoana no fomba anaovana ilay analizy? Mampiasa fitaovana mitovy amin’ny sotrokely na borosy ny mpitsabo, mba hakana santionany amin’ireo selan’ny vozon-tranonjaza. Alefany any amin’ny laboratoara ilay izy avy eo. Hita avy amin’izany raha misy aretina ao, na misy hafahafa ireo sela. Voalaza fa mampihena ny isan’ny olona voan’ny kanseran’ny vozon-tranonjaza sy matin’izany, ny fanaovana io analizy io.
Hoy ny OMS: “Ho azo sorohina eran-tany ilay aretina, raha atao analizy ireo sela ka hita mialoha ireo faritra mety hiteraka kansera. Azo inoana fa io fomba io ihany no mbola hampiasaina mandritra ny fotoana elaela.” Raha tsy mahafa-po ny vokatr’io analizy io, dia azo atao ny manao colposcopie, izany hoe jerena amin’ny fitaovana kely misy fitaratra fanalehibeazana, ny vozon-tranonjaza. Izany no ahitana raha misy hafahafa ao na tsia. Hakana kely ny selan’izy io raha misy mampiahiahy, ary hatomboka ny fitsaboana.
Misy analizy ary fomba kokoa azo atao any amin’ny laboratoara ankehitriny. Azo antoka kokoa amin’izay ny hahitana raha misy ilay aretina na tsia.
Fitsaboana sy fisorohana
Misy fomba maromaro itsaboana ny aretina azo avy amin’ny papillomavirus. Misy manam-pahaizana manome fanafody ahosotra amin’ny
faritra misy ilay aretina. Mamono ireo sela misy virosy ny sasany amin’izy ireny, na mampitombo ny hery fanefitra. Azo esorina koa ilay faritra marary. Didiana na dorana amin’ny fitaovana elektrika, ohatra, izy io, na didiana amin’ny alalan’ny taratra lazera, na petahina fitaovana mangatsiaka be mba handevonana azy. Tsy aleo anefa ve misoroka toy izay mitsabo? Ahoana àry no ahafahanao misoroka an’io aretina io?Nisy famelabelarana momba ny kanseran’ny vozon-tranonjaza natao tany Mexico, taona vitsivitsy lasa izay. Nanoro hevitra toy izao ny Pr. V. Wright, manam-pahaizana kanadianina momba ny papillomavirus: “Aza manao firaisana alohan’ny fanambadiana.” Hoy koa ny Pr. Alex Ferenczy, mpampianatra momba ny aretina, any amin’ny Oniversite McGill any Montréal, Kanada: ‘Tsy maintsy mampirisika ny olona tsy hanana afa-tsy vady tokana isika, raha te hisoroka ny kanseran’ny vozon-tranonjaza.’
Tsy atahorana loatra ho voan’ny kansera azo avy amin’ny papillomavirus àry, ny olona mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Mandrara ny firaisana amin’olona tsy vadin’ny tena mantsy ny Baiboly, ary mampirisika ny mpivady tsy hifanitsakitsaka. Manoro hevitra ny Kristianina koa izy io mba tsy hanambady afa-tsy olona manaraka izany toro lalana izany.—1 Korintianina 7:39; Hebreo 13:4.
Na izany aza, dia mila mahafantatra ny momba an’io aretina io ny olona, satria azo sorohina izy io matetika. Azo tsaboina tsara ihany anefa ny olona voan’izy io, na dia efa mitatra aza ilay izy. Miaiky ny OMS hoe: “Azo tsaboina foana matetika ny kanseran’ny vozon-tranonjaza, raha hita dieny eo am-piandohany.”
Tokony hatoro ny vehivavy ny fitondran-tena mety, nefa zava-dehibe koa ny mampahafantatra azy ilay aretina. Tokony ho fantany fa mila atao analizy matetitetika, ny selan’ny vozon-tranonjaza. * Afaka mitsabo tena izy amin’izay, raha hita fa misy olana. Manam-pahaizana momba ny colposcopie ny Pr. Montserrat Flores, ary nolazainy hoe ahoana no tokony hiheverana an’ireny fanaovana analizy ireny. Hoy izy: “Tsy hanao ireto zavatra roa mampidi-doza ireto ny vehivavy, raha fantany tsara izay manjo azy: Voalohany, tsy hiraharaha an’ilay aretina sy tsy hankany amin’ny dokotera, ka mety ho voan’ny kansera. Faharoa, hihorohoro sao ho voan’ny kansera, ka hanaiky hanao fandidiana tsy ilaina.”
Mitady fomba mahomby sy mora kokoa hatrany ny mpahay siansa, mba hamantarana ny fisian’ny papillomavirus. Mikaroka vaksiny koa izy ireo, mba hisorohana ny aretina azo avy amin’izy io sy hitsaboana azy.
Nahafa-po ny valin’ny analizy farany nataon’i Cristina, nefa tsy maintsy manao colposcopie izy isaky ny enim-bolana. Niana-javatra betsaka momba ny aretiny izy, ka nanatsoaka hevitra hoe: “Afaka mitsabo tena tsara isika, na dia mitondra ny tsimokaretina papillomavirus aza.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Novana ny anarana.
^ feh. 7 Ny vozon-tranonjaza dia ilay faritra ambany sy ety manasaraka ny fivaviana sy ny tranonjaza.
^ feh. 14 Avy amin’ny anaran’ilay mpikaroka grika atao hoe George Papanicolaou. Izy no nahita ny fomba hamantarana ny mombamomba ny sela, amin’ny fampiasana zavatra simika mampiova loko azy io.
^ feh. 23 Milaza ny Fikambanana Momba ny Kansera any Etazonia, fa tokony hanomboka hanao io analizy io ny vehivavy raha vao 18 taona, na vao manomboka manao firaisana.
[Efajoro, pejy 22]
Ny Tokony Hataon’ny Vehivavy
Tokony hanao analizy ny selan’ny vozon-tranonjanany matetitetika izy, ary tsy tokony hifoka sigara na hihinam-paraky. Tokony hihinana sakafo mahasalama koa izy, toy ny legioma, voankazo, vary, katsaka, sy ny toy izany. Hita tamin’ny fandinihana natao, fa tsy ahina loatra ho voan’ny kanseran’ny vozon-tranonjaza, ny olona mihinana legioma sy voankazo mivolondaoranjy, ary vitaminina A, B9, C, E.
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Virosy Mahafaty
Ny tsimokaretina papillomavirus no fahita indrindra amin’ireo aretina azo avy amin’ny firaisana eran-tany. Izy io no tena mahatonga ny kanseran’ny vozon-tranonjaza, atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Io kansera io no mitana ny laharana faharoa eran-tany, amin’ireo karazana kanseran’ny tranonjaza.
[Sary nahazoan-dalana]
© Science VU/NCI/Visuals Unlimited
[Sary, pejy 23]
Pr. George Papanicolaou, izay nahita ny fomba fanaovana analizy ny selan’ny vozon-tranonjaza