Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Zatovo Misaotra tamin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Vahaolana ho An’ny Zatovo.” (8 Jolay 2004) Tanora aho ary nanana olana, ka nanenjika ahy ny eritreritro. Nahazo torohevitra hanampy ahy hahatsiaro ilay Mpamorona Lehibe aho, tao amin’ireo lahatsoratra ireo. Manantena aho fa tsy ho voataonan’ity tontolo ity hanao zava-dratsy mandra-pahalehibe ahy, satria hampidi-doza izany.

R. R., Albania

Nana-namana be dia be nitovy taona tamiko aho, tamin’izaho mbola kely. Tsy nifampiteny intsony anefa izahay, rehefa nihalehibe. Nipetraka tao anaty fiara fotsiny aho, isaky ny vita ny fivoriana kristianina, fa tsy niresaka tamin’iza na iza. Maivamaivana aho rehefa namaky, fa matetika no misy fihetseham-po isan-karazany mipoitra ao anatinao rehefa zatovo ianao. Novakiko koa hoe anisan’ny fomba tsara indrindra hanampy anao tsy hanirery ny fiezahana hifandray amin’ny olon-kafa, anisan’izany ny olona tsy mitovy taona aminao. Nisy fivoriana tamin’ny andro namakiako ireo lahatsoratra ireo, ka nampihariko avy hatrany io soso-kevitra io. Nahafinaritra ilay izy.

M. K., Japon

Dimy ambin’ny folo taona aho, ka nila an’iny fanazavana iny mihitsy. Rehefa namaky ny tenin’ireo tanora tao aho, dia hitako fa tsy izaho irery no malahelo sy kivy. Hitako koa fa azo resena ireny fihetseham-po ireny. Nampahery sy nampionona ahy izany!

L. R., Ukraine

Misaotra tamin’iny andian-dahatsoratra iny. Mampahery ny mahafantatra hoe azo atao ny miatrika io fotoana misafotofoto io. Manantena aho fa hanampy tanora hafa hahay tsara hiatrika io fotoana io koa ireny lahatsoratra ireny.

R. V., Italia

Iny andian-dahatsoratra iny mihitsy no notadiaviko hatramin’izay. Mbetika aho mantsy faly ary mbetika malahelo. Tsy matoky tena mihitsy koa aho indraindray sady manirery. Nieritreritra foana aho hoe ny hadalako ihany no nahatonga izany rehetra izany. Nisy an’izao anefa tao amin’ny lahatsoratra farany: ‘Tian’i Jehovah Andriamanitra ny hahasambatra anao. Tena sambatra ianao, fa tsy toy ny olona miseho hoe sambatra, nefa mijaly ao anatiny ao.’ Latsaka ny ranomasoko, rehefa namaky ireo teny ireo aho. Nilaza koa ilay lahatsoratra hoe hisinda ihany ireny fihetseham-po ireny, rehefa mandeha ny fotoana. Tena nampionona ahy mihitsy izany. Nahery indray aho. Misaotra betsaka!

H. T., Japon

Nanomboka namaky kely an’iny gazety iny aho, raha vao hitako tao amin’ny Efitrano Fanjakana ilay izy. Rehefa tonga tany an-trano aho, dia tsy navelako ilay izy raha tsy voavakiko hatramin’ny farany. Nalahelo be anefa aho rehefa tapitra ilay izy, satria mbola tiako hitohy! Manorata lahatsoratra hoatran’ireny foana!

K. C., Etazonia

Firaisana Alohan’ny Fanambadiana Nanampy sy nampahery ahy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Fa Inona no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?” (8 Aogositra 2004) Nitovy eritreritra tamin’ireo tanora tao amin’io lahatsoratra io aho. Ilay teny ao amin’ny Salamo 84:11 no tena nanohina ahy. Miresaka izy io hoe tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana i Jehovah.

T. U., Alemaina

Tanora aho, ka miezaka mafy foana ny hadio fitondran-tena eo anatrehan’i Jehovah. Sarotra anefa izany indraindray. Tapa-kevitra kokoa ny hadio fitondran-tena aho, rehefa avy namaky iny lahatsoratra iny. Nampahatsiaro ahy koa izy iny fa tsy izaho irery no miatrika fakam-panahy avy amin’ny tontolon’i Satana. Mampahery mihitsy ny mahalala hoe tena miahy ny tanora i Jehovah.

F. B., Botswana