Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita ao amin’ny pejy 19 ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Inona no notakin’i Jehovah tamin’ny firenen’Israely, na dia tsy voafaritra aza ny habetsahany? (Eksodosy 23:19)

2. Iza ilay hanafika ny vahoakan’Andriamanitra, noho izy ireo ambinina sy toa tsy voaro? (Ezekiela 38:10-12, 14-16)

3. Iza ilay mpitondra namela ny apostoly Paoly higadra roa taona tany Kaisaria, satria nanantena hahazo tsolotra avy taminy? (Asan’ny Apostoly 24:26, 27)

4. Nasaina niantsoantso hoe ahoana ny boka teo amin’ny Israely, mba hanalaviran’ny olona azy sy tsy hifindran’ilay aretina? (Levitikosy 13:45)

5.Inona no nataon’i Jakoba mba hamantarana ny fasan-dRahely? (Genesisy 35:20)

6.Nahoana i Jehovah no namela ny Israelita ho babo imbetsaka? (2 Mpanjaka 18:11, 12)

7.Tsy fahendrena avy any ambony ny fialonana sy fifandirana ary lainga ho fanoherana ny fahamarinana. Ahoana kosa hoy i Jakoba momba izany? (Jakoba 3:15)

8. Inona ilay hazo nangatahin’i Solomona tamin’i Hirama Mpanjaka, mba hanorenana ny tempoly sady hanamboarana lokanga sy valiha? (1 Mpanjaka 10:11, 12)

9. Iza ireo olona telo nasain’i Jehovah nohosoran’i Elia? (1 Mpanjaka 19:15, 16)?

10. Iza ilay mpisoronabe niandraikitra “ny raharahan’i Jehovah rehetra”, tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka? (2 Tantara 19:11)

11. Nahoana i Paoly no nanoro hevitra an’i Timoty mba hanazatra ny tenany? (1 Timoty 4:7)

12. Iza ilay Farao resin’i Nebokadnezara tao Karkemisy, tamin’ny andron’i Joiakima mpanjakan’ny Joda? (Jeremia 46:2)

13. Nisoroka zava-dratsy inona i Davida noho ny fahendren’i Abigaila? (1 Samoela 25:31)

14. Nahoana ny bokin’ny Ohabolana no mananatra antsika tsy ho any an-tranon’olona matetika loatra? (Ohabolana 25:17)

15. Inona ilay rantsambatana tokony hofehezina, hoy i Petera, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah? (1 Petera 3:10-12)

16. Inona ilay biby natao fanatitra tamin’ny nanokanana an’i Arona sy ny zanany ho mpisorona? (Levitikosy 8:22-28)

17. Nahoana ny Israelita no tsy navelan’Andriamanitra hanao tombokavatsa tamin’ny tenany? (Levitikosy 19:28)

18. Inona no anarana nomen’i Jakoba an’ilay toerana nanaovan’izy sy Labana fifanekem-pihavanana? (Genesisy 31:43-53)

19. Inona no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy? (Jaona 2:7-11)

Valin’ny Fanontaniana

1. Ny santatry ny voaloham-bokatra

2. Goga

3. Feliksa mpitondra an’i Jodia

4. “Maloto e! maloto e!”

5. Nanorina tsangambato teo amboniny izy

6. Satria nivadika tamin’ny fifanekena nifanaovany taminy izy ireo

7.“Avy eto an-tany sy araka ny nofo ary araka ny demonia”

8. Almoga

9. I Hazaela ho mpanjakan’i Syria, sy Jeho ho mpanjakan’ny Israely, ary Elisa ho mpaminany handimby azy

10. Amaria

11. Mba hananany “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra”

12. Neko

13. Trosan-dra

14. Sao ho leo izy ka hankahala antsika

15. Ny lela

16. Ondrilahy

17. Mba hanavahana azy ireo amin’ny firenen-kafa sy hampiekena azy ireo fa tokony hohajainy ny vatany, satria noforonina mba hiderana an’Andriamanitra

18. Galeda (Gileada tatỳ aoriana)

19. Fanovana ny rano ho divay