Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Foana ve ny Tahotra Indray Andro Any?

Ho Foana ve ny Tahotra Indray Andro Any?

Ho Foana ve ny Tahotra Indray Andro Any?

HO AFAKA tanteraka amin’ny tahotra ve isika, raha mbola eto amin’ity tontolo mampidi-doza ity? Tsia. Mety hiharan-doza, na dia ny olona mino an’Andriamanitra aza, ka mitebiteby koa. Nitantara, ohatra, ilay apostoly nitety tany maro, antsoina hoe Paoly, fa efa vaky sambo izy, ary efa saika nahita loza tamin’ny renirano sy tamin’ny jiolahy ary tao an-tanàna. (2 Korintianina 11:25-28) Tsy maintsy miatrika toe-javatra mampidi-doza koa ny ankamaroantsika.

Azontsika atao anefa ny mitandrina tsara. Raha manao izany isika, dia hihena ny loza mety hanjo antsika, ka tsy hitebiteby firy isika. Hoy ny Baiboly: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohabolana 22:3) Inona no fepetra sasany azo raisina?

Mitandrema

Efa ela ny Baiboly no nosoratana, nefa mahavariana fa misy toro lalana maro, mbola afaka manampy antsika hisoroka loza ao amin’izy io. Izao, ohatra, no voalaza ao: “Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ny maizina.” (Mpitoriteny 2:14) Tsara ny mijery hoe iza no eo amin’ny manodidina anao. Aleo koa tsy mankany amin’ny toerana maizimaizina, raha mbola azo atao. Azonao atao angamba ny manaraka arabe misy jiro, rehefa mody, na dia lavitra kokoa aza ilay izy. Hoy koa ny Baiboly: “Tsara ny roa noho ny iray ... Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory.” (Mpitoriteny 4:9, 12) Raha any amin’ny faritra mampidi-doza ianao no mipetraka, nahoana raha mitady olona hiarahana mody?

Raha sakanan’ny mpanendaka ianao, dia tadidio fa ny aina no sarobidy kokoa noho ny fananana. (Matio 16:26) Tsara hotadidina koa fa tsy ampoizina ny fihetsiky ny vahoaka midina an-dalambe, mba haneho ny fahatezerany. Mety hirotaka izy ireo.—Eksodosy 23:2.

Tsara ny mandà avy hatrany raha misy manadala anao, ka manao vazivazy vetaveta aminao, na manasa anao an-kolaka hanao firaisana aminy, na manandrana mikitikitika anao. Aoka ianao ho hentitra. Mila miala eo amin’ilay toerana angamba ianao, toy ny nataon’i Josefa rehefa nisy vehivavy ratsy fitondran-tena nisambotra azy. “Nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.” (Genesisy 39:12) Raha tsy afa-miala ianao, dia afaka milaza hoe: “Mba mipetraha tsara!”, na “Aza mikitikitika!”, na “Tsy tiako izany zavatra resahinao izany.” Raha azo atao, dia aza mankany amin’ny toerana be mpanadala vehivavy.

Fomba iatrehana ny tahotra ao an-trano

Inona no azonao atao raha mamono anao matetika ny vadinao, ka matahotra azy ianao? Tsara angamba ny mitady mialoha izay fomba handosirana, raha sanatria mamono indray izy, ka hatahoranao handratra na hahafaty anao sy ny zanakao. * Tantarain’ny Baiboly fa nitady mialoha izay fomba handosirana i Jakoba, raha sanatria nahery setra i Esao rahalahiny. Hita fa hevitra tsara ilay izy, na dia tsy nilaina aza. (Genesisy 32:7-9) Mila eritreretinao koa angamba hoe iza no olona afaka mandray anao. Azonao iarahana midinika mialoha aminy ny zavatra mety hilainao. Tsara koa raha atao mora raisina ny antontan-taratasy sy zavatra hafa tena ilaina.

Azo atao koa ny mitaraina any amin’ny manam-pahefana sy mangataka azy ireo hiaro anao. * Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy mijinja izay nafafiny ny olon-drehetra. (Galatianina 6:7) Izao no lazainy momba ny manam-pahefana: “Mpanompon’Andriamanitra hitondra soa ho anao izy. Raha manao ratsy anefa ianao, dia matahora.” (Romanina 13:4) Heloka bevava foana ny famonoana, na ao an-trano ilay izy no atao na eny amin’ny arabe. Heloka bevava koa any amin’ny tany maro, ny fanarahana ny vady efa nisintaka.

Mety hihena ny tahotrao, raha mandray ireo fepetra ireo ianao. Tsy torohevitra mahasoa ihany anefa no omen’ny Baiboly. Boky ahitana faminaniana marina koa izy io. Lazainy izay ataon’Andriamanitra ankehitriny sy mbola hataony amin’ny hoavy. Inona no fampanantenana omen’ny Baiboly ny olona miaina ao anatin’ny tahotra?

Nahoana no manjaka ny tahotra?

Tsara homarihina fa nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ... tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara.” (2 Timoty 3:1-3) Tena fotoana mampahatahotra tokoa izany!

Hoy i Jesosy rehefa niresaka momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa. Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona, ary hisy famantarana lehibe avy any an-danitra.” (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11) Tsy tokony hahagaga antsika àry ireo “zavatra mampahatahotra” hitantsika ankehitriny, ka mahatonga ny tahotra hanjaka. Inona anefa no dikan’izy ireny?

Hoy i Jesosy: ‘Rehefa hitanareo fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 21:31) Afaka manantena isika ankehitriny fa hanjaka avy any an-danitra amin’ny olombelona rehetra ny fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Hanao ahoana ny fiainana amin’izay?

Tsy hisy intsony ny tahotra!

Milaza ny Baiboly fa hanjaka ny fiadanana amin’ny hoavy, satria tsy hisy intsony ny ady sy ny mpanao ratsy. Olona tia an’Andriamanitra sisa no ho eto an-tany. Nanoratra koa i Petera, apostolin’i Jesosy, fa hisy “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” amin’ny hoavy. Tsy hisy olon-dratsy hatahorana intsony aorian’izay, satria “hitoeran’ny fahamarinana” eto an-tany. (2 Petera 3:7, 9, 13) Alao sary an-tsaina hoe olona mendri-pitokisana sy tena mifankatia daholo no manodidina anao! Azo antoka fa hilamina ny sainao. Manana izany fanantenana izany isika, ka lasa miova ny fahitantsika izao fotoana mampidi-doza izao. Fantatsika mantsy fa tsy hitohy mandrakizay izao.—Salamo 37:9-11.

Izao no nasaina nolazain’ny mpaminanin’i Jehovah amin’ny olona mitebiteby: “Lazao amin’izay reraka am-po hoe: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.” (Isaia 35:4) Afaka mibanjina ny hoavy amin-toky àry ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina. (Filipianina 4:6, 7) Tena mampahery an’izay miaina ao anatin’ny tahotra ny mahafantatra fa tsy hadinon’i Jehovah ilay fikasany tamin’ny voalohany hoe: Olona mahalala azy sy manahaka ny toetrany mahatehotia ihany no ho eto an-tany.—Genesisy 1:26-28; Isaia 11:9.

Fantatsika fa tsy misy na inona na inona mahasakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny fikasany feno fitiavana momba ny olombelona. (Isaia 55:10, 11; Romanina 8:35-39) Lasa misy heviny manokana amintsika àry ireo teny be mpahalala ao amin’ny Salamo manao hoe: “Jehovah no Mpiandry ahy. ... Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko.” (Salamo 23:1-4) Mety hampahatahotra kokoa izao fiainantsika izao. Efa akaiky anefa ny tontolo tsy hisy tahotra, ary tena hisy izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Raha tianao ho fantatra ireo antony ara-baiboly mety hahafahan’ny olona iray misintaka amin’ny vadiny, dia jereo ny Mifohaza! 8 Febroary 2002, pejy 10.

^ feh. 10 Misy lahatsoratra momba ny herisetra ao an-tokantrano ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2001, pejy 3-12.

[Sary, pejy 8-10]

Hanafoana tanteraka ny tahotra Andriamanitra tsy ho ela