Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba Antsika?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba Antsika?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba Antsika?

▪ Ny hiainantsika vetivety eto an-tany mandritra ny 70 na 80 taona fotsiny ve, ary ho faty avy eo? Fikasan’Andriamanitra ve ny haka ny olona tsara fanahy mba hiaina any an-danitra? Nahoana Andriamanitra no namorona ny tany? Ho fandalovana fotsiny ve?

Resahin’ilay bokikely 32 pejy hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, fa noforonin’Andriamanitra honenan’ny olombelona mandrakizay ny tany. Noforoniny hokarakaraina tsara izy io, mba ho lasa paradisa tsara tarehy. Hazavain’io bokikely io ny antony tsy nahatanteraka izany, eo ambanin’ireto lohateny ireto: “Nahoana no Maty ny Olona?” sy “Inona no Atao hoe Fahafatesana?” Resahiny ao amin’ireto lohateny ireto kosa fa mbola ho lasa paradisa tsara tarehy honenan’ny olombelona ny tany: “Nanome Mpamonjy Antsika i Jehovah” sy “Ny Famonjena Antsika Amin’ny Ota sy ny Fahafatesana.”

Misy sary 75 mahery ao amin’ilay bokikely, ary ahitana andinin-teny iray na maromaro avy ao amin’ny Baiboly miaraka aminy. Natao hanazavana ireo sary ireny andinin-teny ireny. Raha manan-janaka ianao, dia azonao ampiasaina ireo sary ireo mba hanampiana azy hianatra ny fikasan’Andriamanitra.

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.