Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kilalao Taloha sy Ankehitriny

Kilalao Taloha sy Ankehitriny

Kilalao Taloha sy Ankehitriny

FALY erỳ i Rindra * sy ny ankizy namany mijery an’ilay baolina mievotrevotra. Tady nahorongorona ilay izy, ary ry zareo ihany no nanamboatra azy. Manomboka ny lalao baolina. Mihorakoraka erỳ izy rehetra. I Fetra kosa variana, satria azony baikoina amin’ny alalan’ilay fitaovana eny an-tanany ny fiara keliny. Azony aroso sy ahemotra araka izay tiany ilay izy. I Miora sy ny ankizivavy kely namany indray, sady mampiakanjo sy mampanao kiraro ny saribakoliny no miresaka ny akanjo hanaovany rehefa lehibe.

Inona no mampitovy an’ireo ankizy ireo? Samy manana kilalao izy rehetra. Mety holalaovin’ny ankizy mandritra ny ora maro ny kilalao. Lasa namana tsy misaraka aminy sady tsy foiny ny sasany, mandra-pahalehibeny. Anisan’izany ny nonorsa. Misy mihitsy aza alaina sary, ary atao ao anaty bokin-tsarin’ny fianakaviana. Ahoana no niandohan’ny kilalao? Nahoana izy ireny no tena zava-dehibe amin’ny ankizy?

Ny niandohan’ny kilalao

Hoy ny rakipahalalana iray: “Ny kilalao dia fitaovana fampiasa rehefa milalao. Efa hatramin’ny taloha ela be no nisiany, ary firenena maro be no nanana azy. Isan-karazany izy ireny, ka misy tena tsotra, ary misy koa faran’izay be pitsiny. Hazo tsotra notsimponin’ilay ankizy fotsiny, ohatra, ny sasany, nefa ataony hoe soavaly. Ny hafa kosa sady ary fomba no be pitsiny.” Azo antsoina hoe kilalao daholo àry izay zavatra azo ampiasaina rehefa miala voly sy milalao. Azo inoana koa fa vao nisy kelikely isika olombelona, dia efa nisy ny kilalao. Voajanahary ao amintsika mantsy ny faniriana hiala voly.

Nahitana saribakoly na tapaka saribakoly, ohatra, tany amin’ny tany toa an’i Babylonia sy Ejipta fahiny. Ny saribakoly angamba no kilalao nisy voalohany indrindra. Kilalao efa ela be koa ny baolina. Tsy fantatra marina aloha hoe oviana izy io no nanomboka nisy. Nahitana vato lavalava maromaro miendrika tavoahangy anefa tao amin’ny fasan’ny ankizy ejipsianina iray fahiny. Nampiasaina tamina lalao mitovitovy amin’ny kanetibe izy ireo, ary nisy baolina vato nakorisa tany aminy, mba hampianjera azy.

Efa nisy tany Gresy ny yo-yo vita amin’ny vato, telo arivo taona mahery lasa izay. Toa nisy nanana azy ireny koa tany Chine, fahiny. Marionety sy zavatra kely vita tamin’ny ivoara kosa no kilalaon’ny ankizy romanina. Natao hampifanandrifiana sy hatambatambatra ireny ivoara kely ireny. Nilalao sariety kely koa ny ankizilahy grika sy romanina, ka manaporofo izany fa efa be mpitia hatramin’ny ela ny kilalao misy kodiarana. Misy biby vita amin’ny tanimanga, mitaingina zavatra fisaka misy kodiarana, any amin’ny tranombakoka iray. Mety ho kilalao an’ny foko meksikanina iray fahiny izy io. Mahavariana, fa tsy nahitana zavatra misy kodiarana afa-tsy io, tany amin’ny toerana nisy an’ilay foko. Nisy baolina vita tamin’ny tataviam-biby koa tamin’ny Moyen Âge, ka boribory lavalava ilay izy na boribory fotsiny. Nodakana nankany anaty harato, toy ny atao amin’ny lalao baolina ankehitriny ihany ilay izy.

Noforonina avy eo ny piozila tany Angletera, tamin’ny taonjato faha-18. Natao hampianarana izy io, ary tena lasa be mpitia tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nanomboka nalaza koa tamin’izay ny pensilihazo miloko. Orinasa iray monja tany Etazonia, dia nahavita pensilihazo miloko, miisa iray hetsy tapitrisa mahery. Efa fahiny ela be àry no nisy ny kilalao sasany hitantsika ankehitriny, ary nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona izy ireny.

Ilaina ve ny milalao sy manana kilalao?

Tena ilain’ny ankizy ny kilalao. Hoy ny boky iray manampy ny olona hifidy kilalao, momba izany: “Voajanahary amin’ny ankizy ny milalao. Manampy azy hiana-javatra betsaka, sy hitombo ara-batana sy ara-tsaina, ary hahay hifandray amin’olona izany. Raha raisina toy ny hoe asa ny lalao ho an’ny ankizy, dia azo raisina toy ny hoe fitaovam-piasany ny kilalao. Ho vitany tsara ny asany raha mety tsara ny fitaovany.”

Marina fa mahafinaritra ny mampiasa kilalao, ka izany no tena mahatonga azy ireny ho be mpitia. Mandray anjara lehibe amin’ny fitomboan’ny ankizy koa anefa ny kilalao. Manatanjaka hozatra, ohatra, ny ankizy, rehefa manosika sariety kilalao. Mianatra mandrindra ny fihetsiny izy, rehefa manao dihim-bazaha. Mianatra manao izay tsy hampianjera azy izy, rehefa mitaingina bisikileta, na manainga tongotra ilany alohan’ny handakana baolina. Mianatra mikaly sy mitandrina tsara ny zavatra ataony izy, rehefa manorina tranokely, na mandoko sary.

Inona kosa no soa entin’ny kilalao eo amin’ny sain’ny ankizy? Mihamahay miteny kokoa izy, rehefa manao lalao misy hirahira, toy ny dihim-bazaha na “Mandihiza Rahitsikitsika.” Mihamivelatra ny sainy ary mihamahay mamoron-javatra izy, rehefa manorina tranokely, na manaraka ny toromarika amina lalao, na manao piozila, na milalao tantara kely, na manao akanjo mitovy amin’ny an’ny olon-kafa sady maka tahaka ny fihetsik’izy ireny. Mitovy amin’izany koa ny soa azony, rehefa mitendry zavamaneno izy na manao asa tanana.

Zava-dehibe koa ny lalao, satria manampy ny ankizy hahay hifandray amin’ny hafa, indrindra raha lalao iarahana amin’ny ankizy maromaro ilay izy, toy ny lalao baolina. Hoy ny Pr. Bruce Perry: ‘Lasa mahafantatra tsara ny ankizy mifanerasera aminy ilay zaza, ka mety hahay hangoraka kokoa, sy tsy ho tia tena loatra. Mianatra ny fomba fifandraisana amin’olona ny ankizy, rehefa miara-milalao amin’ny namany. Anisan’izany ny fomba ifehezan-tena sy iatrehana fahadisoam-panantenana.’

Mampiasa kilalao koa ny ankizy mba hakany tahaka izay zavatra hitany ataon’ny olon-dehibe. Nilaza i Aristote, filozofa grika, fa “voajanahary amin’ny olona hatramin’ny fahazazany ny maka tahaka.” Maka tahaka ny zavatra maro fanao andavanandro tokoa ny ankizy rehefa milalao, ka avy amin’izany no ianarany azy ireny. Tsy vaovao amintsika intsony angamba ny mahita ankizivavikely mandrotsirotsy ny saribakoliny, tsy misy hafa amin’izay mety hataony amin-janany any aoriana. Ny hafa manao kivarivary miaraka amin’ny ankizy namany. Ny ankizilahy kosa manositosika “aotomobilina” eran’ny tanàna, ary manao feona maotera mihitsy aza. Efa fianarany mitondra fiara sahady izany. Misy zavatra tokony hodinihinao anefa rehefa mifidy kilalao ho an-janakao ianao. Nahoana?

Fidio tsara ny kilalao

“Mampirisika ny ankizy ho tia herisetra sy handika lalàna izao ny kilalao”, hoy ny gazety iray mpivoaka isan’andro any Londres. Marina fa tsy ny kilalao rehetra no toy izany. Resahin’ny lahatsoratra tao amin’ny gazety meksikanina La Jornada anefa, fa mihavitsy hatrany izao ny kilalao tsotra. Mihabetsaka kosa ny kilalao “sampontsampona sy bokon’ozatra ... ary masiaka endrika.” Naverin’io gazety io koa ny tenin’i Patricia Ehrlich, mpampianatra sy mpikaroka any amin’ny Oniversite Mizaka Tenan’i Xochimilco. Nilaza izy fa mampirisika ny ankizy hifehy ny namany amin’ny alalan’ny herisetra sy ny fampijaliana ary ny hery, ny kilalao maro eny an-tsena, mba hahatonga azy ireny hanaiky ho resy sy hatahotra.

Milaza ny Fikambanan’ny Psikology Mitsabo ny Mpianatra Amerikanina fa “mety hisy vokany ratsy eo amin’ny fianaran’ny ankizy sy ny fitomboany” ny kilalao mampirisika azy hahery setra, ka “mety hanimba azy.” Hita tamin’ny fandinihana natao fa mahatonga ny ankizy hahery setra sy haditra ny lalao video na lalao amin’ny ordinatera misy herisetra. Tokony hieritreritra tsara àry izay olon-dehibe manabe ankizy, rehefa mifidy kilalao ho azy ireo.—Jereo ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-26.

Mandroso be izao ny teknolojia, ka be dia be mihitsy ny kilalao, sady tena ary fomba ny sasany. Mety tsy ho takatry ny vola anefa izy ireny, na mora mankaleo an’ilay ankizy, na koa tsy mahasoa azy tsotra izao. Hoy i Leanne, reny aostralianina tokan-tena, manan-janaka dimy: “Voasariky ny dokam-barotra ny zanako lahy, ka mangataka foana ny hividianana lalao lafo vidy amin’ny ordinatera. Toa tamana kokoa any an-tokotany sy mampiasa vatana ela kokoa anefa ry zareo, rehefa milalao hazo fikapoham-baolina sy baolina fingotra tsy dia lafo. Ny kilalao tsotra ihany no hitako hoe maharitra ela indrindra, sy tena manampy ny zanako hampiasa saina.”

Maninona raha ianao ihany no manamboatra kilalao ho anao?

Raha ankizy ianao, nefa tsy mahavidy ny kilalao ary fomba indrindra, dia aza malahelo. Afaka mampiasa ny sainao ianao, ka manamboatra kilalao ho anao. Be dia be ny ankizy eran-tany manamboatra ny kilalaony.

Jereo ireo ankizy eo amin’ny sary etsy aloha. Faly erỳ izy rehetra, sa tsy izany? Tsy mora ny manamboatra ny sasany amin’ireo “fiara” ireo. Tsy maintsy manangona tariby, ohatra, ianao, ary mamoritra izany ho araka izay bikany tadiavinao. Fingotra na plastika kosa, dia efa azo atao pne. Tapahina ho boribory fotsiny ilay izy. Ahoana no fahitanao an’io lamasinina vita amin’ny tavoahangin-dronono sy zava-pisotro io? Ary ilay kamiao vita amin’ny hazo? Azo itaingenana mihitsy aza ny sasany, hoatran’io skotera afrikanina namboarina tao an-trano io. Samy nahita daholo ireo ankizy ireo fa tsy ny kilalao lafo ihany no mahafinaritra. Ny manamboatra kilalao mihitsy dia efa mahafinaritra. Maninona raha manandrana manamboatra kilalao ho anao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Ny kilalao tsara dia...

● Mety tsara amin’ny taonan’ilay ankizy sy ny fahaizany

● Vita tsara sy mafy (tia mandrava zavatra ny ankizy)

● Manintona sy mahaliana azy

● Mahatonga azy ho tia mampiasa saina sy mamoron-javatra

● Takatry ny vola

● Tsy misy poizina

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Mba Hisorohana Loza, dia...

● Aza atao amin’ny toerana takatry ny ankizikely ny kilalao natao ho an’ny ankizy lehibe

● Vakio tsara (miaraka amin’ny zanakao, raha mety) ny toromarika rehetra momba ilay kilalao

● Ampianaro an’ilay ankizy sy ny namany ny fomba fampiasa sy fampirimana tsara ny kilalao

● Aza mividy kilalao mamoaka feo mafy, fa mety hanimba sofina

● Jereo matetika ny kilalao, sao misy simba ka tokony hamboarina na hariana avy hatrany

● Ny ankizy lehibe ihany no tokony hampiasa kilalao atahorana hampidi-doza, toy ny kilalao fitifiran-javatra, fitaovana maranitra, na kilalao elektrika. Asio olon-dehibe manara-maso anefa

● Aza atao amin’ny toerana takatry ny ankizikely ny kilalao atahorana ho voateliny

[Sary, pejy 24]

Liona sy sokina eo ambony zavatra fisaka misy kodiarana, arivo taona faharoa T.K., Iran

[Sary nahazoan-dalana]

Liona sy sokina: Erich Lessing/Art Resource, NY

[Sary, pejy 25]

Saribakoly tanimanga, taona 600 T.K. tany ho any, Italia

[Sary, pejy 25]

Tandrimo, taona 480 T.K. tany ho any, Gresy

[Sary, pejy 25]

Saribakoly taolan-katsaka, Amerika tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany

[Sary, pejy 25]

Pensilihazo miloko, tany am-piandohan’ireo taona 1900, Etazonia

[Sary, pejy 26]

Ankizy miaraka amin’ny kilalao namboarina tao an-trano

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Saribakoly tanimanga: Erich Lessing/Art Resource, NY; ambony: Réunion des Musées Nationaux/Art Resource, NY; saribakoly taolan-katsaka: Art Resource, NY