Miaina ao Anatin’ny Tahotra
Miaina ao Anatin’ny Tahotra
MATAHOTRA hiteny amin’ny vadiny i Roxana * hoe te hiasa tapa-potoana. Novonoin’ny vadiny mantsy izy, tamin’izy nangataka saran-dalana handehanany hitsidika ny reniny. Mafy loatra ilay vono, ka tsy maintsy notsaboina izy. Lasa matahotra foana izy.
Navelan’i Rolando nandeha fiara fitaterana foana taloha ny vadiny, rehefa nody alina. Alainy amin’ny fiara kosa izy izao. Be loatra ny herisetra henony eo amin’ny manodidina, ka matahotra izy sao hiharan’izany koa ny vadiny.
Vehivavy miasa any an-drenivohitra i Haidé. Sendra tafaharo tamin’ny mpanao fihetsiketsehana izy indray andro, tamin’izy handeha hody. Nivadika ho rotaka anefa ilay fihetsiketsehana. Mitebiteby foana izy izao isaky ny misy mpanao fihetsiketsehana mandalo. “Matahotra aho”, hoy izy. “Tsy te hiasa eto intsony aho, saingy tsy afa-manoatra.”
Samy matahotra na i Roxana na i Rolando na i Haidé. Tsy rehefa misy loza ihany anefa, fa isan’andro mihitsy. Mety ho reraka tsikelikely ny olona miaina ao anatin’ny tahotra. Mety tsy ho falifaly intsony izy, ka tsy ho afaka hamita ny zavatra tiany hatao. Mety hibahana loatra ao an-tsainy koa ny tahotra, ka tsy ahafahany mifantoka amin-javatra hafa.
Mitaintaina be ny olona toy izany. Lasa mamoy fo izy matetika, ary mety harary mihitsy. Izao no fanazavan’ny gazety iray momba ny fitsaboana: “Mampihena ny hery fanefitra ny fitaintainana. Izy io koa no mahatonga ny ankamaroan’ny aretina. Hihasimba ny vatana, indrindra fa ny taova sasany. Mety hiakatra ny tosidra, harary ny fo, ny voa, ny tsinay, ny vavony, ary ny loha. Mety hisy fery koa ilay olona, na tsy hahita tory, na hamoy fo, na hitebiteby. Raha mitohy izany, dia tsy hisy hery intsony ao aminy.”
Fahita ankehitriny ny olona miaina ao anatin’ny tahotra. Ho foana ve izany indray andro any?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.