Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahasarika Ahy ho Amin’ny Mpamorona ny Hakanton’ny Fahamarinana

Nahasarika Ahy ho Amin’ny Mpamorona ny Hakanton’ny Fahamarinana

Nahasarika Ahy ho Amin’ny Mpamorona ny Hakanton’ny Fahamarinana

NOTANTARAIN’I TSUYOSHI FUJII

NAHAZO tombontsoa tsy fahita firy aho, taona vitsivitsy lasa izay. Nasaina nandravaka voninkazo ny efitra iray tsara tarehy tao amin’ny Lapam-panjakana ao Tokyo, eto Japon aho. Mpiara-miasa akaiky tamin’i Senei Ikenobo mantsy aho. Talen’ny sekoly Ikenobo, fianarana mandamina fehezam-boninkazo, izy. Narahi-maso akaiky izahay ka natahotahotra. Nitandrina àry aho mba tsy handraraka rano na dia indray mitete aza. Anisan’ny zavatra niavaka teo amin’ny asako iny, fa hohazavaiko aminareo aloha izay nahatonga ahy ho matihanina, teo amin’ny sehatry ny fandaminana fehezam-boninkazo.

Teraka tao Nishiwaki, any avaratrandrefan’i Kobe, eto Japon aho tamin’ny 1948. Nihetsi-po erỳ aho hatramin’ny mbola kely rehefa nahita ireo voninkazo, mampiseho ny hakanton’ny fiovan’ny fizaran-taona efatra. Tsy tao an-tsaiko mihitsy anefa ny momba ny Mpamorona iray, satria Bodista nafana fo ny renibeko nitaiza ahy.

Mpampianatra ikebana, na fomba fandaminana fehezam-boninkazo, i Neny tamin’izany. Mbola mampianatra izany ao amin’ny tanàna niavianay izy hatramin’izao. Sampam-pianarana tena hajain’ny Japoney ny ikebana na kado (fikirakirana voninkazo). Tsy nampianatra ahy an’io zavakanto io mihitsy i Neny, nefa tena nisy heriny teo amiko ny fahaizany azy io. Nanapa-kevitra àry aho fa io no hataoko anton’asa. Nampirisika ahy hianatra tany amin’ny oniversite hafa i Neny sy ny mpampianatra ahy, nefa naleoko nianatra tany amin’ny Oniversite Ikenobo. Ny ikenobo no tranainy indrindra amin’ny fomba fanaovana ikebana eto Japon. Nifantoka tanteraka tamin’ny fianarana mandamina fehezam-boninkazo aho, rehefa voaray tao amin’ilay oniversite.

Nanomboka nianatra ikebana

Zavakanto nentim-paharazana japoney ny ikebana. Manasongadina ny fisian’ny fiainana izy io. Aleo hohazavaiko ny amin’izany. Mety ho tsara tarehy ny fahitana ireo voninkazo ao anaty vazy eny amin’ny mpivaro-boninkazo. Inona anefa no mampiavaka ireo voninkazo madinika eny an-tsaha, na ireo hazo mamelana eny an-tendrombohitra? Eny ianao no mahatsapa fa misy ny fiainana sy ny fizaran-taona. Azo inoana fa hampihetsi-po anao kokoa ny zavatra hitanao amin’ireny fotoana ireny. Fomba anehoana izany hakanton’ny natiora izany ny ikebana, satria voninkazo sy zavamaniry no ampiasaina, mba hanehoana izay tena mampihetsi-po anao.

Aoka hatao hoe ny fararano no tianao haseho. Ravinkazo sy voninkazo misy amin’io fizaran-taona io ampiasaina. Tianao hampiana zavatra hafa ve ilay izy, mba ho toy ny hoe handre tsio-drivotra malefaky ny fararano, ny mpitazana? Asio bozaka lavalava somary milofika toy ny notsofin’ny rivotra àry ilay izy. Tena tiako ny ikebana. Mahafinaritra ahy erỳ ny mandamina ireo voninkazo sy zavamaniry ao anaty vazy, mba hanehoako izay tsapako.

‘Fianakaviambe’

Efa 500 taona lasa izay no nampiasana ny ikebana tamin’ny fandravahana. Ary ahoana no fomba itantanana ireo sekoly mampianatra ikebana? Ny zanaky ny tale ihany no mandimby azy. Mpandova ilay zavakanto nentim-paharazana izy, ka manana fahefana toy ny ray eo amin’ny ‘fianakaviamben’ny’ mpanao ikebana. Tokony hampita ireo fomba nentim-paharazana amin’ny taranaka manaraka izy, sady hamorona sy hampianatra fomba vaovao mifanaraka amin’ny toetrandro.

Nanomboka niasa tao amin’ny Fikambanana Ikenobo aho tamin’ny Janoary 1971, rehefa nahazo diplaoma tao amin’ny Oniversite Ikenobo sy nianatra fomba fanaovana kado, nandritra ny roa taona. Nandamina fampirantiana ikebana nanerana an’i Japon aho, rehefa nanao izany ilay fikambanana. Nitety an’i Japon koa izahay sy ny tale, amin’ny maha mpiara-miasa akaiky anay, mba hampiseho ireo zavakanto noforoniny.

Mbola tsaroako ny fotoana voalohany indrindra nijoroako teo amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena tao Fukuoka. Nanampy an’ilay tale hampiseho fomba fandaminana fehezam-boninkazo aho. Olona an’arivony no nijery, ka nipararetra aho. Tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny izay nataoko. Nofolahiko sy notapahiko indray ireo taho. Tsara fanahy anefa ilay tale, ary nataony vazivazy ireny fahadisoako ireny, rehefa nanazava izay nataony tamin’ny mpijery izy. Nanampy ahy ho tony izany.

Niaraka tamin’ny tale nandravaka ireo toerana nandraisana olo-malaza avy any ivelany aho, rehefa nisy fisehoan-javatra niavaka teto Japon. Anisan’izany ilay tao amin’ny Lapam-panjakana notantaraiko terỳ aloha.

Nisy Foibe Fampiofanana Ikenobo naorina tatỳ aoriana. Natao hampiofanana ireo mpampianatra ikebana nanerana an’i Japon izy io. Nasaina nikarakara ilay fampiofanana aho, ka nanao lisitra ny zavatra hampianarina. Nanara-maso ny fanamboarana ireo boky sy horonan-tsary, nisy ny lesona ho an’ireo mpiofana 200 000 teo ho eo koa aho. Tany amin’ireo sampana 300 nanerana an’i Japon no nisy azy ireo. Nanara-maso ilay fampiofanana nanerana an’i Japon aho. Misy sampan’ilay foibe koa any ivelany, ka imbetsaka aho no nankany Taïwan isan-taona. Nanjary natoky ahy ny tale, ary nanankina andraikitra lehibe tamiko izy.

Nahafinaritra ahy ny asako, nefa tsy tena nahafa-po ahy ny fiainako. Nisy zavatra nandiso fanantenana ahy, na dia nifantoka tamin’ny hakanton’ny voninkazo foana aza ny zavatra nataoko. Imbetsaka ireo mpampiofana no nangataka torohevitra tamiko. Nifanaratsy noho ny fialonana sy ny fitsiriritana mantsy ireo mpiofana. Voafetra ihany anefa ny zavatra azoko natao, noho ny fahefan’ireo mpitantana sy ny fomba nentim-paharazana narahin’ilay fikambanana. Maro anefa no tena tia ikebana sy nianatra tsara, ka niezaka nanao izay vitako aho mba hankafizan’izy ireo an’ilay fianarana.

Ny voalohany nahitako ny hakanton’ny fahamarinana

Tsy tia fivavahana aho satria nihevitra fa mahatonga ny olona ho tery saina izy io. Hitako koa fa mihatsaravelatsihy loatra ireo miresaka fiadanana sy fahasambarana. Efa nitady ny fahamarinana hatramin’ny mbola kely anefa i Keiko vadiko. Liana tamin’ny fivavahana isan-karazany izy, ary nihaino ny fampianaran’izy ireny. Tsy nanampy azy hahafantatra an’Andriamanitra anefa ireny, ka tsy afa-po izy.

Nanaiky hianatra Baiboly àry i Keiko, rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao an-tranonay. Notantarainy tamiko daholo izay nianarany sy nahaliana azy. Nahafinaritra ahy ny zavatra notantarainy, nefa tsy narisika tahaka azy aho.

Tena ninoan’i Keiko anefa izay nianarany tao amin’ny Baiboly, ary noresahiny tamiko foana. Nasiany gazety ara-baiboly roa foana tao anaty kitapoko rehefa nanao dia lavitra aho. Tsy namaky azy ireny mihitsy anefa aho, satria saro-piaro tamin’ny asako sy ny fahombiazako. Vao avy nividy ny tranonay izahay, ary natahotra aho sao hamoy azy io raha mianatra Baiboly. Nandroso haingana anefa i Keiko sady nampihatra izay ninoany. Nahatsiaro ho nanirery aho. Nanomboka nanohitra azy àry aho, na dia fantatro aza fa marina izay nolazainy.

Nanohitra nefa tia ny fahamarinana ihany

Alina be foana aho vao tafody isaky ny avy niasa. Nanao fanahy iniana nody alina kokoa anefa aho, rehefa nivory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Keiko. Niahy ahy kosa izy ka niandry ahy hatramin’ny roa na amin’ny telo maraina. Notantarainy tamiko izay nitranga nandritra ny andro. Tsy tantiko anefa izany hoe handeha hanatrika fivoriana kristianina mandritra ny ora vitsivitsy izany ny fianakaviako. Vao mainka nanohitra àry aho, ary nanomboka niresaka fisaraham-panambadiana. Tsy nivadika mihitsy anefa i Keiko.

Tsy azoko mihitsy ny fihetsiny, ka sahiran-tsaina aho. Nahafaly azy foana izay nataony, nefa nisy olana ny fifandraisanay, ary nijaly noho ny asma izy. Olona tsotra sy malemy paika izy, ka izany no nahatonga ahy ho tia azy. Natahotra àry aho sao ho voafitaka izy, rehefa nanomboka nianatra Baiboly.

Nampihatra izay nianarany anefa i Keiko sady niezaka ny ho tonga vady sy reny mahafatra-po. Niangavy ahy hanatrika fivoriana sy fivoriambe kristianina izy, fa tsy nanaiky aho. Nandeha ihany anefa aho indraindray, satria angamba nirehareha ny aminy.

Nanjary nialona an’i Jehovah aho. Nahita ny fiovana nataon’ny vadiko mantsy aho, ka lasa saina hoe nahoana no misy heriny lalina toy izany ny fampianaran’ny Baiboly. Hoy aho: ‘Nahoana àry ny vadiko no vonona hiaritra izao zava-tsarotra rehetra izao ho an’i Jehovah?’

Tsy ela dia nisy rahalahy kristianina avy tao amin’ny fiangonan-dry Keiko naniry hitsidika ahy. Tsy te hihaona tamin’izy ireo aho, nefa tiako ho fantatra hoe nahoana i Keiko no tena nilamin-tsaina. Tsy aritro intsony tamin’ny farany, ka nanaiky hianatra Baiboly ihany aho. Tsapako fa namelombelona ahy ny niaraka tamin’ireo Vavolombelona, arakaraka ny nifankazarako taminy. Nilentika tsikelikely tao am-poko ny fahamarinana ara-baiboly ary nihanalala-tsaina aho, rehefa nianatra Baiboly isan-kerinandro.

Ny hakanton’ny natiora sy ny fahamarinana

Sahirana erỳ aho naneho ny hatsaran’ny natiora, rehefa niezaka namoaka ny hakantony sy ny heriny tamin’ny alalan’ny ikebana. Tena tonga saina aho rehefa nianatra fa i Jehovah no namorona ireo zava-mahatalanjona eny amin’ny natiora. Tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy raha ny hifaninana amin’ny Mpamorona! Mpanakanto Faran’izay Mahay izy! Nanjary nahay nandamina fehezam-boninkazo kokoa aho rehefa naka tahaka azy. Hitan’ny olona ho niova àry ny asako rehefa nianatra Baiboly aho. Nilaza izy ireo fa nanjary nisy hatsaram-panahy izany fa tsy hery fotsiny.

Nanampy ahy hahafantatra zavatra maro ny fahamarinana ara-baiboly. Takatro tamin’ny farany ny tena dikan’ny zava-mitranga manodidina antsika. Nianarako mantsy fa i Satana Devoly no mpitondra an’izao tontolo izao, ka izy no mahatonga ny olona hijaly. Mamitaka koa ny fontsika, noho ny ota nolovana tamin’i Adama. (Jeremia 17:9; 1 Jaona 5:19) Nianarako fa tia fiadanana i Jehovah, be fitiavana, tia rariny, mahery, ary hendry. (Deoteronomia 32:4; Romanina 11:33; 1 Jaona 4:8; Apokalypsy 11:17) Tia antsika izy ka nirahiny ho faty ho antsika i Jesosy. (Jaona 3:16; 2 Korintianina 5:14) Ary ho avy ny fotoana tsy hisian’ny fijaliana sy ny fahafatesana intsony. (Apokalypsy 21:4) Tena nahasarika ahy ny hakanton’ireny fahamarinana ireny. Niaiky koa aho fa ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana marina, satria hitako mihitsy ny fampiharan’izy ireo ilay fampianaran’i Jesosy hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Matio 22:39.

Vato misakana tsy maintsy noresena

Niatrika zava-tsarotra aho, arakaraka ny nahalalim-paka ny fahamarinana tao am-poko. Matetika aho no nisolo tena ny tale tany amin’ny fandevenana nisy fombafomba bodista, rehefa tsy afaka izy. Nanjary fitsapana ho ahy izany rehefa naniry hanolo-tena ho an’i Jehovah aho. Nanapa-kevitra ny tsy handray anjara tamin’ireny fombafomba ireny àry aho. (1 Korintianina 10:21) Nanazava tamim-panajana tamin’ny tale aho, fa te hatao batisa tsy ho ela. Nilaza taminy koa aho fa tapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny fombafomban’ny fivavahana hafa, na dia anisan’ny asako aza izany. Nilaza tamiko izy fa tsy nampaninona azy mihitsy na dia lasa Kristianina aza aho, ary afaka manao izay tiako eo amin’ny resaka fivavahana aho. Gaga sady faly aho tamin’ny valin-teniny, satria nieritreritra aho hoe ho tezitra sy handroaka ahy amin’ny asako izy.

Resy ihany ilay vato nisakana! Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho ary natao batisa nandritra ny fivoriambe kristianina tamin’ny Jona 1983, herintaona taorian’ny nianarako Baiboly. Endrika feno tsiky sy ranomaso no nitsenan’i Keiko ahy rehefa nivoaka ny dobo fanaovana batisa aho. Nirotsaka koa ny ranomasoko, ary nisaotra an’i Jehovah aho noho ny fahasambaranay.

Niala tamin’ny asako aho

Nahatakatra tsara ilay tale fa Kristianina vita fanoloran-tena aho. Niasa tsara kokoa noho ny taloha mihitsy aza aho. Niezaka anefa aho hampifandanja ny asako sy ny fiainako kristianina. Tao anatin’ny fito taona, dia nandray anjara bebe kokoa tamin’ny fanompoana kristianina aho nandritra ny volana maromaro, isan-taona.

Tsy maintsy nieritreritra tsara aho satria niharatsy ny fahasalaman’i Keiko, sady te hanampy an’ilay zanakay lahy ho lasa Kristianina matotra aho. Nihevitra aho fa tokony hanokana fotoana bebe kokoa ho an’ny fianakaviako. Tiako hatao loha laharana eo amin’ny fiainako foana koa ny fitoriana sy fampianarana ilay Fanjakana. Ireo faniriako sy zavatra tokony hataoko ireo no nahatonga ahy hivavaka tamin’i Jehovah momba ny hialako amin’ny asako. Hitan’ny tale fa tapa-kevitra aho, ary tsy nisy olana fa afaka nangataka fisotroan-dronono aho tamin’ny Jolay 1990, tamin’izaho 42 taona.

Manampy ny hafa hahita ny hakanton’ny fahamarinana

Tsy ela taorian’izay, dia nanomboka nanompo manontolo andro aho, mba hanampiana ny hafa hahita ny fahamarinana. Mampianatra fomba fandaminana fehezam-boninkazo aho indray mandeha isan-kerinandro, ary tsy voatery manaraka ny fomba fiasa ikenobo intsony. Anti-panahin’ny fiangonana aho, ary mpisava lalana i Keiko. Efa tsy mihetsika loatra intsony koa ilay asma. Efa manambady izao ny zanakay lahy, ary mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny fiangonana akaikin’ny misy anay izy. Tombontsoa sarobidy ho anay mianakavy tokoa ny miara-manompo an’i Jehovah!

Tsy andriko erỳ ny hiotazako ireo voninkazo eo an-jaridainako mba hanamboarana fehezana tsara tarehy, rehefa ho Mpanjakan’ny tany i Jesosy Kristy. Tena faniriako ny hiarahanay mianakavy hidera mandrakizay ny anarana mahatalanjon’i Jehovah, ilay Mpamorona ny zavatra kanto rehetra.

[Sary, pejy 23]

Ahafahanao maneho ny hakanton’ny natiora ny “ikebana”

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’ny vadiko sy ny zanako lahy ary ny vady aman-janany