Nahoana Aho no Voasariky ny Naman-dratsy?
Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana Aho no Voasariky ny Naman-dratsy?
“Fantatro fa tsy tokony ho nifankazatra be taminy aho, nefa navelako hitranga izany. Tsy nampino ahy hoe te hiaraka tamiko ilay ankizilahy.”—Narindra. *
“Nandeha irery nilalao tany amin’ny toerana fikorisana amin’ny kiraro misy kodiarana aho, ary nanomboka niaraka tsy tapaka tamin’ireo ‘namana’ tany. Tsy ela dia niharatsy ny fitondran-tenako.”—Doda.
SAMY Kristianina nazoto tsara na i Narindra na i Doda, tamin’ny voalohany. Matahotra an’Andriamanitra ny fianakavian-dry Narindra, ary sivy taona izy dia efa niresaka ny zavatra ninoany tamin’ny hafa. I Doda indray mbola zatovo no nanomboka nanao fanompoana manontolo andro. Lasa tsy narisika nanompo an’Andriamanitra intsony anefa izy ireo. Nahoana? Satria niaraka tamin’ny naman-dratsy.
Moa ve ianao efa voasarika tsy nahy ho amin’ny olona fantatrao fa hitarika anao hanao ratsy? Nety ho mpiara-mianatra izany, ary nitovy ny zavatra nahaliana anareo. Na nety ho olona naharaiki-pitia anao mihitsy aza ilay izy.
Tadidinao angamba ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Naman-dratsy daholo anefa ve izay tsy manompo an’i Jehovah? Ahoana raha manana toetra tsara sy mendrika mihitsy izy ireo? Ahoana indray raha mpiray finoana aminao izy, nefa tsy fakan-tahaka? Hamaly ireo fanontaniana ireo isika, nefa hodinihintsika aloha hoe ahoana no mety hahatonga antsika ho voasarika ho amin’ny namana toy izany.
Inona no mahatonga ny tanora ho voasarika?
Noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra daholo ny olona. Tsy mahagaga àry raha misy olona tsara toetra, nefa tsy mahalala an’i Jehovah. Izany no mety hahatonga anao hahita olona tsy manompo an’ilay Andriamanitra marina, nefa tsara laza, na mahafinaritra mihitsy aza. Tokony hihatakataka amin’izy ireny ve ianao, satria fotsiny hoe tsy mahalala ny fahamarinana ara-baiboly izy? Tsy izany velively. Manoro hevitra antsika ny Baiboly mba “hanao soa amin’ny rehetra”, ary anisan’izany ireo tsy mitovy finoana amintsika. (Galatianina 6:10) Ny hoe mifidy tsara ny namanao akaiky àry, dia tsy midika hoe tokony hanambony tena ianao. (Ohabolana 8:13; Galatianina 6:3) Hokianin’ny olona ny finoanao kristianina raha manao izany ianao.
Tsy tsara fanahy fotsiny anefa ny tanora kristianina sasany, fa mifanerasera loatra amin’ny
olona tsy dia liana amin’ny fahamarinana ara-baiboly, na tsy liana mihitsy. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ireo niaraka tsy tapaka tamin’i Doda, tany amin’ilay toerana filalaovana, voaresaka terỳ aloha. Nanjary tena nahay nikorisa tamin’ny kiraro misy kodiarana izy, nefa lasa ratsy fitondran-tena sy nidoroka zava-mahadomelina niaraka tamin’ny ‘namany’ vaovao. Tsy nitory sy tsy nivory intsony izy, rehefa hitany fa tsy mety amin’ny Kristianina ny fomba fiainany. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana izy vao nanana herim-po hiovana, mba hiverenana amin’ny fivavahana marina indray.Voasarika ho amin’ny ankizivavy kristianina nalemy finoana kosa i Melanie. Hoy izy: “Nisy nilaza tamiko fa nila fankaherezana izy, ka nanomboka nifanerasera taminy aho.” Marina fa mampirisika ny Kristianina “hanohana ny malemy”, ny Baiboly. (1 Tesalonianina 5:14) Nanomboka nandeha tany amin’ny bara niaraka tamin’ilay namany vaovao anefa i Melanie. Nahazo namana hafa indray izy tany, ary nitarika azy hanao zavatra nanala baraka ireny.
Misy vokany ny fiainam-pianakaviana
Mety ho ny fiainam-pianakaviany no mahatonga ny olona ho voasariky ny naman-dratsy. Gaga, ohatra, i Michelle hoe nahoana no ankizilahy tsy miraika sy tsy miraharaha olona foana no mahasarika azy. Nilaza izy fa ahatsiarovany ny rainy ireny. Toa tsy nanam-potoana niarahana taminy mihitsy mantsy ny rainy, ary tsy nahatsapa ho nifandray am-po taminy izy. Lasa zatra nitady sitraka sy fanehoam-piheverana tany amin’ny ankizilahy tsy rototra àry i Michelle. Tsy fanahy iniany akory ny hoe fifandraisana toy izany no nahasarika azy.
Mahatsiaro tena ho voafehifehy loatra kosa angamba ny tanora nobeazin’ny ray aman-dreny kristianina, ka te hahalala ny fomba fiainan’ny olona tsy kristianina. Na izany no izy na tsia, ny fiarahana amin’ny ‘namana eo amin’izao tontolo izao’ ve no vahaolana mba hanonerana izany? (Jakoba 4:4) Diniho izay nitranga tamin’i Bill.
Naleon’i Bill tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah, na dia efa hatramin’ny mbola kely aza izy no nampianarin-dreniny Soratra Masina. Natahotra mantsy izy sao ho voafehifehy ny fiainany. Tiany ho fantatra hoe manao ahoana ny fiainan’ny olona tsy kristianina, ka nanomboka niaraka tamin’ny jiolahim-boto izy. Nitarika azy
hidoroka zava-mahadomelina sy hahery setra ary hanao heloka bevava anefa ireo. Nirimorimo mafy izy ireo indray andro rehefa nenjehin’ny polisy, ka naratra sy tsy nahatsiaro tena am-bolana maro i Bill. Nihevitra ny dokotera fa ho faty izy. Velona ihany i Bill, tamin’ny farany, saingy jamba sy kilemaina. Nandray lesona avy tamin’izay nanjo azy izy, ary Kristianina vita fanoloran-tena izy izao. Takatr’i Bill koa anefa fa mety hizaka ny vokatry ny nataony mandritra ny androm-piainany ny olona, rehefa voa vao mihilana.Antony hafa
Misy heriny eo amin’izay heverin’ny tanora ho namana tsara koa matetika izay hitany amin’ny boky, tele, filma, ary clip. Mazàna ny mpilalao ao amin’izy ireny no aseho ho toy ny olona tsy manintona na mpiahiahy ny hafa, nefa hay mahay mangoraka ihany. Ataony izay hinoana fa mora mihetsi-po sy be fiahiana ny olona toa mafy fo sy tia tena. Mety hampita hevitra koa izy ireny, fa lehilahy sy vehivavy matetika no tsara ho mpinamana, satria izany no hanampy azy ireo ho tsara toetra. Izany no mahatonga ny olona haniry hividy boky, na hijery filma. Firy amin’ireny tantaram-pitiavana feno nofinofy ireny anefa no tena mampiseho ny zava-misy? Mampalahelo fa nisy tanora voafitak’ireny nofinofy tsy mahasoa ireny. Ninamana tamin’ny olona tia tena sy mahery setra izy ireny, na nanambady olona toy izany mihitsy, ary sasa-poana niandry azy ireny ‘hiova’ ho olona be fiahiana.
Ity koa misy antony hafa mahatonga ny sasany ho voasariky ny naman-dratsy: Mihevitra izy fa tsy misy mpitia, ka misarangotra amin’izay olona rehetra toa tia azy. Fantatr’i Narindra, voaresaka terỳ aloha, ny voalazan’ny Baiboly hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Nihevitra ny tenany ho tsy tsara tarehy anefa izy, ka faly erỳ rehefa raiki-pitia taminy ny mpiara-miasa iray tsy nitovy finoana taminy. Nanomboka niaraka foana izy ireo, ary efa saika tonga tamin’ny fitondran-tena maloto mihitsy.
Asehon’ireo fitantarana ireo, fa maro ny antony mety hahatonga ny tanora kristianina ho voasariky ny naman-dratsy. Toa betsaka koa ny fialan-tsiny ataon’ireo mifanerasera be amin’ny namana toy ireny. Tsy maintsy hampalahelo anefa ny vokatr’izany, ary hampidi-doza mihitsy aza. Nahoana?
Mahery ny fitaoman’ny namana
Asehon’ny zava-misy fa lasa mitovy amin’ny namanao ianao. Misy heriny lehibe eo amintsika tokoa ny olona ifaneraserantsika. Asehon’ny Ohabolana 13:20 fa mety hahasoa na hanimba antsika ireny fitaomana ireny. Izao no voalaza ao: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” Toy ny olon-droa miray fiara ny mpinamana akaiky. Iray lalana izy ireo, ary tonga amin’ny toerana mitovy ihany. Manontania tena àry hoe: ‘Izao itarihan’ny namako ahy izao ve no tiako haleha? Hanampy ahy hanatratra ny tanjoko eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve izao fiarahanay izao?’
Marina fa mety ho sarotra ny mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra. Mety ho efa tia an’ilay namanao ianao, nefa afaka miantehitra amin’ny fihetseham-ponao fotsiny ve ianao? Mety ho renao matetika ilay torohevitra hoe: “Izay heverinao fa mety atao.” Hoy anefa ny Ohabolana 28:26: “Izay matoky ny fony dia adala.” Nahoana? Satria “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9; Nomery 15:39) Mamadika na mandainga no dikan’ny hoe mamitaka. Hatoky olona malaza ho mpisoloky sy mpamadika ve ianao? Mety hamitaka antsika ny fontsika. Tsy voatery hahasoa àry ny fifandraisana iray satria fotsiny hoe heverintsika fa tsara.
Ny tenin’Andriamanitra no tena tari-dalana azo ianteherana, satria tsy hamadika na handiso fanantenana anao mihitsy. Tsy mba tahaka ny fonao tsy lavorary izy io. Ahoana no mety hanampian’ireny toro lalana ireny anao, hahafantatra raha ho namana tsara ny olona iray na tsia? Inona no azonao atao mba tsy hanenenana, rehefa mifidy izay ho namanao mandritra ny androm-piainana ianao, dia izay ho vadinao? Hodinihina ao amin’ny nomerao manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Novana ny anarana.
[Sary, pejy 12]
Mety hanan-kery eo amin’izay heverintsika ho namana tsara ny tele