Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Be dia Be ny Miaina ao Anatin’ny Tahotra?

Nahoana no Be dia Be ny Miaina ao Anatin’ny Tahotra?

Nahoana no Be dia Be ny Miaina ao Anatin’ny Tahotra?

MIAINA tanteraka ao anatin’ny tahotra ny olombelona. Tsy hita maso izy io, nefa misy. Saika ny olon-drehetra no ianjadian’izany, na dia tsy voamarika aza ny an’ny sasany. Fa inona no mahatonga izany tahotra izany? Nahoana no matahotra ny olona sasany rehefa mivoaka ny trano? Nahoana no maro no matahotra any am-piasana? Nahoana no maro no manahy ny amin-janany? Nahoana ny olona no matahotra na dia ao an-tranony aza?

Betsaka ny zavatra mampahatahotra, fa hijery loza efatra mahatonga ny olona tsy ho afa-tahotra isika: ny herisetra an-tanàn-dehibe, fanadalana vehivavy, fanolanana, ary herisetra ao an-tokantrano. Ny herisetra an-tanàn-dehibe no hojerentsika voalohany. Tena mety ny hiresahana azy io, satria efa ho ny antsasaky ny olona eran-tany no monina any an-tanàn-dehibe.

Loza any an-tanàn-dehibe

Natao hiaro ny olona angamba ny tanàn-dehibe, tamin’ny voalohany. Maro anefa izao no mahita fa mampidi-doza izy ireny. Tsy miaro intsony ny tanàn-dehibe, fa lasa mampahatahotra. Mahazo vahana ny mpanendaka any amin’ny tanàn-dehibe feno olona. Mampidi-doza ny miditra any amin’ny toerana sasany maizimaizina sy be olona mahantra ary tsy misy polisy firy.

Rariny ihany raha matahotra ny olona, satria be dia be ny maty nisy namono tamin-kabibiana. Olona 1,6 tapitrisa isan-taona no maty tamin’izany fomba izany, eran-tany, araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Atsy Afrika, dia olona 60,9 eo ho eo isaky ny mponina 100 000, no maty nisy namono tamin-kabibiana, isan-taona.

Lasa mampahatahotra koa izao ny olona sy toerana ary fikambanana noheverina ho azo antoka. Betsaka, ohatra, ny kianja sy sekoly ary tsena lasa malaza amin’ny heloka bevava, ka mampahatahotra ny olona ny mankany. Tokony mba hiaro ny olona ny mpitondra fivavahana sy mpanao asa soa ary mpampianatra, nefa mandiso fanantenana indraindray. Voalaza fa manolana ankizy ny sasany. Lasa misalasala hanankina ny zanany amin’olona ny ray aman-dreny noho izany. Mba natao hiaro ny olona koa ny polisy, nefa fahita ny polisy mandray kolikoly sy manampatra fahefana, any amin’ny tanàn-dehibe sasany. Manao ny ataony koa ny “mpitandro filaminana” hafa. Mbola tsy hadinon’ny olona any amin’ny tany sasany nisy ady an-trano, ohatra, ny nakan’ny miaramila ny havany, ka tsy hita popòka taorian’izay. Tsy manamaivana ny tahotra àry ny polisy sy miaramila any amin’ny faritra maro eran-tany, fa vao mainka mampitombo azy io.

Hoy ny boky Mponina Ianjadian’ny Tahotra—Herisetra An-tanàn-dehibe any Amerika Latinina (anglisy): ‘Miaina ao anatin’ny tahotra ny mponina any amin’ireo renivohitra any Amerika Latinina, satria anisan’ny toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany any. Olona 140 000 eo ho eo isan-taona no maty misy mamono amin-kabibiana any amin’io faritra midadasika io, ary olona iray ao anatin’ny telo no iharan’ny herisetra mivantana na tsia.’ Fahita matetitetika any an-drenivohitra koa ny fihetsiketsehana ara-politika, any amin’ny faritra hafa eto an-tany. Mivadika ho rotaka anefa izy ireny indraindray, ka miteraka fifanjevoana. Maro no manararaotra izany mba handrobana fivarotana, ka vao mainka mitombo ny korontana. Mety hifanehatra amin’ny mpirotaka koa àry ny mpivarotra na mpividy any an-tanàn-dehibe.

Mihamanankarena hatrany ny mpanankarena any amin’ny tany maro, fa mihamahantra kosa ny mahantra. Mahatezitra ny olona sasany izany. Be dia be no mahatsapa fa tsy manana izay tena ilainy, ka mandroba ny tanànan’ny mpanankarena. Mbola tsy nitranga tany amin’ny tanàn-dehibe hafa izany, nefa toa tsy maintsy hitranga ihany na ho ela na ho haingana.

Tsy ny mpangalatra sy mpirotaka ihany anefa no atahoran’ny olona. Mbola misy antony hafa koa mahatonga azy ireo hiaina ao anatin’ny tahotra.

Mampihorohoro ny fanadalana vehivavy

Vehivavy an-tapitrisany isan’andro no miferinaina, satria misy misiotsioka, na misy manao fihetsika sy fijery vetaveta. Hoy ny gazety Herinandron’i Azia (anglisy): ‘Hita tamin’ny fanadihadiana fa ny ampahefatry ny vehivavy japoney no nanaovana fihetsika vetaveta teny imasom-bahoaka, ka tany anaty lamasinina no nitranga ny 90% tamin’izany. Ny 2% amin’izy ireo monja no manao zavatra hanoherana ilay izy. Ny sisa kosa nilaza fa matahotra an’ilay mpanadala azy, ka izany no tena antony anginany.’

Lasa be dia be koa ny mpanadala vehivavy any Inde. Hoy ny mpanao gazety iray any an-toerana: “Manjary matahotra izao ny vehivavy isaky ny hivoaka ny tranony. Tsy maintsy misy manambany azy ary milaza zavatra mamoafady aminy, na aiza na aiza alehany.” Mirehareha ny mponina ao amin’ny tanàn-dehibe iray any Inde hoe tsy dia mampahatahotra ny arabe ao aminy. Izao anefa no tatitra avy any: “Tsy eny amin’ny arabe no mampahatahotra [ao amin’io tanàn-dehibe io], fa any am-piasana. ... Ny 35 isan-jaton’ny vehivavy nanontaniana no nilaza fa nisy nanadala tany am-piasana. ... Ny 52 isan-jato nilaza fa matahotra ny hohadalaina any am-piasana, ka aleony manao asa kely karama. ... Vehivavy [ihany] amin’izay no miara-miasa aminy.”

Matahotra ny ho voaolana

Tsy matahotra ny ho afa-baraka fotsiny ny vehivavy rehefa misy manadala. Tsy manadala fotsiny ny lehilahy indraindray, fa atahorana hanolana koa. Tsy mahagaga àry raha anisan’ny heloka bevava atahoran’ny vehivavy maro noho ny vonoan’olona ny fanolanana. Mety hatahotra hisy hanolana, ohatra, izy raha sendra irery eo amin’ny toerana iray, indrindra raha mahatazana lehilahy tsy fantany na mampiahiahy azy. Midobodoboka be ny fony, satria tsy fantany izay mety hitranga. Mety hanontany tena izy hoe: ‘Hanao inona izao ity olona ity? Aiza aho no handositra? Tokony hiantsoantso ve aho?’ Manimba tsikelikely ny fahasalaman’ny vehivavy ny zavatra toy izany, rehefa miverimberina. Aleon’ny olona maro àry tsy mipetraka any an-tanàn-dehibe, na tsy miserantserana any mihitsy.

Hoy ny boky Ny Tahotry ny Vehivavy (anglisy): ‘Isan’andro, dia miaina ao anatin’ny tahotra sy tebiteby ary fahoriana ny vehivavy maro any an-tanàn-dehibe. Matahotra ny ho voaolana izy ireo, ka lasa mailomailo sy miomana foana amin’izay mety hitranga. Lasa mitebiteby be koa izy rehefa mandeha an-tongotra, ka misy olona manakaiky kely azy ao aoriany, indrindra amin’ny alina. Fihetseham-po tsy afaka mihitsy ao amin’ny vehivavy izany tebiteby izany.’

Vehivavy maro no iharan’ny herisetra. Saika ny vehivavy rehetra kosa no matahotra sao hiharan’ny herisetra. Hoy ny boky Toetry ny Mponina Eran-tany 2000 (anglisy), navoakan’ny Firenena Mikambana: “Ny ampahatelon’ny vehivavy eran-tany, fara fahakeliny, no vonoina, na terena hanao firaisana, na ampijalina amin’ny fomba hafa, ka olom-pantany no tena manao izany aminy.” Kanefa, eny amin’ny arabe sy any am-piasana ihany ve ny vehivavy no matahotra? Maro ve no miaina ao anatin’ny tahotra, na dia ao an-tranony aza?

Matahotra herisetra ao an-trano

Fahita eran-tany ny lehilahy mamono ny vadiny, mba hanekeny izay lazainy. Tena tsy rariny izy io, nefa vao haingana kely vao nekena ho heloka bevava any amin’ny tany maro. Voalazan’ny tatitra iray avy any Inde fa “ny 45 isan-jaton’ny vehivavy karàna, fara fahakeliny, no felahan’ny vadiny, na dakany, na asiany totohondry.” Tena manimba fahasalamana izany ho an’ny vehivavy eran-tany. Nanao tatitra momba ny vehivavy 15 ka hatramin’ny 44 taona any Etazonia, ny Birao Federaly Amerikanina Momba ny Famotorana. Voalaza tao fa rehefa atambatra ny isan’ny vehivavy maratra noho ny lozam-piarakodia sy fanendahana ary fanolanana, dia mbola vitsy noho ny vehivavy maratra vokatry ny herisetra ao an-tokantrano. Tsy fifamelezana tahamaina tsindraindray aorian’ny fifamaliana fotsiny àry izy io, fa lasa lavitra kokoa. Be dia be ny vehivavy mitebiteby lava sao haratra na ho faty ao an-tranony. Hita tamin’ny fanadihadiana tany Kanada, fa natahotra ho faty indraindray ny ampahatelon’ny vehivavy novonoin’ny vadiny. Izao ny tenin’ny mpikaroka roa any Etazonia: “Ao an-trano no toerana mampidi-doza indrindra ho an’ny vehivavy, satria fahita ao ny habibiana sy fampijaliana.”

Nahoana no be dia be ny vehivavy miaritra an’izany toe-javatra mampidi-doza izany? Betsaka ny olona manontany tena hoe: ‘Fa maninona ry zareo no tsy mitady vonjy? Fa maninona raha misintaka?’ Ny tahotra no tena mahatonga azy tsy hanao izany. Voalaza fa ny tahotra no lafin-javatra mampiavaka indrindra ny herisetra ao an-tokantrano. Vonoin’ilay lehilahy ny vadiny mba hanaiky hanao izay tiany, ary rahonany avy eo fa hovonoiny ho faty raha mitati-bolana. Sahy mitaraina ihany ny vehivavy sasany, nefa matetika izy ireny no tsy misy mihaino. Misy olona manamaivana na tsy miraharaha na manala tsiny ny herisetra ataon’ny lehilahy. Manao izany na dia ny olona manameloka ny karazana herisetra hafa aza. Toa tsara fanahy be amin’ny olon-kafa koa ny lehilahy sasany mpamono vady, ka matetika ny namany no tsy mino fa manao izany izy. Aleon’ny vehivavy maro àry miaritra, satria sady tsy misy mino izy no tsy mahita aleha.

Misy ihany ny sahy misintaka. Mbola manaraka azy, na mitady hifandray aminy ihany anefa ny vadiny indraindray, mba hanorisorenana azy. Nadinadinina vao haingana ny vehivavy arivo mahery tany amin’ny fanjakan’i Louisiane, any Etazonia. Ny 15 isan-jato no nilaza fa mbola narahin’ny vadiny, na dia efa nisintaka aza. Alao sary an-tsaina ny tahotra mianjady amin’izy ireny. Eritrereto hoe mbola mihaodihaody any amin’izay rehetra alehanao ny olona nandrahona anao. Antsoiny an-telefaonina ianao, arahiny maso, ary andrasany. Mety hovonoiny mihitsy aza ny alika na ny saka tena tianao. Izay hampihorohoro anao no tanjony amin’izany rehetra izany!

Tsy manjo anao angamba izany. Mety ho hita eo amin’ny fiainanao isan’andro anefa fa matahotra ianao.

Hita eo amin’ny fiainanao ve ny tahotra?

Miaina ao anatin’ny tahotra isika, ka mety tsy ho tsapantsika akory hoe hita eo amin’ny fanapahan-kevitra maro raisintsika isan’andro fa matahotra isika. Marina tokoa ve izany?

Matahotra sao hiharan’ny herisetra ve ianao na ny fianakavianao, ka tsy mody alina irery? Matahotra handeha amin’ny fiara fitaterana sasany ve ianao? Tsy mazoto hiasa lavitra ve ianao, satria matahotra sao hisy zavatra hanjo anao eny an-dalana? Tsy te hiasa any amin’ny orinasa sasany ve ianao, satria matahotra ny karazan’olona tsy maintsy hiarahanao miasa na hifaneraseranao? Tsy mba miara-mikorana amin’olona na manao fialam-boly sasany ve ianao noho ny tahotra? Tsy sahy mandeha mijery fanatanjahan-tena na rindran-kira sasany ve ianao, satria matahotra sao hisy olona mamo na vahoaka hirotaka any? Matahotra koa ve ianao any am-pianarana? Maro koa ny ray aman-dreny matahotra sao lasa maditra ny zanany, ka fidiny tsara ny sekoly hampidirana azy ireo. Ny tahotra koa no mahatonga ny sasany haka ny zanany amin’ny fiara, na dia afaka mandeha an-tongotra na mandeha bisy aza ilay zaza rehefa mody.

Miaina ao anatin’ny tahotra àry isika olombelona. Vao nisy kelikely anefa ny olombelona, dia efa natahotra herisetra. Afaka manantena ve isika fa tena ho foana ny tahotra? Sao dia nofinofy fotsiny izany? Misy antony marim-pototra inoana ve fa tsy hisy zava-dratsy hatahorana intsony amin’ny hoavy?