Ny Mamy Omen’ny Tantely
Ny Mamy Omen’ny Tantely
Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Meksika
NAHITA tantely nitete tany anaty ala ny miaramila israelita iray efa reraka. Nalainy tamin’ny tehiny ilay izy ka nohaniny. “Nazava” avy hatrany “ny masony” ary natanjaka indray izy. (1 Samoela 14:25-30) Hita amin’io tantara ao amin’ny Baiboly io ny iray amin’ireo soa entin’ny tantely ho an’ny olombelona. Vetivety izy io dia mampody hery, satria tena be gliosida. Mahavariana fa mety hahavita hanidina eran’izao tontolo izao mihitsy ny tantely iray, raha mihinana ranon-tantely 30 grama monja!
Ny hahasoa ny olona fotsiny ve no amokaran’io bibikely io ranon-tantely? Tsia. Na izy koa aza mila ranon-tantely hatao sakafo. Mila ranon-tantely 10 hatramin’ny 15 kilao ny tantely iray trano, mba hizakana ny ririnina. Mamokatra ranon-tantely 25 kilao eo ho eo kosa anefa izy ireo rehefa mafana ny andro, hany ka misy ambiny azon’ny olombelona alaina sy hanina. Mahazo ny anjarany koa aza ny orsa sy ny biby hafa.
* Saronany amin’ny savoka manify ireo mason-tantely, rehefa maimaina ilay ranon-tantely. Ela be vao simba ny ranon-tantely, rehefa misarona toy izany. Mbola azo nohanina tsara, ohatra, ny ranon-tantely hita tao anatin’ny fasan’ireo Farao, mpanjakan’i Ejipta, na dia efa 3 000 taona aza.
Ahoana no anamboaran’io bibikely io ranon-tantely? Mivezivezy manangona mamimbony amin’ny voninkazo izy ireo aloha. Tsentsefiny amin’ny lelany izay toy ny fantsona ilay mamimbony, ary angoniny ao amin’ny iray amin’ireo vavoniny. Miverina any amin’ny tranony izy ireo avy eo, ary omeny tantely hafa indray iny mamimbony iny. “Tsakotsakoin’ireo” tantely ireo indray ilay izy mandritra ny antsasak’adiny, ary afangarony amin’ny rora ao am-bavany. Ararany ao amin’ireo efitrefitra kely be dia be ao an-tranony, izay atao hoe mason-tantely ilay izy, ary kopakopahiny amin’ny elany mba ho maina.Fanafody ny ranon-tantely
Tena tsara ny ranon-tantely satria be vitaminina B, mineraly isan-karazany, ary zavatra hafa mahasalama. Anisan’ny fanafody tranainy indrindra * Nilaza toy izao ny Pr. May Berenbaum, manam-pahaizana momba ny bibikely, any amin’ny Oniversiten’i Illinois, any Etazonia: “Efa nampiasaina nandritra ny taonjato maro ny ranon-tantely mba hitsaboana aretina isan-karazany toy ny fery, may, katarakta, vay ary ratra.”
mbola ampiasaina hatramin’izao koa anefa izy io.Mahasarika ny olona indray izao ny fitsaboana amin’ny ranon-tantely. Hoy ny filazam-baovao CNN: “Tsy tian’ny olona intsony ny nitsabo fery tamin’ny tantely, rehefa nivoaka ny antibiotika tamin’ny Ady Lehibe II. Miverina indray anefa izao ny fampiasana io fanafodin’ny ntaolo io, noho ny fikarohana natao vao haingana sy ny firongatry ny mikraoba mahatohitra fanafody.” Nanaovana fikarohana, ohatra, ny fitsaboana may. Hita fa sitrana vetivety kokoa sy tsy nanaintaina loatra ary tsy nisy holatra be, ny faritra may nohosorana tantely.
Hita tamin’ny fandinihana fa misy zavatra simika afangaron’ny tantely amin’ny mamimbony, rehefa manamboatra ranon-tantely izy. Afaka miady amin’ny bakteria sy ny otrikaretina àry ny ranon-tantely, satria mampisy karazana hidrozenina mamono bakteria io zavatra simika io. * Mampihena fanaintainana sy mampikatona haingana ny fery koa ny ranon-tantely, rehefa ahosotra amin’ny faritra maharary. Noho izany dia nilaza ny Pr. Peter Molan, manam-pahaizana momba ny simia, any Nouvelle-Zélande hoe: “Manomboka manaiky izao ny dokotera fa fanafody tsara sy mandaitra ny tantely.” Nanome alalana ny hampiasana ny ranon-tantely mba ho fanafody mihitsy aza, ny Sampan-draharaha Aostralianina Miandraikitra ny Fanafody. Efa misy amidy eny amin’ny fivarotam-panafody any Aostralia, ny ranon-tantely fanosotra amin’ny fery.
Tsy fahita firy ny sakafo mahasalama sy tena fy ary azo atao fanafody toy ny tantely. Tsy mahagaga raha nisy lalàna taloha, niaro ny tantely sy ny mpiompy azy! Nandoa onitra be na novonoina ho faty mihitsy, ny olona nanimba tranon-tantely na ny hazo nisy azy. Sarobidy tokoa ny mamy omen’ny tantely ny olona, sady mitondra dera ho an’ny Mpamorona.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Fihary manokana ao amin’ny vatan’ny tantely no mamokatra ilay savoka anaovany ny toho-tantely. Manify kely hoatran’ny taratasy ny rindrin’ny toho-tantely. Mahavariana anefa fa mahazaka zavatra intelopolon’ny lanjany izy io, noho ny firafitr’ireo mason-tantely misy lafiny enina.
^ feh. 7 Tsy tokony homena ranon-tantely ny zaza, satria mety tsy ho zakany izany.
^ feh. 9 Tantely tsy nampangotrahina no fanao fanafody, satria lefy ny herin’ilay zavatra simika raha hafanaina na tratran’ny hazavana.
[Efajoro/Sary, pejy 16]
Nahandro Asiana Tantely
Mamy noho ny siramamy ny tantely. Ataovy antsasany na androatokon’ny fatran’ny siramamy àry ny fatrana tantely, raha io no ataonao solon-tsiramamy. Rano koa ny ampahadimin’ny tantely, ka ahenao mifanaraka amin’izay ny fatran’ny ranon-javatra ataonao amin’ny nahandronao. Raha tsy tokony hisy ranon-javatra ilay nahandro, dia ampio lafarinina indroan’ny sotro isaky ny tantely eran’ny sotro. Raha manao mofomamy indray ianao, dia asio karibonetra tapaky ny sotrokely isaky ny tantely iray kaopy. Ahenao 15 degre ny hafanan’ny lafaoronao.
[Sary nahazoan-dalana]
National Honey Board
[Sary, pejy 16]
Tantely maka mamimbony
[Sary, pejy 16, 17]
Toho-tantely
[Sary, pejy 17]
Andian-tantely
[Sary, pejy 17]
Fijerena ampahany amin’ny tranon-tantely