Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ahafantaranao ny Hoavinao ve ny Fanandroana?

Tena Ahafantaranao ny Hoavinao ve ny Fanandroana?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tena Ahafantaranao ny Hoavinao ve ny Fanandroana?

AHOANA no hanatsaranao ny fiainanao sy hahombiazanao eo amin’ny resaka fitiavana sy fitadiavam-bola? Ny fanandroana no itodihan’ny maro mba hamaliana izany. An-tapitrisany isan’andro no mijery tonon’andro ao amin’ny gazety, satria antenainy fa hanatsara ny hoaviny izany. Na ny mpitondra aza manaiky hotarihin’ny kintana rehefa hanapa-kevitra.

Azo itokisana ve ny fanandroana? Ahoana no ilazan’ny mpanandro ny hoavy? Tokony havelan’ny Kristianina hifehy ny fiainany ve ny zavatra eny amin’ny lanitra?

Inona moa ny fanandroana?

Araka ny Rakibolana Malagasy, ny fanandroana dia “vinany ataon’ny mpanandro momba ny zavatra ho avy, avy amin’ny fijerena ny tonon’andro sy ny vintana.” Misy mpanandro mino fa ahafantarana ny ho toetran’ny olona sy ny hoaviny, ny fipetraky ny zavatra eny amin’ny lanitra. Milaza izy ireny fa misy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona, ny toerana voafaritra tsara misy ireo planeta sy ny mariky ny zodiaka, amin’ny fotoana ahaterahany. *

Efa ela ny olona no nino izay lazain’ny mpanandro. Efa ho efatra arivo taona lasa izay no nanomboka nijery ny toeran’ny masoandro sy ny volana ary ireo planeta dimy mora hita indrindra ny Babylonianina, mba hilazana ny hoavy. Nilaza izy ireo fa nanan-kery teo amin’ny fitondran-tenan’ny olona izy ireny. Nampiasa ny mariky ny zodiaka hanambarana ny hoavy koa ny Babylonianina, tatỳ aoriana.

Efa tsy nahomby foana

Voalazan’ny Baiboly fa fanao tany Babylona ny fanandroana, ary voatonona matetika ao ireo mpanandro babylonianina. (Daniela 4:4; 5:7, 11) Niely be nanerana an’i Kaldea (Babylonia) ny fanandroana tamin’ny andron’i Daniela mpaminany, hany ka toa nanondro ny mpanandro ihany ny hoe “Kaldeanina.”

Tsy ny herin’ny fanandroana tao Babylona ihany no hitan’i Daniela, fa ny tsy fahaizan’ireo mpanandro nilaza mialoha ny faharesen’ilay tanàna koa. (Daniela 2:27) Mariho ny fisehoan-javatra tena nitranga, nolazain’i Isaia mpaminany, 200 taona mialoha. Hoy izy naneso: ‘Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. Tsy hahavonjy ny tenany akory’ izy ireo.—Isaia 47:13, 14.

Tsy afaka nilaza ireo mpanandro babylonianina hoe ho resy ny tanànany, na dia ora vitsy mialoha aza. Nisy soratra saro-pantarina nilaza ny fanamelohan’Andriamanitra, teo amin’ny rindrin’ny lapan’i Belsazara Mpanjaka indray mandeha. Tsy hain’ireo mpanandro koa anefa ny nilaza ny dikan’izany.—Daniela 5:7, 8.

Tsy afaka milaza mialoha fisehoan-javatra lehibe koa ny mpanandro ankehitriny. Nandinika zavatra 3 000 mahery nolazain’ny mpanandro mialoha fa hitranga i R. Culver sy Philip Ianna, mpikaroka momba ny siansa. Nilaza izy mirahalahy fa ny 10 isan-jato tamin’ireo ihany no tanteraka. Na ny olona mandinika tsara fotsiny aza, dia mety hahavita tsara kokoa noho izany.

Mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly

Miharihary fa tsy mampahafantatra marina ny hoavy ny fanandroana. Tsy izany ihany anefa no antony tsy nanaovan’ny mpaminany hebreo azy io. Nampitandrina ny Israelita tsy hikaroka ny vintana ny Lalàna nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Hoy izy io: “Aoka eo aminao tsy hisy olona ... manao sikidy, mikaroka ny vintana ... fa [halan’i Jehovah] ny olona rehetra manao izany zavatra izany.”—Deoteronomia 18:10, 12, Fandikan-teny Katolika.

Azo inoana fa tafiditra amin’ireo zavatra voarara ireo ny fanandroana, na dia tsy voatonona eo aza. Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), fa izy io dia “karazana sikidy ilazana mialoha zavatra hitranga eto an-tany na amin’ny olombelona, amin’ny fijerena ny kintana tsy mihetsika, ny Masoandro, ny Volana ary ny planeta.” Fandikana ny toro lalan’Andriamanitra rehefa mety ho fanandroana, na amin’ny fijerena kintana no anaovana izany na amin’ny fomba hafa. Fa nahoana? Noho ny antony tena marim-pototra.

Tsy milaza ny Baiboly hoe ny kintana no mahatonga antsika hahomby eo amin’ny fiainana na tsia. Lazainy mazava kosa fa “izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Tompon’andraikitra amin’izay ataontsika eo imason’Andriamanitra isika tsirairay, satria afaka mifidy izay tiantsika hatao. (Deoteronomia 30:19, 20; Romanina 14:12) Marina fa mety hiharan-doza na harary isika, noho ny antony tsy miankina amintsika. Hazavain’ny Soratra Masina anefa fa tsy ny tonon’andro no mahatonga izany, fa ny “fotoana sy ny sampona.”—Mpitoriteny 9:11.

Mampirisika antsika ny Baiboly mba hanana toetra toy ny fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po ary fitiavana, rehefa mifandray amin’ny olona. (Kolosianina 3:12-14) Manampy antsika hifandray tsara foana amin’ny namantsika ireo toetra ireo, sady manamafy ny fatoram-panambadiana. Ny fifidianana vady manana “tonon’andro mifanentana” amin’ny an’ny tena, dia tsy manome antoka hoe haharitra ilay fanambadiana. Nandinika ny tonon’andro nahaterahan’ny mpivady 3 500 teo ho eo ilay psikology atao hoe Bernard Silverman. Nisara-panambadiana ny 17 isan-jaton’ireo. Tsy latsak’izany ny isan’ny fisaraham-panambadiana teo amin’ireo mpivady nanana ‘tonon’andro nifanentana.’

Mazava àry fa tsy azo itokisana sady mamitaka ny fanandroana. Lasa ny kintana indray no omentsika tsiny, rehefa manao fahadisoana isika. Ambonin’izany rehetra izany, dia melohina mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ny mariky ny zodiaka dia ireo antokon-kintana 12 fampiasan’ny mpanandro.