Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hampiasaina ve ny Anaran’Andriamanitra?

Tokony Hampiasaina ve ny Anaran’Andriamanitra?

Tokony Hampiasaina ve ny Anaran’Andriamanitra?

TAMIN’NY 1902, dia niresaka momba ny Baiboly Dikan-teny Amerikanina Mahazatra navoaka tamin’ny 1901, ny Gazetin’ny Presbyterianina sy ny Fiangonana Nohavaozina (anglisy). Fanavaozana ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy) nivoaka tamin’ny taonjato faha-17, io Baiboly io. Nohazavain’ilay gazety hoe nahoana no mety ny nampiasana foana ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, tao amin’ilay Baiboly. Izao no voalaza tao:

“Tsy azonay hoe nahoana no misy tsy manaiky, ny mahamety ny hanoratana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Io mantsy no anarana mampiavaka ny Tompo, sy nofidiny mba hahafantaran’ny vahoakany azy. Araka ny hevitray dia hiteraka fahavoazana lehibe, ny fanoloana io anarana io amin’ny anaram-boninahiny. Ekena aloha fa iadian-kevitra ny tena fomba fanononana sy fanoratana azy io. Tsy misy mihevitra koa hoe ‘Jehovah’ no tena izy. Amin’ny Anglisy anefa, dia mahalaza ny dikan’ny anaran’Andriamanitra ny hoe ‘Jehovah.’ Sarotiny loatra amin’ny fitsipi-pitenenana kosa ny olona manolo azy io amin’ny hoe Yahwé, na teny hafa mitovy endrika amin’izany izay notombantombanan’ny manam-pahaizana. Hitanay fa tombony lehibe ho an’ny Anglisy mpamaky ny Testamenta Taloha, ny fahitany hoe ‘Jehovah’ ao amin’ny dikan-teny fampiasan’izy ireo. Ho fantatr’izy ireo amin’izay ny toetra nasehon’i ‘Jehovah’ tamin’ny vahoakany sy izay nataony ho azy ireo.”

Mampiasa ny anarana hoe “Jehovah”, na endriny hafa amin’ny anaran’Andriamanitra, ny Baiboly anglisy maro. Ahitana ny anaran’Andriamanitra koa ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro amin’ny fiteny hafa. Hita eto amin’ity pejy ity ny sasany amin’izy ireny. Izao no nolazain’Andriamanitra tamin’i Mosesy momba ilay anarany hoe Jehovah: “Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” Azo antoka àry fa mety ny ampiasana ny anaran’Andriamanitra ankehitriny!—Eksodosy 3:13-15.

[Sary, pejy 31]

Ny Salamo 83:18 amin’ny fiteny samihafa

Tsonga

Shona

Vietnamianina

Espaniola

Hindi

Tagalog

Anglisy