Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ampiadanina ny Alika

Hoy ny gazety The Sydney Morning Herald: “Be kokoa ny vola lanin’ny Aostralianina amin’ny biby namana an-trano, noho ny vola anampiany firenen-kafa. Anisan’ny andaniany vola ny salotra miaro ny alika tsy ho faty an-drano, firavaka misy diamondra, ary fanafody manamanitra ny vavan’ny biby. Mahatratra 2,2 arivo tapitrisa dolara isan-taona ny vola lanin-dry zareo amin’izany.” Nomarihin’i Jason Gram, mpivarotra biby namana an-trano, fa niova ny fomba nitondran’izy ireo ny biby, tato anatin’ny folo taona. Hoy izy: “Tany an-tokotany ny alika taloha, ary feno parasy sy nikiky taolana. Ao an-trano kosa izy ireo izao, mipetraka eo ambony kidoro malemilemy, ary manao rojo misy vato mamirapiratra.” Nolazainy anefa fa mampandeha ny varotra izany. Raisina ho toy ny mpianakavy mantsy izao ny alika, ka omena zavatra lafo vidy betsaka. Hoy ihany ilay gazety: ‘Karakaraina toy ny olona ny alika sasany, satria heverina hoe mitovy amin’ny an’ny olona ny zavatra ilainy sy iriny ary mba te ho tsara tarehy koa izy. Tsy hita akory anefa hoe ny kilalao 50 dolara no tiany kokoa noho ny kilalao 5 dolara. Toa afa-po kosa anefa ilay tompony, rehefa mandany vola be toy izany, satria te haneho fitiavana amin’ny bibiny izy.’

Tabataba Be

Matetika no tena manimba ny fiainan’ny mponina an-tanàn-dehibe ny tabataba tafahoatra. Araka ny gazety espaniola ABC, dia nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, fa mety hanimba ny fahasalaman’ireny olona ireny mihitsy izany. Neken’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Espaina koa fa manimba ny tabataba be. Nosazin’izy io àry ny toeram-pialam-boly iray, izay voampanga ho nandika ny lalàn’ny tanàna mandrara ny tabataba be. Nolazain’ilay fitsarana fa ny tabataba tafahoatra dia ‘manitsakitsaka ny zo lehibe indrindra ananan’ny olona hiaro ny filaminany, ny fahasalamany, ny fiainany manokana sy ny an’ny fianakaviany, ary ny fonenany.’ Nolazain’izy io koa fa mety hahatonga ny olona “tsy hahare tsara, tsy hahita tory, harary saina, hiakatra tosidra ary hahery setra” ny tabataba tafahoatra.

Ankizy Mijaly Noho ny Ady

Milaza ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, fa ankizy ny 300 000 tamin’ireo olona 800 000 maty nandritra ny adim-poko tany Rwanda. Izany no hita tao amin’ny gazety alemà Leipziger Volkszeitung. Tombanana ho ankizy 100 000 mahery no mipetra-drery. “Miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny izy ireo, isan’andro”, hoy ilay gazety.

“Kinga Saina” Foana

“Manampy ny olona ho ‘kinga saina’ foana ny fahaizany fiteny roa, rehefa mihantitra izy”, hoy ny gazety Toronto Star. Notsapain’i Ellen Bialystok, psikology any amin’ny Oniversiten’i York, ny fiasan’ny atidohan’ny olon-dehibe 104 teo anelanelan’ny 30 sy 59 taona, ary olon-dehibe 50 teo anelanelan’ny 60 sy 88 taona. Nitovy ny fanabeazana azon’izy rehetra sy ny fidiram-bolany. Nahay fiteny roa ny antsasak’ireo mpandray anjara, tao amin’ny sokajin-taona tsirairay. Nasaina nanao zavatra tsotra izy ireo, ary nomena fomba roa azo nisafidianana hanaovana ilay izy. Nojerena ny fotoana laniny nanaovana ilay safidy. Hoy ilay gazety: “Haingana kokoa no nanaovan’ireo nahay fiteny roa ilay fitsapana, raha oharina tamin’ireo tsy nahay afa-tsy fiteny iray.” Nilaza i Bialystok fa afaka mifidy izay fiteny ampiasainy foana ny olona mahay fiteny roa, ary tsy maintsy miasa ny atidohany mba hanaovana ilay safidy. ‘Misakana ny atidoha tsy hihavotsa haingana noho ny fahanterana izany fampiasan-tsaina izany.’

Baiboly ‘Araka ny Toetrandro’ Ve?

Hoy ny masoivohom-baovao Reuters: ‘Novana tanteraka ireo vavaka sy salamo be mpitia ao amin’ny Baiboly, mba hampidirina tao amin’ny bokim-bavaka vaovao anglikanina, atao hoe Bokikelim-bavaka ho An’ny Filaminana sy Rariny (anglisy). Natao izany mba hisarihana ny sain’ny mpiangona ho amin’ny zava-misy, toy ny trosan’ny Tany Madinika sy ny varotra ara-drariny.’ Ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”, dia novana hoe: “Homenao izay hanina sahaza anay isan’andro izahay, rehefa vitanay ny miaro ny taninay, na rehefa mahazo karama ara-drariny kokoa izahay.” Nesorina koa ilay fehezanteny ao amin’ny Salamo faha-23 hoe: “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho”, ary nosoloana hoe: “Tsy hatahotra aho Tompo ô, na dia misy ady mafy sy goavana mipoaka aza.” Nantsoin’ireo mpandala ny nentin-drazana hoe ‘sandoka, ka manevateva an’Andriamanitra sy tsy mendrika ary manafintohina’ io bokim-pivavahana vaovao 96 pejy io, hoy ny gazety The Daily Telegraph any Londres.

Manala Zaza Noho ny Vola

Tsy araka ny eritreritry ny maro, fa “[vehivavy] manambady manana fari-piainana antonontonony ny ankabeazan’ireo manala zaza eto Aostralia, fa tsy zatovo manao firaisana amin’olona isan-karazany”, hoy ny gazety The Sydney Morning Herald. Ny fitadiavam-bola matetika no mahatonga ny mpivady hanapa-kevitra ny tsy hiteraka. Miasa manontolo andro mantsy ilay lehilahy, ary tapa-potoana ilay vehivavy. Hoy i Peter McDonald, mpampianatra momba ny mponina, any amin’ny Oniversitem-pirenen’i Aostralia: “Misy vokany ratsy eo amin’ny asan’ilay vehivavy sy ny karamany ny fananan-janaka. Mety handray vola be mantsy ny vehivavy tsy miteraka, fa hihena kosa izany raha miteraka izy.” Vehivavy 1 ao anatin’ny 3 àry no manala zaza any Aostralia, hoy ny Herald.

‘Fantaro Ireo Naman’ny Zanakao’

Nilaza ny The New York Times fa ‘somary atahorana hifoka sigara, atahorana kokoa ho efa nifoka rongony, ary mbola atahorana kokoa ho mamo aza, ireo zatovo nilaza fa ny antsasaky ny namany, fara fahakeliny, no zatra nanao firaisana.’ Ny Foibem-pirenena Miady Amin’ny Fiankinan-doha Amin’ny Zava-mahadomelina, any amin’ny Oniversiten’i Columbia, no nanao izany fanadihadiana izany. Ray aman-dreny 500 sy tanora 1 000, teo anelanelan’ny 12 sy 17 taona, no nadinadinina. Hoy i Joseph Califano, mpitari-draharaha sady prezidàn’io foibe io: “Mazava ny hafatra ho an’ny ray aman-drenin’ny zatovo 12 ka hatramin’ny 17 taona: Ataovy azo antoka fa fantatrareo izay ataon’ny zanakareo rehefa mampiaraka izy, ary fantaro ireo namany.” Hoy koa izy: “Azo inoana kokoa hoe tsy hanendry zava-mahadomelina ny ankizy mandra-pahalehibeny, raha miezaka miresaka aminy momba ny fitiavana sy ny zava-mahadomelina ny ray aman-dreniny, rehefa miara-misakafo izy ireo.”

Tanora Minia Mandratra Tena

Hoy ny The Times any Londres: “Eto Grande-Bretagne no be olona minia mandratra tena indrindra, atỳ Eoropa.” Didin’izy ireo, ohatra, ny tenany. Mandray olona toy izany 150 000 isan-taona ireo toerana itsaboana ny niharam-boina sy marary mafy any Grande-Bretagne, ka tanora ny ankamaroany. “Maro kokoa noho ny ankizilahy ny ankizivavy minia mandratra tena, satria raha iray ny ankizilahy dia fito ny ankizivavy. Nitombo avo roa heny anefa ny isan’ny ankizilahy manao izany, nanomboka tamin’ireo taona 1980”, hoy ihany ny The Times. Toa mandratra tena ireny tanora ireny “satria te hanasitrana ratram-po na mahatsapa izy hoe mafy fo.” Nilaza i Andrew McCulloch, avy ao amin’ny Fikambanana Mikarakara ny Marary Saina, hoe ireo tarehimarika ireo dia “mety ho porofo fa mitombo ny olana atrehin’ny tanora, na mihasarotra aminy ny miatrika azy ireny.”