Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hataoko mba Tsy Hananako Naman-dratsy?

Ahoana no Hataoko mba Tsy Hananako Naman-dratsy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hataoko mba Tsy Hananako Naman-dratsy?

“Lasa mpinamana izahay sy ny ankizivavy iray tany am-pianarana. ... Tsy nidoroka zava-mahadomelina izy, tsy mpamonjy fety feno filibana, na be sipa. Tsy niteny ratsy mihitsy koa izy, ary nahay be. Tena naman-dratsy anefa izy.”—Baholy. *

NAHOANA i Baholy no nilaza fa naman-dratsy ilay ankizivavy? Satria takany fa nitaona azy hanao zavatra be mpitia nefa tsy mahasoa izy. Hoy izy: “Lasa namaky boky momba ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy koa aho, arakaraka ny nifaneraseranay. Nanoratra tantara momba izany mihitsy aza aho.”

Lasa ratsy fitondran-tena koa ny tovovavy iray antsoina hoe Melanie. Namana iray nihambo ho Kristianina ihany anefa no nitarika azy! Ahoana àry no ahafantarana raha ho namana tsara ny olona iray? Mampidi-doza foana ve ny minamana be amin’ny tsy Kristianina? Mahasoa foana ve ny hoe samy Kristianina no mpinamana?

Ary ahoana ny amin’ny fiarahana eo amin’ny ankizilahy sy ankizivavy? Ahoana no ahafantaranao raha hahasoa anao ny mifanerasera amin’ny olona iray, raha mikasa ny hanambady azy ianao? Manampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo ny toro lalan’ny Baiboly. Andeha hojerentsika.

Inona no atao hoe namana tsara?

Tsy tokony ho nieritreritra kely ve i Baholy vao ninamana tamin’ilay mpiara-mianatra taminy? Tsy nanompo an’ilay Andriamanitra marina mantsy izy io. Ekena aloha fa tsy heverin’ny Kristianina marina ho ratsy fitondran-tena ny olona iray, satria fotsiny hoe tsy mpiray finoana aminy. Tokony hitandrina anefa izy sao mifanerasera be aminy. Nampitandrina ny fiangonan’i Korinto tamin’ny taonjato voalohany mantsy ny apostoly Paoly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Inona no tiany holazaina?

Nifanerasera tamin’ny Epikoreanina (mpanara-dia an’i Épicure, filozofa grika) angamba ny Kristianina sasany tao Korinto. Nampianatra ny mpanara-dia azy izy mba hahay hisaina, hanana herim-po, hahay hifehy tena, ary hanao ny rariny. Tsy nampirisika azy ireo hanao ratsy mihitsy koa izy, na dia tsy misy mahita aza. Nahoana àry no samy nantsoin’i Paoly hoe “naman-dratsy” na ny Epikoreanina, na ny olona nitovy hevitra tamin’izy ireo teo anivon’ny fiangonana mihitsy aza?

Tsy nanompo an’ilay Andriamanitra marina ny Epikoreanina. Tsy nino koa izy ireo hoe hitsangana ny maty, ka tsy nanao afa-tsy izay nahafinaritra azy teo amin’ny fiainana izy. (Asan’ny Apostoly 17:18, 19, 32) Tsy mahagaga àry raha lasa tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty ny sasany teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, rehefa nifanerasera foana tamin’ny olona toy ireny. Izany no nahatonga an’i Paoly hanome porofo maro be momba ny fitsanganana amin’ny maty, ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-15. Te hampiaiky an’ireo Kristianina voalohany ireo izy fa tena hisy izy io. Ao koa i Paoly no nampitandrina ny amin’ny naman-dratsy.

Inona no lesona tsoahina avy amin’izany? Mety ho tsara toetra na dia ny olona tsy manompo an’Andriamanitra aza. Hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fisainanao sy ny finoanao ary ny fitondran-tenanao anefa izany, raha olona toy ireny no ataonao namana akaiky. Izany no nahatonga an’i Paoly hanoratra tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.”—2 Korintianina 6:14-18.

Hitan’i Fred, 16 taona, fa feno fahendrena ireo tenin’i Paoly ireo. Nanao fandaharana hafa ankoatra ny fianarana ny sekolin-dry zareo. Nandefa mpianatra tany amin’ny tany an-dalam-pandrosoana izy io, mba hampianatra ireo ankizy tany. Nanaiky handeha izy tamin’ny voalohany. Niova hevitra anefa izy, raha mbola nanomana ilay dia izy sy ny mpiara-mianatra taminy. Hoy izy: “Tsapako fa hanimba ny fifandraisako amin’i Jehovah ny fiarahana be amin’ireo mpiara-mianatra amiko.” Tsy nandeha indray àry izy, fa naleony nanampy ny olona sahirana tamin’ny fomba hafa.

Namana kristianina

Ahoana kosa ny amin’ireo namana eo anivon’ny fiangonana kristianina? Nanoratra ho an’ilay tovolahy atao hoe Timoty i Paoly, ary nampitandrina hoe: “Tsy fitaovana volamena sy volafotsy ihany no ao an-trano lehibe, fa fitaovana hazo sy tany koa. Ny sasany natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja, fa ny sasany kosa amin-javatra tsy mendri-kaja. Koa raha misy manalavitra an’ireo farany ireo, dia ho fitaovana natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja izy, ary nohamasinina ka mahasoa ny tompony, sady vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 2:20, 21) Tsy nodian’i Paoly tsy hita àry fa mety hisy Kristianina hanana fitondran-tena tsy mendrika. Tsy nihambahamba izy nampitandrina an’i Timoty mba hanalavitra ny olona toy izany.

Midika ve izany fa tokony hiahiahy ny namanao kristianina ianao? Tsia. Tsy midika koa izany hoe tokony hanantena ianao fa tsy ho diso mihitsy ny namanao. (Mpitoriteny 7:16-18) Tsy satria fotsiny anefa hoe manatrika fivoriana kristianina ny tanora iray, na be zotom-po eo anivon’ny fiangonana ny ray aman-dreniny, dia tsara hatao namana akaiky izy.

Hoy ny Ohabolana 20:11: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” Hendry àry ianao raha mamantatra hoe: Ny fifandraisany amin’i Jehovah ve no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany? Sa ahitana taratry “ny fanahin’izao tontolo izao” ny toe-tsainy sy ny fihetsiny? (1 Korintianina 2:12; Efesianina 2:2) Mandrisika anao hanompo an’i Jehovah ve ny fiarahana aminy?

Hisoroka olana maro sy harisika kokoa hanompo an’i Jehovah ianao, raha olona tena tia azy sy tia zavatra mifandray amin’ny fanompoana azy no fidinao ho namana. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: ‘Miezaha hikatsaka ny fahamarinana, ny finoana, ny fitiavana, ny fihavanana, miaraka amin’ireo miantso ny Tompo amin’ny fo madio.’2 Timoty 2:22.

Fiarahana eo amin’ny ankizilahy sy ankizivavy

Ahoana no azonao ampiasana tsara ireo toro lalana ireo mba hifidianana vady, raha efa lehibe sy te hanambady ianao? Betsaka angamba ny zavatra mahafinaritra anao amin’ilay olona, nefa ny hatsaran’ny fifandraisany amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra.

Mampitandrina ny Kristianina imbetsaka àry ny Baiboly mba tsy hanambady olona tsy “ao amin’ny Tompo.” (1 Korintianina 7:39; Deoteronomia 7:3, 4; Nehemia 13:25) Marina fa mety ho azo itokisana sy tsara fitondran-tena ary tsara fanahy, ny olona tsy mpiray finoana aminao. Tsy mitovy anefa ny antony mahatonga anareo hanana toetra tsara toy izany, sy hanao izay hampaharitra ny fanambadiana.

Na inona na inona mitranga, dia hiezaka hanana toetra kristianina sy hanao izay hahatsara toetra azy foana, ny olona iray vita fanoloran-tena tamin’i Jehovah sy tsy mivadika aminy. Takany fa ampifandraisin’ny Baiboly ny hoe tia ny vadiny sy mifandray tsara amin’i Jehovah. (Efesianina 5:28, 33; 1 Petera 3:7) Ny fitiavana an’i Jehovah àry no antony lehibe indrindra mahatonga ny olona tsy hivadika amin’ny vadiny.

Midika ve izany fa tsy maintsy hahomby ny fanambadian’ny samy Kristianina? Tsia. Inona, ohatra, no mety hitranga raha tsy dia marisika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ilay ho vadinao? Tsy ampy hery hiatrehana ny zava-tsarotra eto amin’ity tontolo ity ny olona malemy finoana, ka ho mora voatarika hiala amin’ny fiangonana kristianina. (Filipianina 3:18; 1 Jaona 2:19) Alao sary an-tsaina ny ratram-po sy ny fifandirana mety hisy eo aminareo, raha tafalatsaka amin’ny “fahalotoan’izao tontolo izao” ny vadinao.—2 Petera 2:20.

Raha te hanambady àry ianao, dia fantaro aloha ireto, alohan’ny hifaneraserana akaiky kokoa amin’ilay olona eritreretinao: Hita miharihary ve fa mifandray tsara amin’i Jehovah izy? Manana fomba fiaina kristianina fakan-tahaka ve izy? Efa Kristianina matotra ve izy, sa mbola mila fotoana mba hahatakarana bebe kokoa ny fahamarinana ara-baiboly? Miaiky ve ianao fa hita amin’izay rehetra ataony eo amin’ny fiainany fa tia an’i Jehovah izy? Ilaina koa ny mamantatra raha tsara laza ilay olona. Ianao mihitsy anefa no tsy maintsy miaiky fa tena tia an’i Jehovah ilay olona mahaliana anao, ary mety ho vady tsara.

Tadidio koa fa voasariky ny zavatra ratsy toy ny fialam-boly na fanaovan-javatra tsy mahasoa aloha ny sasany, vao lasa niaraka tamin’ny “naman-dratsy.” Tsy hiaraka aminao hanao zavatra toy izany ny tanora fakan-tahaka eo anivon’ny fiangonana kristianina. Diniho àry ny fonao.

Aza kivy raha hitanao fa tokony hofaizina ny fonao. Azo faizina mantsy ny fo. (Ohabolana 23:12) Ny zava-dehibe indrindra àry dia hoe: Inona no tena irinao? Te ho voasarika ho amin-javatra tsara sy ny olona manao an’izany ve ianao? Afaka manampy anao hampitombo izany faniriana izany i Jehovah. (Salamo 97:10) Ho hitanao fa ho mora kokoa ny hamantatra ny atao hoe namana tsara, raha zarinao hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny sainao.—Hebreo 5:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 26]

Mandrisika anao hazoto hanompo an’Andriamanitra ny namana tsara