Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankafizin’ny Brezilianina ny Mofo Tapiôkà

Ankafizin’ny Brezilianina ny Mofo Tapiôkà

Ankafizin’ny Brezilianina ny Mofo Tapiôkà

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Brezila

ANTSOINA hoe tapiôkà ny ankamaroan’ny zavatra vita amin’ny mangahazo, any Brezila. Anisan’izany ny mofo fisapisaka sy boribory toy ny tampontsatroka, izay antsoina matetika hoe mofo tapiôkà. Tavolo azo avy amin’ny mangahazo, atao hoe polvilho doce na goma no anaovana azy io.

Manome rano fotsifotsy ny mangahazo, rehefa avy nokikisana sy nofiazana. Avela handry iny ranony iny mba hitsika any ambany ny ventiny. Ariana ilay ranony, ary ahahy amin’ny masoandro ilay tavolo mitsika any ambany avy eo.

Foto-tsakafon’ny Indianina Mena Hoditra, ny tapiôkà. Hitan’ny Portogey mpiavy, tatỳ aoriana, fa azo atao solomofo izy io. Vao taona vitsivitsy lasa anefa izay no tia mampiasa tapiôkà, ny lehiben’ny mpahandro sakafo any amin’ireo hotely brezilianina. Tapa-kevitra izy ireo fa hatao sakafo malaza any amin’ny hotely izy io.

Nampiasa ny talentany ireo lehiben’ny mpahandro, mba hanintonana olona mifidifidy hanina. Ilay mofo mahazatra ihany no ampiasainy, fa ampiany zavatra hafa. Lasa be mpitia izao ny mofo tapiôkà, ka nanjary nampiavaka ny sakafo brezilianina. Betsaka ny hotely malaza noho ny mofo tampontsatroka ataony.

Nahoana raha manandrana manamboatra ireny mofo tapiôkà ireny mihitsy ianao? Ho faly ny fianakavianao sy ireo namanao, ary hanandrana zava-baovao izy ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

Fanamboarana Mofo Tapiôkà

Zavatra ilaina mba hanaovana mofo valo:

polvilho doce 3 kaopy (350 grama), rano 1 kaopy sy tapany, sira kely.

Fomba fanaovana azy: Ataovy ao anaty vilia baolina salasalany ny polvilho doce. Asio sira ary afafazo tsikelikely eo ilay rano sady afangaroy amin’ny tanana. Polipoleso ilay izy, mandra-pahatongany ho sahala amin’ny poti-mofo, ary azonao volavolaina sahala amin’ny baolina nefa tsy miraikitra amin’ny tanana. Ataovy ao anaty pasoara avy eo, ka potsero sady sivano. Azo anaovana mofo tampontsatroka amin’izay ilay izy.

Hafanao eo ambony afo malefaka ny lapoaly tsy mampiraikitra mofo. Arotsahy ny ampahavalon’ilay koba, ary aparitaho amin’ny vodisotro mba hameno ny lapoaly. Avelao eo ambony afo mandritra ny roa ka hatramin’ny efatra minitra ilay izy, na mandra-pitambany tsara ka lasa mofo fisaka sy tsy miraikitra amin’ny sisin’ny lapoaly. Avadiho ilay izy ary avelao ho masaka mandritra ny iray minitra. Ataovy toy izany daholo ny ambiny. Ampifanaingeno ireo mofo vita.

Ho hafa indray ny endrik’ilay mofo tapiôkà, rehefa ampiana zavatra hafa. Hosory dibera izy io dieny mbola mafana, raha hatao sakafo maraina. Raraho voaniho vao avy nokikisana indroan’ny sotro ilay izy avy eo. Na azonao asiana rononomandry sy voaniho eo ambonin’ireo mofo, ary aforitra avy eo. Arosoy amin’izay!

[Sary, pejy 24]

Mangahazo

[Sary, pejy 24]

Mofo tapiôkà misy voaniho sy rononomandry