Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Misaotra tamin’ilay lahatsoratra tsara be hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Ataoko Rehefa Tsy Mahomby Aho?” (8 Desambra 2004) Toa an’i Ana, dia nihevitra aho fa nandiso fanantenana an’Andriamanitra, ka tsy hahazo ny famelany. Nohazavain’ilay lahatsoratra anefa fa namela an’i Davida i Jehovah ary nanohana azy, na teo aza ny fahalemeny. Tena mampahery ny mahalala fa hanampy antsika hiarina indray i Jehovah, raha sendra lavo isika!

G. C., Italia

Ny Galatianina 6:4 no tena nanampy ahy. Tsapako mantsy fa mampitaha ny tenako amin’ny mpiara-mianatra mahay indrindra foana aho. Hitako tamin’io lahatsoratra io fa manimba tena aho amin’izany.

C. C., Frantsa

Ray Aman-dreny Misaotra tamin’ireo torohevitra tao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Inona avy no Andraikitry ny Ray?” (8 Septambra 2004) Hainay izao ny fomba handentehana ny toro lalan’i Jehovah ao am-pon’ny zanakay, dieny mbola kely izy. Toy ny hoe nosoratana ho anay mihitsy ny lahatsoratra toy ireny, satria manome izay ilainay eo amin’ny lafiny ara-panahy, amin’ny fotoana ilanay azy foana.

K. sy M. P., Polonina

Ankizivavy Bevohoka Misaotra tamin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ankizivavy Bevohoka—Olana Eran-tany.” (8 Oktobra 2004) Tsy voavakiko hatramin’ny farany akory ilay izy dia nitomany aho. Ny zavatra iainan’ny zokiko vavy mihitsy no resahin’ilay lahatsoratra. Misaotra an’i Jehovah aho fa tonga tamin’ny fotoana tena nilako azy ilay andian-dahatsoratra. Manampy ahy hahatakatra kokoa ny fihetseham-pon’ny zokiko ilay izy.

M. S., Indonezia

Tena hita mihitsy hoe miara-miory sy be fitiavana ireo anti-panahy, eo amin’ilay sary eo amin’ny pejy 10. Misongadina tsara eo ny fitiavana sy famindram-po tsy manan-tsahalan’i Jehovah! Misaotra mampianatra anay hanahaka an’ilay Andriamanitsika, rehefa mifandray amin’ireo nanao fahotana lehibe nefa mibebaka.

T. K., Ukraine

Fitoriana any An-tsekoly Tena nampiaiky volana ahy ilay lahatsoratra hoe “Tanora Sahy Miresaka ny Finoany.” (8 Septambra 2004) Nanampy ahy hiresaka ny finoako tamin’ny mpiara-mianatra tamiko sy ny mpampianatra, ny fitantaran’i Jessica sy Melissa ary Holly. Menatra ny hitory aho tamin’ny voalohany. Sahy mitory amin’ny olona rehetra any am-pianarana anefa aho izao.

G. O., Nizeria

Hazapotsy Tsy ela izay dia nanohina ny foko ilay lahatsoratra hoe “Inona moa ny Hazapotsy?” (8 Oktobra 2004) Sivy taona aho no nanomboka voan’ny hazapotsy, ary 30 taona mahery aho izao. Betsaka ny fitsaboana narahiko, fa tsy nisy nahomby. Niaiky aho taorian’izay, fa tsy maintsy miandry ny tontolo vaovaon’Andriamanitra vao ho sitrana. Mahafa-po ahy ny fiainako, na izany aza! Afaka manao zavatra maro sy manana fiainana sambatra ianao, na dia voan’io aretin-koditra io aza!

M. S., Mozambika

Riandrano Misaotra tamin’ilay lahatsoratra tena tsara hoe “Fizahana Riandrano Kanto.” (8 Martsa 2004) Misy farihy, ony, ala ary tendrombohitra maro eto Zambia. Ary tena mahafinaritra ireo riandrano. Io lahatsoratra io dia nahatonga ahy hisaotra an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, noho ireo zavatra noforoniny.

G. M., Zambia