Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Hamaivanina ny Adin-tsaina!

Azo Hamaivanina ny Adin-tsaina!

Azo Hamaivanina ny Adin-tsaina!

“MIHASAROTRA tato ho ato ny mampifandanja ny asa sy ny fianakaviana ary ny adidy hafa”, hoy ny boky iray nivoaka vao haingana, miresaka momba ny fiainam-pianakaviana. Mampiady saina tokoa ny fiainana, ankehitriny. Tsy gaga amin’izany anefa ny mpianatra ny Baiboly, satria efa nilaza mialoha ny Baiboly fa ho “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao androntsika izao.—2 Timoty 3:1-5.

Hoy i Jesús, manan-janaka telo: “Tsy maintsy misy ny adin-tsaina. Mila hainao àry ny manamaivana azy io.” Marina fa mora am-pitenenana izany, saingy sarotra tanterahina. Misy soso-kevitra azo ampiharina sy toro lalana ara-baiboly anefa afaka manampy anao.

Rehefa miady saina noho ny asa

Mampiady saina anao ve ny asanao? Vao mainka hitombo ny adin-tsainao, raha tazoninao ho anao irery. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 15:22: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.”

Milaza ny mpikaroka momba ny adin-tsaina vokatry ny asa, fa tokony hiresaka amin’ny mpampiasa anao ianao, satria mety ho afaka hanampy anao izy, raha fantany izay manjo anao. Tsy midika anefa izany hoe tokony hanampatra ny hatezeranao ianao rehefa miresaka aminy. Hoy ny Mpitoriteny 10:4: “Ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.” Aza mivatravatra àry, fa aoka ianao ho tony mba haharesy lahatra azy. Lazao aminy fa hahavita asa betsaka kokoa ianao, raha tsy miady saina loatra.

Azo ampiharina koa izany torohevitra izany amin’ny olana hafa ao am-piasana, toy ny ady amin’ny mpiara-miasa. Tadiavo izay fomba tena mahomby handaminana an’ilay izy. Manaova fikarohana, raha ilaina. Efa namoaka lahatsoratra mahasoa maro ny gazety Mifohaza! * Raha mbola tsy voavaha ihany ilay olana, dia tsara angamba ny mitady asa hafa.

Rehefa sahirana ara-bola

Misy torohevitra afaka manampy anao koa ao amin’ny Baiboly, raha ny fahasahiranana ara-bola no mampiady saina anao. Izao no torohevitr’i Jesosy Kristy: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.” (Matio 6:25) Ahoana anefa no hahavitana izany? Mila matoky ianao fa hanome izay tena ilainao i Jehovah Andriamanitra. (Matio 6:33) Tsy poakaty ny fampanantenany. Mampahery Kristianina an-tapitrisany izany ankehitriny.

Mila ‘hendry’ koa anefa ianao, rehefa mampiasa vola. (Ohabolana 3:21; Mpitoriteny 7:12) Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka ho afa-po amin’izany.” (1 Timoty 6:7, 8) Mahay miaina amin’ny zava-misy ny olona mianatra ny ho afa-po amin’izay kely ananany. Mbola tsaroanao angamba i Leandro, ilay tsy afa-nandeha intsony taorian’ny lozam-piarakodia nanjo azy, ka tsy maintsy mampiasa seza misy kodiarana. Niezaka nitsitsy vola izy mivady. Hoy i Leandro: “Miezaka mitsitsy izahay. Raha misy jiro mirehitra, ohatra, nefa tsy ilaina, dia pihinay ilay izy mba hitsitsiana herinaratra. Iarahanay midinika mialoha koa ny dia aleha ilana fiara, ka atambatray mba hitsitsiana lasantsy.”

Azon’ny ray aman-dreny ampianarina mitsitsy vola koa ny zanany. Hoy i Carmen, zanak’i Leandro: “Maimay hividy zavatra aho matetika. Nampianarin’ny ray aman-dreniko hamantatra izay tena ilaina sy tsy tena ilaina anefa aho. Sarotra tamiko ny niova tamin’ny voalohany. Lasa haiko anefa izao ny manavaka hoe inona no haitraitra fotsiny, ary inona no tena ilaiko.”

Manamaivana ny adin-tsaina ny fifampiresahana

Tokony ho toerana hahitana filaminan-tsaina ao an-trano, nefa ao matetika no tena tsy ahitana an’izany. Nahoana? Hoy ny boky Fomba Hampaharetana ny Fanambadiana (anglisy): ‘Milaza ireo olona sorisorena na miady lava amin’ny vadiny, fa tsy mifampiresaka firy izy ireo, ka izany matetika no mampiady azy.’

Afaka manampy ny mpivady hanatsara ny fomba ifampiresahany ny toro lalan’ny Baiboly. Milaza ny Baiboly fa “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” Resahiny koa fa ‘tena tsara ny teny atao amin’izay andro mahamety azy.’ (Mpitoriteny 3:1, 7; Ohabolana 15:23) Aza manao resaka mety tsy ho tantin’ny vadinao àry, raha mbola reraka izy na miady saina. Aleo miandry ny fotoana mety, izany hoe rehefa vonona kokoa hihaino izy.

Marina fa tsy mora ny ho tony na hanana faharetana, rehefa reraka na tezitra avy any am-piasana ianao. Inona anefa no mety hitranga raha manampatra ny hatezeranao amin’ny vadinao ianao, ka manao teny maharary aminy? Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe: “Ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Mifanohitra amin’izany kosa fa “toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” (Ohabolana 16:24) Mila miezaka mafy angamba ny mpivady, mba hahatonga ny resaka ifanaovany tsy hahitana ‘lolompo, fahatezerana, fahavinirana, filelalelana, ary fanevatevana.’ (Efesianina 4:31) Tsy ho very maina anefa ny ezak’izy ireo. Mifampionona sy mifampahery ny mpivady mifampiresaka. Hoy ny Ohabolana 24:6: “Raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.” *

Tsy mora ny miresaka amin’ny zanaka

Tsy mora ny miresaka amin’ny zanaka, indrindra raha tsy manam-potoana firy ianao. Ampirisihin’ny Baiboly anefa ny ray aman-dreny mba hanararaotra ny fotoana rehetra azony iresahana amin-janany, toy ny rehefa ‘mipetraka ao an-trano, na mandeha any an-dalana.’ (Deoteronomia 6:6-8) Hoy i Leandro: “Tsy maintsy hararaotina ny fotoana rehetra ahafahana miresaka. Manararaotra miresaka amin-janako lahy aho, rehefa miara-mandeha fiara izahay.”

Marina fa tsy mora amin’ny ray aman-dreny sasany ny miresaka amin-janany. Hoy i Alejandra, manan-janaka telo: “Tsy nahay nihaino aho. Nanjary tsy tena nahay niresaka aho noho izany, ka sorena sy nahatsiaro tena ho meloka.” Inona no vahaolana amin’izany? Mianara aloha ‘mihaino.’ (Jakoba 1:19) Hoy ny Dr. Bettie Youngs: “Anisan’ny fomba tena mahomby hampihenana ny fahasorenana ny fihainoana tsara.” Tsy maintsy tandremanao tsara ny fomba fihainoanao ny zanakao. Jereo tsara izy, ary aza hamaivanina ny olana mahazo azy. Ampirisiho izy hamboraka ny ao am-pony. Mahaiza mametraka fanontaniana. Asehoy azy foana fa tianao izy, ary matoky ny fahendreny ianao. (2 Tesalonianina 3:4) Miaraha mivavaka aminy.

Mitaky ezaka ny fifampiresahana tsara sy tsy tapaka. Hilamina kokoa anefa ny fiainanareo, raha manao izany ianao. Ny firesahanao amin’ny zanakao no hahalalanao raha miady saina izy na tsia. Ho hainao kokoa ny hanoro hevitra azy, raha fantatrao izay ao am-pony sy izay manjo azy. Raha ampirisihina hamboraka izay mampiady saina azy koa ny tanora, dia tsy atahorana firy hampiseho izany amin’ny alalan’ny ditra.

Samia mandray anjara mba ho vita ny raharaha

Mety hanahirana be koa ny fanaovana ny raharaha ao an-trano, rehefa samy miasa ny mpivady. Ataon’ny renim-pianakaviana sasany àry izay hahakely ny raharahany. Hitan’izy ireo, ohatra, fa mahabe raharaha ny mikarakara sakafo be, sady mety tsy ho vita mihitsy izany. Tadidinao angamba ilay torohevitra nomen’i Jesosy an’ilay vehivavy nikarakara sakafo be. Hoy izy: “Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, eny, iray monja aza.” (Lioka 10:42) Aza mahandro sakafo be àry. Izao no soso-kevitry ny boky Ny Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy Ray na Reny (anglisy): “Manaova laoka ketsaketsa na sakafo tsy ilana afa-tsy vilany iray, mba ho vitsivitsy ny zavatra sasana.” Tsy dia ho sahirana tokoa ianao, raha ahenanao ny raharahanao.

Mety ho mbola betsaka ihany anefa ny zavatra mila atao. Hoy ny renim-pianakaviana iray miasa: “Vitako irery ny raharaha rehetra, tamin’izaho mbola tanora. Tsy maharaka intsony anefa ny aiko izao. Manomboka mitaky ny havizanana vokatry ny hazakaza-dava fahiny. Mifanampy àry izahay rehetra ato an-trano, ka tsy reraka loatra aho.” Ho vita daholo tokoa ny raharaha, raha samy mandray anjara ny mpianakavy rehetra, ka tsy hisy ho matin-draharaha. Hoy ny boky iray momba ny fitaizana: ‘Ny fanomezana raharaha ny ankizy no iray amin’ireo fomba tsara indrindra hanampiana azy hahatsapa fa mahay zavatra izy. Raha zatra manao raharaha izy, dia ho zatra miasa sy hankafy izany.’ Azonao hararaotina tsara iresahana aminy koa ilay fotoana iarahanareo manao raharaha.

Hoy ny tovovavy iray atao hoe Julieta: “Hitako hoe mahatsiaro ho maivamaivana i Neny rehefa manampy azy manao raharaha aho. Faly aho sady tsapako hoe azo anankinana andraikitra aho. Lasa mahafinaritra ahy ny mijanona ao an-trano. Mampiofana ahy sahady hikarakara tokantrano koa ny mianatra manao raharaha.” Mitovy hevitra amin’izany i Mary Carmen. Hoy izy: “Mbola kely izahay dia efa nampianarin’ny ray aman-dreninay hikarakara tena. Nahasoa anay tokoa izany.”

Fomba tsara iatrehana ny adin-tsaina

Zava-misy ankehitriny ny adin-tsaina, ka tsy ho afaka tanteraka. Afaka mianatra manamaivana azy io anefa ianao. (Jereo ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-10.) Hahasoa anao ny mankatò ny toro lalan’ny Baiboly. Raha tsapanao, ohatra, fa mavesatra loatra ny olana mianjady aminao, dia tadidio fa “misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” (Ohabolana 18:24) Resaho amin’ny namana matotra na amin’ny vadinao ilay izy. Hoy i Ronald Pitzer, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: “Aza tazonina ho anao irery ny fihetseham-ponao sy ny tebitebinao, fa aborahy amin’ny olona tony, hendry, mahay miara-miory, ary mangoraka.”

Milaza koa ny Baiboly fa mila ‘manao soa amin’ny tenany’ ny olona. (Ohabolana 11:17) Mila mikarakara tena koa àry ianao. Hoy ny Baiboly: “Tsara ny eran-tànan’ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.” (Mpitoriteny 4:6) Manokàna fotoana ho an’ny tenanao, na dia minitra vitsy monja isa-maraina aza, mba hisotroana dite, hamakiana teny, hivavahana, ary hisaintsainana. Tena hahasoa anao izany.

Tsara koa ny manao fanatanjahan-tena araka ny antonony, sy mihinana sakafo mahasalama. Toy ny vola tahirizina any amin’ny banky ny fotoana sy ny herin’ny olona tsirairay, araka ny boky iray momba ny fitaizana. Hoy io boky io: ‘Raha ampiasainao ho an’ny tenanao ny herinao sy ny fotoananao sasany, dia toy ny hoe mampitombo an’ilay vola any amin’ny banky ianao. Tokony hampianao anefa ny herinao, isaky ny avy manao zavatra ho an’olon-kafa ianao. Raha tsy izany, dia hihena tsikelikely ilay izy, na ho lany tanteraka.’

Ampian’ny Baiboly koa isika, mba hanana ireo toetra ilaina hanamaivanana ny adin-tsaina. Anisan’izany ny “fahalemem-panahy” sy ny faharetana ary ny hatsaram-panahy. (Galatianina 5:22, 23; 1 Timoty 6:11) Ambonin’izany, dia mampanantena ny Baiboly fa hisy tontolo vaovao tsy ho ela, ka ho foana daholo ny zavatra mampijaly ny olombelona! (Apokalypsy 21:1-4) Tsara àry ny mizatra mamaky Baiboly isan’andro. Raha tianao ho fantatra ny fomba azo anaovana izany, dia vonona hanampy anao maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy midika anefa izany hoe tsy miady saina mihitsy ny Kristianina. Nilaza kosa i Jesosy fa azo atao tsara ny mitandrina, mba tsy “hovesaran’ny ... fanahiana eo amin’ny fiainana.” (Lioka 21:34, 35) Tena hiaro anao koa i Jehovah Andriamanitra, raha miezaka hahalala azy sy hinamana aminy ianao! (Salamo 62:8) Afaka manampy anao hanamaivana ny adin-tsaina izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2005, pejy 6-7; Mifohaza 8 Jolay 2005, pejy 10-11; 8 Jona 1996, pejy 3-10.

^ feh. 15 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko faha-3 amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Vitako irery ny raharaha rehetra, tamin’izaho mbola tanora. Tsy maharaka intsony anefa ny aiko izao. Manomboka mitaky ny havizanana vokatry ny hazakaza-dava fahiny”

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Ahoana no Hanamaivanana ny Adin-tsaina?

▪ Mialà sasatra tsara isan’andro

▪ Aza misakafo be loatra, fa ataovy antonony

▪ Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka, toy ny dia maika, raha mety aminao

▪ Resaho amin’ny namanao izay mampitebiteby anao

▪ Manokàna fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ny fianakavianao

▪ Omeo anjara raharaha ny olon-kafa ao an-trano

▪ Fantaro izay zavatra tsy ho vitanao na tsy ho tantinao

▪ Aza mitady hanatratra tanjona ambony loatra. Aza mitady ny tonga lafatra

▪ Mahaiza mandamin-javatra. Aza mieritreritra hanao zavatra be loatra

▪ Miezaha hanana toetra kristianina toy ny fahalemem-panahy sy faharetana

▪ Manokàna fotoana ho an’ny tenanao

[Sary, pejy 7]

Mety ho maivana ny adin-tsainao raha resahinao amim-panajana amin’ny mpampiasa ny olana mahazo anao

[Sary, pejy 8]

Azon’ny ray aman-dreny ampianarina mitsitsy vola ny zanany

[Sary, pejy 8]

Ry tanora, resaho amin’ny olona afaka manampy anao izay mampiady saina anao

[Sary, pejy 8, 9]

Afaka mifanampy amin’ny raharaha ny mpianakavy rehetra