Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsidihana Ilay “Tendrombohitra Afo”

Fitsidihana Ilay “Tendrombohitra Afo”

Fitsidihana Ilay “Tendrombohitra Afo”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

VITSY ny firenena manana volkano tazana hatraiza hatraiza, na any ambanivohitra ianao, na eny amoron-dranomasina, na any an-tanàn-dehibe. Hahita volkano toy izany ianao, raha mankany an-tanànan’i Catane. Any no misy an’i Etna, volkano avo indrindra atỳ Eoropa, satria 3 300 metatra mahery ny haavony. Mbola velona io volkano io. Any amin’ny faritra avaratry ny morontsiraka atsinanan’i Sisila no misy an’i Etna.

Efa voamarika hatry ny ela

Niantso an’i Etna hoe Tendrombohitra Afo ireo Arabo nifehy an’i Sisila nandritra ny fotoana naharitra. Ary tsy mandainga mihitsy ny anarany, satria tsy mitsahatra mamoaka magmà na vato mitsonika mahamay be izy, avy any anatiny lalina any. Anisan’ny mpanoratra tranainy indrindra nitantara momba ny fipoahan’i Etna i Pindare sy Eschyle, ary mbola hita hatramin’izao ny asa soratr’izy ireo. Samy nanoratra momba ny nipoahan’izy io tamin’ny 475 T.K. izy ireo. Tena mampitolagaga indraindray ny mijery ny magmà mena mivaivay avoakan’i Etna, satria miolikolika toy ny bibilava ilay izy midina an’ilay tendrombohitra, ary mivarina any an-dranomasina. Efa nitranga izany tamin’ny taona 396 T.K. sy 1329 A.K. ary 1669 A.K. Io farany io no voalaza fa fipoahana nalaza indrindra hatramin’izay, satria magmà nanana sakany 2 kilaometatra teo ho eo sy halavany 25 kilaometatra no nikoriana avy tao amin’i Etna. Nihoatra ny mandan’ny tanànan’i Catane ilay izy, ary nanimba trano 27 000 mahery sy nanototra ny ampahany tamin’ny seranana.

Maro no milaza fa mafy kokoa ny fihetsehan’io volkano io tamin’ny taonjato faha-20. Nipoaka imbetsaka mantsy izy io nandritra iny taonjato iny, ka ilay tamin’ny 1928 no mafy indrindra, ary nandrava ny tanàna kelin’i Mascali. Mbola manahirana sy mampitebiteby ny mponina eo an-toerana foana tato ho ato ny magmà sy lavenona avoakan’i Etna.

“Mama Be”

Misy milaza hoe 170 000 taona izay, fara fahakeliny, no nanomboka niforona ny tendrony avo indrindra amin’i Etna, rehefa nisy magmà nivoaka avy tao. Ny fipoahany imbetsaka tatỳ aoriana kosa no nampisy ireo tendrony 250 iva kokoa eny amin’ny tehezany. Toy ny hoe zazakely mitangorona eo amin’ny reniny izy ireo, ka nomena anaram-bosotra hoe Mama Be i Etna.

Raha mandeha fiara na lamasinina manodidina an’i Etna ianao, dia hahita toerana isan-karazany mahavariana. Anisan’izany ny Monti Rossi (Havoana Mena) any akaikin’ny Nicolosi, ny Vava Volkano Silvestri, ary ilay faritra milempona midadasika, antsoina hoe Valle del Bove (Lohasahan’ny Omby), izay hita avy any Giarre sy Zafferana.

Efa ela be no nisian’io volkano io, na dia mbola tsy fantatra tsara aza ny momba izany. Magmà avy any an-dranomasina sy teo amorontsiraka no nampisy ny morontsiraka any avaratr’i Catane. Antsoina hoe Riviera dei Ciclopi (morontsirak’ireo olona goavana toka-maso tao amin’ny angano grika) ny ampahany amin’izy io, ary maintimainty ireo hantsam-bato avy amin’ny magmà eo aminy. Ahitana vatobe hafakely mipoitra avy any an-dranomasina, eo anoloan’ny hantsam-bato any Aci Trezza. Antsoina hoe Faraglioni izy ireo.

Fitiavana hafakely

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Dia tsy mba matahotra ve ny olona mipetraka eo am-pototr’io volkano io hoe hipoaka izy io?’ Rehefa tsy mirohondrohona i Etna, dia tsy tadidin’ny olona akory ny fisiany. Nampitaha azy io tamin’ny biby i Guy de Maupassant, mpanoratra frantsay tamin’ny taonjato faha-19. Hoy izy ao amin’ilay bokiny hoe Dia Nankany Sisila: ‘Tsy mihetsika ilay biby, fa irỳ matory irỳ.’ Raha mamoaka setroka be i Etna, dia mety hanopy maso kely any fotsiny ny olona. Miova kosa anefa ny fihetsik’izy ireo, raha mandre feo mirohondrohona amin’ny misasakalina izy ireo, ary mahita fa feno lavenona ny orony sy ny masony, na ny lavarangany sy ny arabe. Hatahotra sy ho mailomailo izy ireo amin’izay, indrindra raha mahita magmà mena mivaivay mivoaka moramora avy ao amin’i Etna, ka mikoriana tsikelikely mankatỳ ambany, ary mandevona izay rehetra andalovany.

Na izany aza, dia antsoin’ny olona hoe ilay “goavana tsara fanahy” i Etna. Vitsy kely mantsy ny olona matiny, na dia betsaka aza ny zavatra simbany. Maro, ohatra, ny tanàn-dehibe sy voly potika. Nisy toerana fitsangantsanganan’ny mpizaha tany koa simba, vao haingana. Mandrava ny zavatra nisasaran’ny olona i Etna, rehefa mipoaka. Tsy kivy anefa ny mponina, fa manorina ny zava-drehetra indray.

Tena hain’ilay poety italianina atao hoe Giacomo Leopardi ny miresaka ny fitiavan’ny olona ny taniny, na dia eo am-pototry ny volkano aza. Nampitoviny tamin’ny karazana kifafambohitra ireny olona ireny. Eny akaikin’ny toerana misy volkano no tena ahitana an’io ahitra io. Mavo mamiratra tsara tarehy ny felany. Tsy milofika mihitsy izy ireny, raha tsy efa tototry ny magmà. Vao tapitra anefa ilay fipoahana, ka mangatsiaka ilay magmà, dia iny indray ilay ahitra fa manomboka maniry sy mamelana! Toy izany koa ireo mponina ireo. Be herim-po sy matanja-tsaina izy ireo ka tsy kivy, fa miverina eo indray ka manohy ny fiainany.

Mihamiova i Etna

Toa mihamiova io tendrombohitra “goavana tsara fanahy” io, araka ny hevitr’ireo manam-pahaizana momba ny volkano. Marina fa tsy nipoaka be intsony izy io tato ho ato. Hoy anefa ny gazety italianina Focus: ‘Lasa mihamampahatahotra ilay volkano noheverintsika hoe tsy mampidi-doza.’ Nampitandrina toy izao ny mpikaroka frantsay sy italianina: ‘Mihamiova tsikelikely i Etna. Mety tsy hamoaka magmà moramora na gazy kelikely intsony izy io, fa tena hipoaka be.’ Nanamafy izany i Paola Del Carlo, mpikaroka ao amin’ny Fikambanana Italianina Mandinika ny Tany sy ny Volkano any Catane. Nilaza izy fa namoaka magmà sy nipoaka matetika kokoa io volkano io tato anatin’ny 30 taona farany, ka sarotra ny milaza marina izay hitranga amin’ny hoavy.

Tendrombohitra mahatalanjona

Mampahatahotra i Etna, nefa tena mahatalanjona. Mijoalajoala be eo amorontsiraka izy io. Manopy fotsy izy amin’ny ririnina, satria rakotry ny lanezy. Manopy volontsôkôlà antitra kosa izy rehefa fahavaratra. Mampihovotrovotra ny tany i Etna, ary mampivadi-po ny olona. Manazava ny alina koa izy, rehefa mipoaka. Hita tokoa àry fa mahery ilay namorona azy. (Salamo 65:6; 95:3, 4) Raha mba afaka mankany Sisila ianao indray andro any, dia aza hadinoina ny mijery an’i Etna. Ho tazanao lavitra izy io, ary hahita setroka be mivoaka avy ao ianao. Hilaza aminao avy hatrany ny olona hoe: “Aza matahotra raha mahare zavatra mirohondrohona, fa fomba fiarahaban’i Etna fotsiny izany.”

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

ITALIA

SISILA

Etna

[Sary, pejy 14]

Sarin’i Etna tamin’ny 1843

[Sary nahazoan-dalana]

Culver Pictures

[Sary, pejy 15]

26 Jolay 2001

[Sary, pejy 15]

28 Jolay 2001; eo aoriana i Catane

[Sary, pejy 15]

30 Oktobra 2002

[Sary, pejy 15]

12 Septambra 2004

[Sary, pejy 16]

Vatobe hafakely antsoina hoe Faraglioni

[Sary, pejy 17]

Antsoin’ny olona eo an-toerana hoe ilay “goavana tsara fanahy” i Etna

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Sary rehetra: © Tom Pfieffer; sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary lehibe: © WOLFGANG KAEHLER 2005, www.wkaehlerphoto.com; Faraglioni: Dennis Thompson/Unicorn Stock Photos