Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hivavaka Amin’i Maria Virjiny ve Ianao?

Tokony Hivavaka Amin’i Maria Virjiny ve Ianao?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tokony Hivavaka Amin’i Maria Virjiny ve Ianao?

FANTA-DAZA i Maria eo amin’ny ankamaroan’ny olona mahalala momba ny Kristianisma. Tantarain’ny Soratra Masina fa nitahy manokana an’io tovovavy io ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, rehefa nifidy azy ho renin’i Jesosy. Hafakely ny fahaterahan’i Jesosy, satria virjiny i Maria tamin’izy bevohoka azy. Misy fivavahana, anisan’ny Kristianisma Anarana, manome fanajana manokana an’i Maria, efa hatramin’ny ela be. Nanambara azy ho “Renin’Andriamanitra” ny Konsilin’i Efezy, tamin’ny taona 431, ary maro ankehitriny ny olona ampianarina hivavaka aminy. *

Fantatry ny mpivavaka tso-po anefa, fa tsy maintsy havantany amin’ilay manana ny zo hivavahana ny vavak’izy ireo. Inona no ampianarin’ny Baiboly momba izany? Tokony hivavaka amin’i Maria Virjiny ve ny Kristianina?

“Mba ampianaro mivavaka izahay”

Tantarain’ny filazantsaran’i Lioka fa nangataka toy izao tamin’i Jesosy ny mpianany iray: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” Dia hoy i Jesosy: “Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao.’ ” Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka koa izy, nandritra ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Hoy izy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.”—Lioka 11:1, 2; Matio 6:9.

Ny zavatra voalohany ianarantsika àry dia hoe tokony havantana amin’i Jehovah, Rain’i Jesosy, ny vavaka. Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy hoe afaka mivavaka amin’olon-kafa isika. Mety tsara izany, satria “Andriamanitra saro-piaro” i Jehovah, araka ny nolazaina tamin’i Mosesy tamin’izy nandray ny Didy Folo.—Eksodosy 20:5.

Ahoana ny amin’ny sapile?

Nampianarina an’ireo olona maro mivavaka amin’i Maria, fa hahazo fitahiana izy ireo rehefa mamerimberina vavaka voalahatra mialoha sy voafaritra tsara. Anisan’izany ny Arahaba ry Maria, sy ny Rainay any An-danitra, ary ny hafa koa. Ho an’ny Katolika, hoy ny boky Famantarana ny Fivavahana Katolika (anglisy), dia “ny toko sapile no tena anehoana ny fifikirana amin’i Maria.” Fomba anomezam-boninahitra azy koa izy io. Kofehy misy vakana maro ny sapile, ary natao hanisana vavaka. Hoy ihany ilay boky: ‘Tokony haverina indimampolo ny Arahaba ry Maria, indimy avy ny Rainay sy ny Voninahitra. Mba hahamora ny fanisana izany, dia nasiana vakana iray lehibe kokoa taorian’ny antokona vakana folo miverina indimy.’ Mahafaly an’Andriamanitra ve ny mihaino vavaka atao tsianjery amin’ny toko sapile?

Hita ao amin’ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany ny valiny azo antoka momba izany. Hoy izy: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.’ (Matio 6:7) Nolazainy mazava tsara àry, fa tsy tokony hamerimberina teny mitovy foana izy ireo, rehefa mivavaka.

Mety hisy hanontany toy izao anefa: ‘Fa angaha i Jesosy tsy nampianatra ny mpianany hamerina ny Rainay any An-danitra, izay anisan’ny toko sapile?’ Marina fa vavaka modely nomen’i Jesosy ny Rainay Izay any An-danitra, na ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Tokony homarihintsika anefa fa nampitandrina ny tsy ‘hamerimberenana zavatra mitovy foana’ aloha izy, ary taorian’izany avy hatrany no nanomezany ilay vavaka modely. Samy hafa koa ny teny nampiasainy, tamin’ireo fotoana roa nampianarany hivavaka. Hita amin’izany fa tsy tao an-tsain’i Jesosy ny hamerimberenana sy hanaovana tsianjery an’io vavaka modely io. (Matio 6:9-15; Lioka 11:2-4) Iray ihany ny hevitra nolazainy, fa samy hafa ny teny nampiasainy. Afaka manatsoaka hevitra àry isika hoe modely fotsiny no nomen’i Jesosy ny mpianany, mba hahalalan’izy ireo ny fomba fivavaka sy izay azony atao antom-bavaka. Nampahafantariny koa hoe amin’iza no tokony hivavaka, ary izany no zava-dehibe indrindra.

Fanajana an’i Maria

Marina fa tsy mampianatra ny Kristianina hivavaka amin’i Maria ny Soratra Masina, nefa tsy midika mihitsy ho tsy fanajana azy izany. Mendrika hohajaina izy satria nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Hahasoa mandrakizay ny olombelona mankatò rehetra, ireo fitahiana azo amin’ny alalan’ny Zanany. I Maria mihitsy no niteny hoe: “Hilaza ahy ho sambatra ny taranaka rehetra.” Nilaza koa i Elizabeta, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, fa ‘notahin’Andriamanitra tamin’ny vehivavy rehetra’ izy. Tena marina izany, satria izy no nanana tombontsoa lehibe ho voafidy hiteraka ny Mesia.—Lioka 1:42, 48, 49.

Tsy i Maria ihany anefa no lazain’ny Soratra Masina hoe vehivavy notahina. Voalaza koa fa ‘notahina mihoatra noho ny vehivavy’ rehetra i Jaela, noho izay nataony ho an’ny firenen’ny Israely fahiny. (Mpitsara 5:24) Tena mendrika hotahafintsika, fa tsy hivavahantsika, na i Jaela sy Maria nahatoky, na ireo vehivavy tsara hafa resahin’ny Baiboly.

Nahatoky ny ankamaroan’ny mpanara-dia an’i Jesosy, anisan’izany i Maria. Teo izy tamin’ny fotoana maro samihafa, nandritra ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany sy tamin’ny nahafatesany. “Naharitra nivavaka” niaraka tamin’ireo rahalahin’i Jesosy izy, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Koa afaka mino isika fa voahosotry ny fanahy masina niaraka tamin’izy ireo koa izy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nanantena ny ho anisan’ny ampakarina àry izy, ka hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra.—Matio 19:28; Asan’ny Apostoly 1:14; 2:1-4; Apokalypsy 21:2, 9.

Tsy mamela antsika hivavaka amin’i Maria anefa izany rehetra izany. Tena anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra ny vavaka avy amin’ny fo, ka ampirisihina ny Kristianina ‘haharitra amin’ny vavaka.’ (Romanina 12:12) Tokony havantana amin’i Jehovah irery ihany anefa ny vavaka rehetra, ary hatao amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.—Matio 4:10; 1 Timoty 2:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ilay fampianarana tsy araka ny Soratra Masina hoe Andriamanitra tokana olona telo, no niavian’ny hoe renin’Andriamanitra i Maria. Lazaina ao mantsy fa Andriamanitra i Jesosy.