Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ny Alina Mitondra Fisainana

Hoy ny gazety The Times any Londres: “Maro no nahatsapa rehefa maraina, fa lasa mora kokoa tsy araka ny nieritreretany azy, ny olana tsy voavahany talohan’izy nandeha natory. Toy ny hoe nikaroka tsimoramora ny atidohany, nandritra ny alina.” Namoaka ny porofon’izany tao amin’ny gazety Nature ny mpahay siansa any Alemaina. Nisy olona 66 nasaina namaha olana matematika iray. Nampianarina fomba roa izy ireo hahitana ny valiny. Nisy fomba fahatelo anefa hahitana haingana kokoa ny valiny, fa tsy natoro azy ireo. Navela hatory ny sasany avy eo, fa ny hafa kosa tsy natory na alina na antoandro. “Nahagaga ny vokatry ny torimaso”, hoy ny gazety The Daily Telegraph any Londres. ‘Mora kokoa’ tamin’ireo olona natory mantsy ‘ny nahita an’ilay fomba fahatelo.’ Nisy fitsapana hafa natao àry, mba hanamarinana fa tsy noho izy ireo afa-bizana sy nahazo hery vao no nahatonga izany. Nasaina namaha olana hafa indray ireo antokon’olona roa ireo: ny sasany nampanaovina ilay fitsapana tamin’izy vao nifoha maraina, ary ny hafa kosa tamin’ny alina raha mbola tsy natory mihitsy nandritra ny andro. Nitovy ny fahaizan’izy ireo tamin’io fitsapana io. Hita amin’izany fa “tsy noho ny atidoha afa-bizana no mahatonga azy hahita vahaolana, fa noho izy mandamina izay efa ao anatiny, mandritra ny torimaso”, hoy ny The Times. ‘Mbola mikarokaroka foana àry ny saina na dia mandritra ny torimaso aza’, hoy ny Pr. Ullrich Wagner.

Te Hangoron-karena koa ny Ankizy

Nandinika ny vokatry ny fitiavan-karena eo amin’ny ankizy, i Juliet Schor, manam-pahaizana ao amin’ny Oniversiten’i Boston. Hitany fa amin’ny ankizy rehetra, dia ny ankizy sy ny zatovo amerikanina no “faran’izay tia manao akanjo misy marika malaza, tia mividy zavatra, ary matimatin-karena.” Milaza ny gazety Globe and Mail any Kanada, fa tia harena ny ankizy raha “mieritreritra lava momba ny paoziny sy ny akanjony, maniry mafy ho lasa malaza sy hanan-karena, ary mihamandany fotoana amin’ny tele sy Internet ary lalao video.” Tsikaritry ny Pr. Schor fa ny ankizy mieritreritra foana ny zavatra tiany hovidina, no tena manonofy ho lasa mpanankarena. “Vao mainka lasa manakiana ny tenany izy ireo sady tsy mahafinaritra azy ny fiainany, satria ampitahainy amin’ny fiainan’ny olona hitany ao amin’ny tele na ny dokam-barotra.” Ny ankizy tsy matimatin-karena kosa anefa dia tsy ketraka, tsy miady saina firy, tsy marary vokatry ny fiasan’ny saina, mahatsiaro tena ho misy vidiny kokoa, ary mifandray tsara kokoa amin’ny ray aman-dreniny, hoy ny Globe.

Mpiloka Mangataka Fandrarana Tsy Hiloka

Hoy ny gazety Le Figaro: “Olona 300 000 ka hatramin’ny 500 000 eo ho eo no andevozin’ny filokana any Frantsa.” Mihabetsaka anefa izy ireo no mahatsapa fa mila miala amin’io fahazarana io. Voalaza tao amin’ilay gazety fa nisy Frantsay 28 000 nankany amin’ny polisy, ary nangataka mba horarana tsy hiditra eny amin’ny toerana filokana, mandritra ny dimy taona, fara fahakeliny. Milaza ny polisy any Frantsa, fa olona 2 000 ka hatramin’ny 3 000 isan-taona no manao fangatahana toy izany, ary nitombo avo enina heny izany tato anatin’ny folo taona. Voalaza ao amin’ny Le Figaro koa fa maro ny mpiloka milaza hoe tokony hoheverina ho toy ny “olana lehibe manimba ny fahasalamam-bahoaka, toy ny sigara, toaka, ary zava-mahadomelina” io fahazaran’izy ireo io.

Manala Loiloy ny Sakamalao

Milaza ny gazety Australian fa “afaka ilay maloiloy tsapan’ny vehivavy, mandritra ireo volana voalohany hitondrany vohoka, raha mihinana sakamalao izy.” Hita tamin’ny fikarohana natao tao amin’ny Oniversiten’i Aostralia Atsimo, fa tsy maloiloy amin’ny maraina ny vehivavy vao mitoe-jaza, raha mihinana sakamalao iray grama eo ho eo isan’andro. Efa hatramin’ny ela ny olona any amin’ny toerana maro no nampiasa ny sakamalao, mba hanalana io maloiloy io. Mbola tsy nahita porofo anefa ny mpahay siansa hoe tena mandaitra izy io. Matetika ny vehivavy bevohoka no asain’ny dokotera mihinana vitaminina B6 isan’andro, mba hanalana ilay maloiloy. Hita tamin’ilay fikarohana vao natao anefa fa mitovy amin’izany ihany ny herin’ny sakamalao.

Atahorana Kokoa ho Faty ny Olona Ampidiran-dra

Raha ampidiran-dra ny olona marary fo, dia atahorana kokoa ho faty izy raha oharina amin’ireo tsy ampidiran-dra. Izany no vokatry ny fikarohana nivoaka tao amin’ny JAMA (Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana). Izao no voalazan’io gazety io: ‘Marina fa misy antony maromaro mety hahafaty ny olona marary fo. Anisan’izany ny fahaverezan-dra, ny fandidiana, na ny antony hafa mifandray amin’ny toe-batany. Hita anefa fa vao mainka atahorana ho faty izy, raha ampidiran-dra.’ Izao no namintinan’ireo dokotera ny vokatr’ilay fikarohana: ‘Ho an’ny olona marary fo satria tsy ampy ra ny fony, dia tsy tsara hatao fahazarana ny mampiditra ra, mba hitazonana fotsiny ny fatran’ny liomena tokony ho ao aminy.’

Mizarazara ny Anglikanina

Lehiben’ny Anglikanina ao Sydney i Philip Jensen, sady anisan’ny mpitondra fivavahana malaza indrindra any Aostralia. Vao haingana, hoy ny gazety aostralianina The Age, dia nokianiny ampahibemaso ny Arsevekan’i Cantorbéry hoe “manao ny tsy fanao sady mandray karama nefa tsy mendrika an’izany.” Nanameloka an’io arseveka io i Jensen, noho izy io milefitra amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Hoy ihany ilay gazety: “Mizarazara be ny Eglizy Anglikanina eran-tany, raha eo amin’io resaka io. Maro ny fiangonana any Afrika sy Azia no tsy mifandray intsony amin’ny fiangonana any Kanada, satria izy ireo mitso-drano ny fanambadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Nanapaka ny fifandraisany tamin’ny fiangonana any Etazonia koa izy ireo, satria notendren’ny fiangonana tany ho eveka ny lehilahy iray efa fantatry ny rehetra fa miray amin’ny lehilahy.”

Ankizy Arivo Tapitrisa no Mijaly

Miaina ao anatin’ny fahantrana fadiranovana ny antsasaky ny ankizy eran-tany, izany hoe ankizy arivo tapitrisa mahery. Izany no tatitry ny UNICEF, tao amin’ny gazety The New York Times. Very maina ny ankamaroan’ny fandrosoana vita nandritra ireo 15 taona lasa, noho ny ady sy ny SIDA ary ny fahantrana. Olona 3 600 000 teo ho eo no maty noho ny ady, nanomboka tamin’ny 1990. Ady an-trano ny 55 tamin’ireo, ary saika ankizy daholo ny antsasak’ireo maty. Mandritra ny ankamaroan’ireny ady ireny, dia maro ny ankizy alain’ny mpanohitra an-keriny, vetavetaina, na atao miaramila. Be dia be no tsy ampy sakafo, ary matetika no tsy misy ny fitsaboana. Nahatratra 15 tapitrisa ny ankizy kamboty tamin’ny 2003, satria matin’ny SIDA ny ray aman-dreniny. Ankizy roa tapitrisa mahery no nampiasaina mba hivaro-tena. Voalaza tao amin’ilay tatitra koa fa vola 956 000 tapitrisa dolara isan-taona no lany amin’ny ady. Vola 40 000 na 70 000 tapitrisa dolara monja anefa dia efa ampy mba hiadiana amin’ny fahantrana.