Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tototry ny Adin-tsaina!

Tototry ny Adin-tsaina!

Tototry ny Adin-tsaina!

TSY ny kansera na ny SIDA intsony izao no manimba ny fahasalaman’ny ankamaroan’ny olona. Izany no nolazain’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Adin-tsaina, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Aretina Ratsy Indrindra eto Amerika.” Resahiny ao fa ‘marary noho ny adin-tsaina ny 75 ka hatramin’ny 90 isan-jato eo ho eo amin’ny olona manatona dokotera.’

Tsy manitatra isika raha milaza fa tototry ny adin-tsaina ny olona ankehitriny. Milaza ny Fikambanan’ny Mpanjifa Amerikanina, fa ‘amin’ireo olon-dehibe miady saina sy manana olana, dia ireo miady saina noho ny asa no maro indrindra (39%). Manaraka izany ireo miady saina noho ny ankohonany (30%). Misy koa miady saina noho ny fahasalamana (10%), ny vola (9%), ary ny ady iraisam-pirenena sy ny fampihorohoroana (4%).’

Tsy ny olona any Etazonia ihany anefa no miady saina. Nisy fanadihadiana natao tany Grande-Bretagne, ka ‘olona dimy hetsy mahery no nilaza tamin’ny 2001 sy 2002, fa niady saina loatra tamin’ny asany, ka nandraiky narary mihitsy. [Raha atambatra] ny andro tsy iasan’ny olona any ao anatin’ny taona, dia mahatratra 13,5 tapitrisa eo ho eo. Adin-tsaina na fahakiviana na tebiteby noho ny asa’ no mahatonga izany.

Toy izany koa ny any amin’ny tany eoropeanina hafa. Hoy ny Fikambanana Eoropeanina Misahana ny Filaminana sy Fahasalamana any Am-piasana: “Voaporofo fa miady saina noho ny asany, ny mpiasa eoropeanina an-tapitrisany avy amin’ny sehatr’asa rehetra.” Hita tamin’ny fanadihadiana hafa koa fa ‘mpiasa [eoropeanina] 41 tapitrisa eo ho eo isan-taona, no miady saina noho ny asany.’

Ary ahoana ny any Azia? Indro misy tatitra navoaka taorian’ny kaonferansa iray tany Tokyo: “Mampanahy ny firenena maro eran-tany ny adin-tsaina ateraky ny asa, na tany mahantra izy na manan-karena.” Izao no tohin’ilay tatitra: “Nandroso haingana be ny indostria sy ny toe-karena tatỳ amin’ny firenena maromaro atỳ Azia Atsinanana, toa an’i Chine sy Korea ary Taïwan. Tena mampanahy an’ireo firenena ireo izao ny adin-tsaina ateraky ny asa, sy ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fahasalaman’ny mpiasa.”

Tsy voatery hila porofo avy amin’ny mpikaroka anefa ianao vao hahita fa miady saina ny olona. Mety ho ianao mihitsy aza izao no miady saina! Inona no mety ho voka-dratsin’ny adin-tsaina eo aminao sy ny fianakavianao? Inona no azonareo atao mba hanamaivanana azy io? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Ny asa no tena mampiady saina ny olona maro