Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Misaotra anareo namoaka ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana Raha Mandà Izy?” (8 Janoary 2005) Mitovy amin’ny nahazo an’ireo olona voaresaka ao mihitsy no nahazo ahy. Nisy lehilahy kristianina izay mantsy naharaiki-pitia ahy, nefa tsy tia ahy izy, ka kivy tanteraka aho. Noho ny fampirisihan’io lahatsoratra io, dia mivavaka mafy amin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy ho variana amin’ny fanompoana azy. Te handresy ny alahelo vokatr’iny fitia tsy nifamaly iny aho.

I. Y., Japon

Tsy hitako izay teny hilazana ny fihetseham-poko, taorian’ny namakiako iny lahatsoratra iny. Tonga tamin’ny fotoana nilako azy ilay izy, ary ny fihetseham-po tsapako mihitsy no noresahiny! Tena mafy tamiko mihitsy ilay hoe nolavina ny fitiavako. Nanampy ahy anefa ilay lahatsoratra, mba tsy hifantoka tamin’ilay zava-nitranga.

M. P., Italia

Tsapako fa nanampy ahy handresy ny alaheloko iny lahatsoratra iny, na dia sarotra ampiharina aza ny torohevitra sasany nomena tao. Mino aho fa hanampy olona maro koa izy iny hahatsiaro hoe sarobidy eo imason’i Jehovah izy, ka hahatonga azy hankafy ny fiainana indray izany!

J. E., Etazonia

Nampahery ahy iny lahatsoratra iny mba tsy ho resin’ny fahadisoam-panantenana. Nanamaivana ny fahakiviako ilay izy, na dia mbola voadona ihany aza aho. Mampionona ny mahafantatra fa miahy antsika tsirairay avy i Jehovah.

M. L., Etazonia

Naharay taratasy avy tamin’ny lehilahy kristianina iray aho, ny andro nahazoako an’iny gazety Mifohaza! iny. Nolazainy mazava tsara sy tamin-katsaram-panahy, fa tsy maniry hiaraka amiko izy. Tsy nahita tory aho nandritra ny andro maromaro, sady tsy nahahinan-kanina. Nanampy ahy anefa iny lahatsoratra iny mba hanaiky ny zava-misy ary tsy hihevi-tena ho tsy misy vidiny.

M. I., Japon

Efa ela aho no nijaly satria tsy tia ahy mihitsy ilay olona tiako. Tsapako izao fa ny zavatra tsara indrindra azo atao dia ny fiatrehana ny zava-misy. Hay tsy izaho irery no efa nijaly noho ny fitia tsy mifamaly. Misaotra betsaka.

L.A.C., Brezila

Diso fanantenana aho sady nalahelo rehefa nanda ahy ilay olona tiako. Nitomany aho rehefa voavakiko ilay lahatsoratra, satria hitako fa fanampiana avy amin’i Jehovah ilay izy. Fantatro izao fa tsy tiany hijaly aho. Vao mainka aho tia an’i Jehovah.

D. O., Aotrisy

Nisy zava-baovao sy mampahery nianarako tao amin’iny lahatsoratra “Manontany ny Tanora” iny. Hitako fa nataon’i Jehovah ao amin’ny olona ny faniriana hotiavina, ary fantany ny fomba ifehezana an’io fitiavana io. Ny ho tsara tarehy eo imason’i Jehovah no iriko, izany hoe ho tsara toetra.

H. W., Japon

Sokajin-dra Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Arakaraka ny Sokajin-dranao ve ny Toetranao?” (8 Febroary 2004) Tsy nazava tsara tamiko ny amin’io resaka io. Nolazaina tamiko tany am-pianarana mantsy, fa tsy arakaraka ny sokajin-dra ny toetran’ny olona. Hitako tao amin’ny boky sasany koa fa ny olona mifandray amin’ny fanahy ratsy no mampiasa ny sokajin-dra mba hamantarana toetran’olona. Misy olona fantatro anefa niresaka matetika momba ny sokajin-dra, ary nitsara ny hafa niorina tamin’izy io. Nivoaka iny lahatsoratra iny, tamin’ny fotoana nieritreretako indrindra hoe inona no tena marina momba izany. Azoko tsara izao ny fiheveran’ny Baiboly.

R. K., Japon

Tiako ilay lahatsoratra. Milaza ny any am-pianaranay fa malina sy mora tohina ny olona manana sokajin-dra A, ary malemy fanahy kosa ny olona manana sokajin-dra B. Matetika aho no nanontany tena hoe: ‘Hoatran’izany ve aho?’ Faly anefa aho nahalala fa samy manana ny toetrany ny olona. Nianarako koa fa azontsika ovana ny toetrantsika, raha avelantsika hanan-kery eo amintsika ny fanahy masin’Andriamanitra.

N. I., Japon