Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Efa Nahita Bolivianita ve Ianareo?”

“Efa Nahita Bolivianita ve Ianareo?”

“Efa Nahita Bolivianita ve Ianareo?”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BOLIVIA

TENA kely ilay efitra nidiranay, ary tsy nanampo hahita zavatra faran’izay kanto mihitsy izahay. Nitraka nijery anay ilay tovolahy mpanefy firavaka. Latabatra efa ela niasana no nampiasainy, ary feno fitaovana sy kisarisary teo amboniny. Nilaza taminy izahay fa nitady firavaka.

Sariaka izy, ary nientam-po erỳ rehefa nilazanay fa efa nanandrana nanefy firavaka koa izahay. Niresaka momba ny asany izy, ary nasehony anay avy eo ny santionan’ny zava-bitany. Nanan-talenta tokoa izy. Nanontany izy avy eo hoe: “Efa nahita bolivianita ve ianareo?”

Hita vao haingana

Nakisany ireo poti-javatra teo ambony latabatra, rehefa hitany fa gaga be izahay. Nosokafany moramora ny lamba iray volory mainty. Sambany izahay vao nahita bolivianita, vatosoa misy lafiny maro. Toa miloko volomparasy antitra izy ireo, raha vao jerena. Rehefa notarafinay tamin’ny jiro anefa ny iray, dia hitanay fa mivolombolamena koa ilay izy. Ireo lokony volomparasy tanora sy volombolamena ireo no mampiavaka ny bolivianita.

Bolivianita (teny espaniola) no ahafantaran’ny mpivarotra, ny amétrine. Tamin’ny 1989 no namidy voalohany tamin’ny besinimaro izy io. Renay fa i Bolivia, firenena misy anay, no tena mpamokatra amétrine eto an-tany. Nirinay àry ny hahita ny toerana fitrandrahana io vatosoa tsy fahita firy nefa mora vidy io.

Dia nampientam-po

Tena nampientam-po ny fitsidihana an’ilay toeram-pitrandrahana vatosoa. Nandray sambo kely tao Puerto Suárez, akaikin’ny sisin-tanin’i Bolivia sy Brezila, izahay, ary nianavaratra nanaraka ny Reniranon’i Paragoay. Nahatratra 150 kilaometatra ny dia, namakivaky ny faritr’i Pantanal. Nahavariana ny nijery an’ireo biby, toy ny vanofotsy sy vanobe teny amin’ny habakabaka, ny voay tao anaty rano, ary ny loutre nilalao teny amoron-drano.

Tonga izahay rehefa afaka adiny enina. Fiara tsy mifidy lalana indray no nitondra anay nankany amin’ilay toeram-pitrandrahana. Olona 120 eo ho eo no miasa ao. Nanolo-tena hitarika anay ny injeniera roa. Mahatratra 10 kilaometatra toradroa ilay toeram-pitrandrahana, ary ahitana hady maro be. Efa ho 60 metatra mihitsy aza ny halalin’ny sasany. Nanazava ireo injeniera fa mampiasa ny fomba mahazatra izy ireo, rehefa mandavaka sy manapoaka vato. Esoriny amin’ny tanana anefa ireo vato kristaly, rehefa tojo ny toerana misy azy ireny izy ireo. Alefa any amin’ny orinasa ireo vato ireo mba hodiovina, ary lasa vatosoa ny 18 isan-jatony. Ny ambiny kosa anaovana vakana, na tefena hanana endrika bola, na asiana zorony maromaro, na atao sary sokitra, na koa amidy hatao haingon-trano arakaraka izay bikany eo.

Zohy feno kristaly

Nanao gan-tanana sy satroka vy izahay rehefa nankao amin’ilay toeram-pitrandrahana. Nitondra jiro izahay rehefa nidina an’ilay hady 20 metatra teo ho eo, ary nandeha tamin’ireo andian-tohatra enina vita tamin’ny hazo. Nivanàka izahay rehefa tonga tany amin’ny faran’ny tionelina iray niolakolaka. Efitra feno kristaly volomparasy sy volombolamena no nanoloana anay. Nirefy efa-metatra ny lavan’ilay efitra, telo metatra ny haavony, ary iray metatra ny sakany. Mieritreritra ny hamela azy io amin’izao ny tompon’ilay toeram-pitrandrahana, mba hojeren’ny olona. Izany no zavatra nahafinaritra indrindra hitanay hatramin’izay!

Tsy tena fantatra izay nahatonga an’ilay krystaly hanana loko roa. Nisy fiovana angamba teo amin’ireo zavatra simika tao an-kibon’ny tany, na ny hafanana, taratra, tsindry, rehefa niforona ireo vato kristaly. Mitandrina tsara ny manam-pahaizana momba ny vatosoa rehefa manapaka sy manadio azy ireo, mba hisy an’ireo loko roa ny vato tsirairay.

Tsy ho hay hadinoina iny dianay iny. Vao mainka mankafy ny hakanton’ny bolivianita izahay, rehefa mahatsiaro an’ilay toeram-pitrandrahana mitokana, sy ny ezaka atao rehefa mitrandraka, manapaka, ary manadio ireo vatosoa.—Salamo 104:24.

[Sary, pejy 16, 17]

Mpitrandraka vato mandinika kristaly

[Sary, pejy 16, 17]

Zohy feno kristaly

[Sary, pejy 16, 17]

Fomba fanesorana kristaly

[Sary, pejy 17]

“Bolivianita” misy lafiny maro

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary rehetra afa-tsy ny zohy: Minerales y Metales del Oriente, S.R.L.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Vatosoa: Minerales y Metales del Oriente, S.R.L.