Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanarenana Ireo Voafonja any Meksika

Fanarenana Ireo Voafonja any Meksika

Fanarenana Ireo Voafonja any Meksika

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Meksika

AMPIDIRINA am-ponja ny mpanao heloka bevava, indraindray, mba hanarenana azy. Tsy ampy anefa izany. Ny fony sy ny sainy no tsy maintsy manosika azy hiova. Mila manenina mafy noho ny ratsy vitany koa izy, ary maniry hanova ny toetrany. Tafarina ny mpigadra any amin’ny fonja maro eran-tany, noho ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Andeha isika hijery ny fandaharana ataon’izy ireo any Meksika.

Fonja 150 no tsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Manao fandaharam-pamakiana Baiboly, ary mampianatra momba ny fitondran-tena sy ny foto-pinoana ara-baiboly izy ireo. Mitory tsy tapaka amin’ny voafonja 1 200 eo ho eo any amin’ny fonjan’i Ciudad Juárez, any Chihuahua, ohatra, izy ireo. Tena manaja azy ireo ny voafonja, ary miaro azy amin’ny toe-javatra mampidi-doza mihitsy aza. Indray mandeha, rehefa nisy rotaka tao amin’io fonja io, dia nampitony ireo mpirotaka ny sasany tamin’ireo mpigadra mahery setra indrindra, ka afaka nody soa aman-tsara ireo Vavolombelona.

Nahaliana an’ireo voafonja sy ny mpiandraikitra ny fonja, ilay andian-dahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 2001 hoe “Azo Ovana ve ny Voafonja?” Nisy Vavolombelona 12 nahapetraka 2 149 tamin’io gazety io, tao amin’ny fonjan’i San Luis Río Colorado, any Sonora.

Miverina isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianatra Baiboly sy hanao fotoam-pivavahana, rehefa misy voafonja tena liana amin’ny Baiboly. Tena manova ny fiainan’ireo voafonja ve izany fandaharam-pampianarana Baiboly izany?

Voafonja lasa mpitory

Tsy ampy 20 taona akory i Jorge, dia efa mpanao heloka bevava. Nafahana izy rehefa avy nanefa sazy 13 taona, tao amin’ny fonjan’i Islas Marías. Niverina nivarotra zava-mahadomelina an-tsokosoko anefa izy, taoriana kelin’izay. Mpikarama mamono olona koa izy ka nahafaty olona 32, ary nigadra indray. Nilazan’ny mpisolovavany izy, fa vonona handoa vola be ireo mpampiasa azy taloha, mba hanafahana azy. Mbola nisy olona iray tian’izy ireo hovonoin’i Jorge mantsy. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy tamin’izay. Nandroso ara-panahy izy ka natao batisa, ary lasa mpitory manontolo andro tao am-ponja. Nanaiky hafahana ve izy ka niasa ho an’ireo lehiben’ny mpivarotra zava-mahadomelina? Sa nijanona tany am-ponja ka nanompo an’i Jehovah? Hoy i Jorge tamin’izay: “Aleoko mijanona ato am-ponja manonitra ny ratsy vitako. Manompo an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompo Fara Tampony, aho izao.” Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny i Jorge, ary nanantena fitsanganana amin’ny maty. Hoy ireo mpianatra Baiboly namany momba azy: ‘Nahafantatra ny marina izy, ary ny marina nanafaka azy.’—Jaona 8:32.

Eo am-panefana ny saziny 110 taona kosa i David, satria namono olona sy naka an-keriny ary nangalatra. Toerana tsara ambina natokana ho an’ny mpanao heloka bevava mampidi-doza, no misy azy. Niova be anefa ny fitondran-tenany rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Noho izany, dia nahazo alalana manokana izy hanatrika fivoriana any ivelan’io toerana io, miaraka amin’ny mpiambina iray. Nampifanarahiny tamin’izay takin’ny Baiboly ny fiainany ka lasa mpitory izy, ary ampianariny Baiboly ny voafonja valo miara-migadra aminy. Gaga be ny fianakaviany noho ny fiovany, ka mankany aminy mba hianatra Baiboly izy ireo. Hoy i David: “Misaotra an’i Jehovah foana aho, noho izy nanafaka ahy tamin’ny fanao ratsy sy ny fampianaran-diso.”

Voafonja 175 any amin’ny fonja 79 eto Meksika no niova ka nekena ho mpitory, vokatr’ilay fandaharam-pampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vita batisa ny 80 amin’izy ireo. Mampianatra Baiboly amin’ny voafonja 703 ireo mpitory ireo. Voafonja 900 eo ho eo koa no manatrika ireo fivoriana kristianina any am-ponja.

Noderain’ny manam-pahefana

Mankasitraka ilay asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tompon’andraikitry ny fonja. Nanome taratasy fankasitrahana azy ireo, ohatra, ny mpiandraikitra ny fonjan’i Tekax, any Yucatán, noho “ny fanampiana sarobidy nomen’izy ireo, ary ny fahafoizan-tena sy hatsaram-panahy nasehony” tamin’ireo voafonja, tamin’ny 2002.

Nisy miaramila maromaro nanara-maso akaiky ny fivoriana nataon’ny Vavolombelona tao amin’io fonja io, tamin’ny vao natomboka ilay fandaharam-pampianarana Baiboly. Nihatsara toetra anefa ireo voafonja rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa nohajain’ireo mpiambina. Tatỳ aoriana dia mpiambina iray sisa no nasaina niandry azy ireo.

Misy Efitrano Fanjakana ao amin’ny fonjan’i Ciudad Juárez. Ireo voafonja 13 efa vita batisa sy ny olona nampianarin’izy ireo Baiboly tao am-ponja ihany no nanorina azy io. Trano efa simba ilay izy, ary nahazo alalana izy ireo hampiditra fitaovam-panorenana sy hanova azy io ho toeram-pivavahana. Misy fanamafisam-peo sy seza tsara tarehy ho an’olona 100 ilay efitrano, sady misy kabine koa. Olona 50 eo ho eo no manatrika tsy tapaka ireo fivoriana dimy atao ao isan-kerinandro.

Afaka manampy ny voafonja mba ho tafarina tokoa ny fianarana Baiboly. Nanao fahotana lehibe i Manase mpanjakan’ny Joda, izay resahina ao amin’ny Baiboly, ka nigadra tany Babylona. Nibebaka sy nangata-pamelana tamin’i Jehovah anefa izy. Afaka miova sy mianatra hatahotra an’Andriamanitra toa azy koa, ireo voafonja ankehitriny.—2 Tantara 33:12, 13.

[Sary, pejy 20, 21]

Batisa tany am-ponja

[Sary, pejy 20, 21]

Mpitory manontolo andro sy ny mpampianatra azy ireo, tamin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana natao tany am-ponja