Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Farihy Mavokely Hoe?

Farihy Mavokely Hoe?

Farihy Mavokely Hoe?

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Sénégal

METY hisy farihy mavokely tokoa ve? Farihy Mavokely no iantsoana ny Farihy Retba, eto Sénégal, atỳ Afrika Andrefana. Telopolo kilaometatra monja avy eto Dakar no misy azy io. Tapa-kevitra àry izahay hijery raha tena mavokely izy io. Namirapiratra erỳ ilay farihy notarafin’ny masoandro, rehefa tonga tany izahay. Manopy mavokely tokoa ilay izy! Nanazava ilay olona nitari-dalana anay, fa ireo zavamiaina bitika dia bitika ao anaty rano no mahatonga ilay loko ho hafakely, rehefa tarafin’ny masoandro izy ireny. Tsy ny lokon’io farihy io ihany anefa no mahaliana any.

Tsy lalina ilay farihy, ary sira ny any amin’ny fanambaniny. Masira be ilay izy, ka mora mampitsinkafona. Manararaotra mitsinkafona ao àry ny mpitsidika sasany tonga mijery ilay farihy.

Olona an-jatony no mivelona amin’ny Farihy Mavokely (1). Nahita mpiasa nitatitra sira ho ao anaty kamiao izahay, teny amoron-drano. Nijanona kely izahay nijery ny fomba fakan’izy ireo sira. Mirobo-drano hatreny amin’ny tratrany ireo lehilahy, ary vakiny amin’ny lapika lava ny sira any ambanin’ny rano. Raofiny amin’ny lapelina sy sobika izany avy eo, ary taominy ho ao anaty lakana. Nilaza ny mpiasa iray fa adiny telo no anangonana sira iray taonina. Feno be ireo lakana, ka mila hilentika (2). Ny vehivavy indray no manohy ny asa, rehefa tonga eny amorony ny lakana. Taomin’izy ireo amin’ny koveta ny sira ary lolohaviny (3). Manao tohy vakana izy ireo rehefa miara-miasa toy izany.

Nahafinaritra tokoa ny dianay. Anisan’ny zava-mahatalanjona mahatonga ny tanintsika ho fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah, io farihy mavokely io.—Salamo 115:16.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Photo by Jacques CLEMENT, Clichy, FRANCE at http://community.webshots.com/user/pfjc