Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Marina no Atao hoe Chat Room?

Inona Marina no Atao hoe Chat Room?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona Marina no Atao hoe Chat Room?

“Saro-kenatra aho, nefa rehefa mampiasa chat room, dia afaka mifandray amin’olona tsy ho sahiko hiresahana mihitsy. Tsy fantany mantsy hoe iza aho.”—Parany. *

“Afaka milaza izay rehetra tianao ianao, ao amin’ny chat room.”—Anja.

NY CHAT ROOM dia fandaharana ao amin’ny Internet, ahafahan’ny olona maro mifandefa hafatra mivantana. Toy ny hoe mifampiresaka mihitsy izy ireo na dia tsy mifankahita aza, satria vakiny sy valiany eo no ho eo izay hafatra alefa aminy.

Misy chat room tena tian’ny tanora mpampiasa Internet. Mifanakalo hevitra amin’ny alalan’izy ireny ny tanora an-tapitrisany avy amin’ny firenena samy hafa, isan’andro. Efa misy eran-tany ny chat room, ary mampiasa azy io koa ny sekoly sasany. Mampiasa azy io, ohatra, ny mpianatra any Etazonia, mba hiresahana amin’ny mpianatra any Espaina sy Angletera na toeran-kafa, momba ny zava-mitranga eo amin’ny fiaraha-monina. Manara-maso azy ireo ny mpampianatra amin’izany. Azon’ny mpianatra atao mihitsy aza ny mifandray amin’ny injeniera na mpahay simia na manam-pahaizana hafa ao amin’ny chat room, rehefa manao devoara sasany izy.

Tsy resaka fianarana loatra anefa no ampiasan’ny olona maro ny chat room. Inona àry ireo loza tokony ho fantatrao, raha mampiasa azy io ianao?

Ataon’ny olona fitadiavana ankizy hohararaotina

Hoy i Anja: “Nifanoratra tamin’olona maromaro tao amin’ny chat room aho, indray mandeha. Nisy lehilahy nanontany ahy tamin’izay raha nahalala ankizy 14 taona aho, mba hanaovany firaisana. Vonona hanome vola an’izay manaiky, hono, izy.”

Tsy maningana ny toy izany. Be dia be ny mpametaveta mikarokaroka ao amin’ny Internet, hany ka namoaka boky misy torohevitra hiarovana ny tanora ny fitondram-panjakana sasany. Namoaka boky toy izany, ohatra, ny Birao Federaly Momba ny Famotopotorana (FBI) any Etazonia. Mampitandrina izy io fa miresaka momba ny firaisana avy hatrany ny olona sasany, raha vao misy mamaly ny hafatra alefany ao amin’ny Internet. Mampitandrina koa ilay boky, fa “misy olona manambitamby tsikelikely izay tiany hohararaotina, ka mody be fiahiana sy fitiavana ary tsara fanahy, sady mandefa fanomezana mihitsy aza.”

Manazava tsara ny fomba fiasan’ireny mpametaveta ireny ilay boky navoakan’ny FBI. Izao no voalaza ao: “Mandinika tsara izay lazain’ny ankizy anoratany izy ireo, ary mangoraka azy ireny raha manana olana izy. Maharaka ny mozika nivoaka farany, ny fialam-boly sy ny zavatra hafa tena tian’ny ankizy koa izy. Ampidiriny tsikelikely ny resaka firaisana avy eo, mba tsy hahasadaikatra an’ireo ankizy.”

Tsy ny olon-dehibe ratsy saina ihany anefa no mety hampidi-doza. Mitandrema koa amin’ny ankizy tsy mahalala na manambany ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Eritrereto izay nanjo an’ity ankizilahy atao hoe Cody ity. Nifanoratra tamin’ny tanora maromaro tao amin’ny chat room iray izy, indray mandeha. Nisy ankizivavy nanasa azy hiditra tao amin’ny chat room iray hafa avy eo, mba tsy hisy hahita ny hafatra ifandefasany. Nanontany azy momba ny firaisana ilay ankizivavy. Nifehy tena i Cody, ka nofaranany avy hatrany ilay resaka.

Mety ho sarotra be aminao anefa ny hanao toa an’i Cody, satria mahaliana ny olona ny resaka firaisana, ary efa voajanahary izany. Hoy i Parany, ilay noresahina tetsy aloha: “Nieritreritra aho hoe efa mahay mifehy tena, ka hahavita hiala amin’ilay chat room, raha vao misy resaka firaisana. Matetika anefa aho no tsy namarana an’ilay resaka, fa vao mainka aza nanohy an’ilay izy. Nanenjika ahy ny eritreritro avy eo.” Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Tena ratsy ve ny miresaka firaisana, raha ataoko izay tsy hahafantarana ahy?’

Ratsy ve ny miresaka firaisana ao amin’ny Internet?

Marina fa miresaka mivantana momba ny firaisana ny Baiboly. (Ohabolana 5:18, 19) Ekena koa fa mitombo ny faniriana hahafantatra momba ny firaisana, mandritra ny fahatanorana. Rariny àry raha mila miresaka momba ny firaisana ianao. Zava-dehibe izany, ary mila mahazo valiny amin’ny fanontanianao ianao. * Miankina amin’ny fomba itadiavanao ny valiny anefa, no mety hahasambatra anao dieny izao sy amin’ny hoavy.

Mety hihatra aminao izay nanjo ny tovolahy iray resahina ao amin’ny Baiboly, raha manapa-kevitra ny hiresaka firaisana ao amin’ny chat room ianao, ary na dia milaza ho namanao aza ny olona ifanoratanao. Noho ny fitia te hahafanta-javatra, dia nandehandeha teny akaikin’ny tranon’ny mpivaro-tena io tovolahy io. Niresadresaka taminy fotsiny aloha ilay mpivaro-tena. Tsy ampy an’ilay tovolahy intsony anefa izany, rehefa nitsiry tao aminy ny faniriana hanao firaisana. ‘Rafitra nanaraka azy izy, tahaka ny omby entina hovonoina, tahaka ny vorona miantoraka amin’ny fandrika.’—Ohabolana 7:22, 23, Fandikan-teny Katolika.

Toy izany no mety hitranga, raha mandray anjara amin’ny resaka firaisana ao amin’ny Internet ianao. Mety ho vao mainka hanaitaitra ny filan’ny nofo izany. Hoy ny ankizilahy atao hoe Philip: “Nifanoratra tamin’olona tao amin’ny chat room aho, indray mandeha. Tampotampoka teo dia nisy sary vetaveta nalefany.” Mety ho lasa lavitra kokoa ianao, rehefa te hijery sary vetaveta sy hiresaka firaisana. Mety handray anjara amin’ny fifampiresahan’ny olon-dehibe, ohatra, ianao. * Maro no lasa naloto fitondran-tena, rehefa resin’ny fakam-panahy hijery sary vetaveta. Tsy maintsy nizaka ny voka-dratsin’izany izy ireo.—Galatianina 6:7, 8.

Tsy mitady izay hahasoa anao ny olona te hiresaka firaisana aminao, ao amin’ny Internet. Te hitarika anao hanao resaka vetaveta na haloto fitondran-tena mihitsy aza izy ireny, mba hahazoany fahafaham-po. * Naniry hiaro ny zanany lahy tsy hohararaotin’ny olon-dratsy i Solomona Mpanjaka, ka nanoratra hoe: “Ampanalaviro azy ny alehanao, ary aza manakaiky ny varavaran’ny tranony; fandrao omenao ho an’ny sasany ny voninahitrao, ... fandrao hivokisan’ny vahiny ny fanananao.” (Ohabolana 5:8-10) Inona no toro lalana azo ampiharina avy amin’io torohevitra io? Aza manakaiky na miditra ao amin’ny chat room misy resaka firaisana, mba tsy hanomezanao ny voninahitrao ho an’ny olon-tsy fantatra. Te hanararaotra anao fotsiny izy ireny, mba hahazoany fahafinaretana.

Manafin-toetra ny sasany

Mety hilaza ianao hoe: ‘Izaho ange tsy hiresaka firaisana e!’ Mihevitra toa an’i Parany sy Anja angamba ianao hoe fitaovana manala henatra ny chat room, satria tsy voatery hahafantatra anao ny olona ifanoratanao. * Misy loza hafa mety hitranga anefa, ka mila mitandrina ianao.

Mety halaim-panahy hamitapitaka ianao, satria tsy voatery hahafantatra anao ny olona ifandraisanao. Hoy i Anja: “Rehefa manomboka mifandray amin’olona ao amin’ny chat room aho, dia mody ampifanarahiko amin’ilay resaka ataonay ny toetrako.” Toa an’i Anja, dia mety halaim-panahy ianao hilaza fa manana toetra tsy anananao akory, mba hitoviana amin’ny olona iresahanao. Mety haka tahaka ny fomba fiteniny ianao, na mody liana amin’ny zavatra mahaliana azy, mba hahazoana namana. Mety hahafinaritra anao koa ny mifanoratra amin’olona ao amin’ny chat room, satria ao ianao afaka mamoaka hevitra sy mamboraka fihetseham-po, izay heverinao fa hokianin’ny ray aman-dreninao na ny namanao. Mamitaka foana ianao amin’izany. Mamitaka ny olona ifandraisanao ianao, satria tsy mampiseho ny tena maha izy anao. Mamitaka ny fianakavianao sy ny namanao koa ianao, satria manafina aminy ny tena ao am-ponao sy ao an-tsainao.

Vao haingana ihany no nisian’ny chat room, fa raha ny lainga sy ny fitaka kosa, dia efa nisy hatry ny ela. Asehon’ny Baiboly fa i Satana Devoly, ilay mpandainga voalohany, no nanomboka nampiasa ilay tetika fanaon’ny olona sasany ao amin’ny chat room. Nanafina ny tena maha izy azy ny Devoly tamin’izay, ary nandainga. (Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9, 10) Tsy ho voafitaky ny mpandainga ianao, raha manao toa an’i Davida Mpanjaka. Hoy izy: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy”, izany hoe ireo manafin-toetra.—Salamo 26:4.

Efa hitantsika teo aloha fa tena andraisan-tsoa ny chat room sasany. Tsy maintsy mitandrina be anefa ny tanora te hampifaly an’i Jehovah, rehefa mampiasa an’io fitaovam-pifandraisana maoderina io. Raha mila mampiasa chat room ianao, ohatra hoe mba hanaovana fikarohana mifandray amin’ny devoaranao, dia asaivo manatrika eo ny ray aman-dreninao na ny olon-dehibe matotra iray hafa. Misy antony roa hafa koa tokony hahamailo anao, rehefa mampiasa chat room. Mbola hisy lahatsoratra hanazava izany any aoriana, sady hamelabelatra izay azonao atao rehefa misy olana mipoitra, na dia efa mitandrina aza ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 15 Ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra dia manome torohevitra tsara avy ao amin’ny Baiboly, momba ny firaisana alohan’ny fanambadiana, fikasikasihana ny filahiana na ny fivaviana, ary loha hevitra hafa mifandray amin’izany.

^ feh. 17 Voafetra ny taonan’ireo afaka mampiasa ny chat room ho an’ny olon-dehibe. Matetika mantsy no mifandefa sary mamoafady sy manao resaka vetaveta ny olona ao amin’izy ireny. Hita anefa fa misy ankizy vao sivy taona, mandainga momba ny taonany, mba hidirana ao amin’ireny chat room ho an’ny olon-dehibe ireny.

^ feh. 18 Tsy afaka manamarina izay lazain’ny olona ao amin’ny chat room ianao. Noho izany, raha lehilahy ianao, dia mety holazainy hoe vehivavy izy, nefa lehilahy ihany.

^ feh. 20 Manoro hevitra ny boky iray, fa tsy tokony holazainao amin’ny olona tsy fantatrao mihitsy ny anaranao, ny adiresinao, na ny nomeraon-telefaoninao, raha manoratra ao amin’ny chat room ianao!

[Sary, pejy 20, 21]

Mety hampidi-doza ny fifampiresahana ao amin’ny Internet