Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loza Ateraky ny Fisotroana Tafahoatra

Loza Ateraky ny Fisotroana Tafahoatra

Loza Ateraky ny Fisotroana Tafahoatra

MISY maha tsara azy ny toaka, nefa misy maha ratsy azy koa. * Milaza ny Baiboly fa faly ny olona, rehefa avy misotro toaka amin’ny antonony. (Salamo 104:15) Mampitandrina koa anefa izy io fa mety hanimba ny toaka raha be loatra, na hahafaty mihitsy, toy ny kaikitry ny bibilava misy poizina. (Ohabolana 23:31, 32) Andeha hojerentsika ireo loza maro ateraky ny fisotroana tafahoatra.

Intỳ misy vaovao navoakan’ny gazety frantsay Le Monde: “Mamo ny mpamily iray tamin’ny asabotsy, ka nandona vehivavy 25 taona sy ny zanany lahy 2 taona. ... Maty tamin’ny alahady ilay vehivavy, nefa bevohoka enim-bolana izy. Maratra kosa ny lohan’ilay zanany, ary tsy fantatra na ho faty na ho velona izy.” Mampalahelo fa fandre matetika ny vaovao toy izany. Mahalala olona niharan-javatra toy izany mihitsy aza angamba ianao. An’arivony isan-taona ny olona maty, na maratra vokatry ny lozam-piarakodia, ka mpamily mamo no nahatonga an’ilay izy.

Fahafatesana

Tsy tambo isaina eran-tany ny olona maratra, marary, na maty, noho ny fisotroana tafahoatra. Izy io no antony fahatelo mahafaty ny olona any Frantsa, aorian’ny kansera sy ny aretim-po. Tokotokony ho 50 000 mantsy ny olona matiny isan-taona, izany hoe 1 000 eo ho eo isan-kerinandro, araka ny tatitra nampanaovin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana frantsay.

Tanora ny ankamaroan’ireo matin’ny toaka. Izy io no tena mahafaty ny lehilahy eoropeanina 15 ka hatramin’ny 29 taona, araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, nivoaka tamin’ny 2001. Voalaza koa fa tsy ho ela, dia ho fatin’ny fisotroana tafahoatra ny tovolahy 1 ao anatin’ny 3, any amin’ny tany sasany any Eoropa Atsinanana.

Herisetra sy fanolanana

Anisan’ny mahatonga ny olona hahery setra koa ny toaka. Mety tsy hahafehy tena mantsy ny olona misotro, na mety handika vilana ny fihetsiky ny hafa, ka mora mila ady.

Anisan’ny antony lehibe mahatonga ny herisetra ao an-tokantrano sy ny fanolanana, ny fisotroan-toaka. Hita tamin’ny fandinihana natao tamin’ny voafonja tany Frantsa, ohatra, fa mety ho nisotro toaka ny androatokon’ireo voaheloka ho nanao fihetsika vetaveta na nanolana. Mamono vady koa ny lehilahy mpisotro toaka 3 ao anatin’ny 4 any Polonina, araka ny fanadihadiana navoakan’ny gazety poloney Polityka. Nisy mpandinika momba ny fahasalamana koa nilaza, fa ‘atahorana kokoa hiteraka vonoan’olona ny fisotroan-toaka. Mety ho voakasik’izany na ny antitra na ny tanora, ary [na dia] ireo olona miara-mipetraka amin’ny mpisotro toaka aza.’—Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana, Filan-kevitra Momba ny Raharaha Siantifika.

Voka-dratsiny eo amin’ny fiaraha-monina

Lany vola be tokoa ny fiaraha-monina, rehefa misy loza na aretina na fahafatesana aloha loatra vokatry ny fisotroan-toaka. Midangana be mantsy ny saram-pitsaboana sy saram-piantohana ary ny fatiantoka amin’izany. Efatra tapitrisa monja, ohatra, ny mponin’i Irlandy, nefa lany arivo tapitrisa dolara, * fara fahakeliny, izy ireo isan-taona, noho ny fisotroana tafahoatra. Nisy nilaza tao amin’ny Gazetinny Irlandey (anglisy), fa ahavitana “hopitaly vaovao iray sy kianja iray” izany vola izany, ary ahazoana “fiaramanidina iray isan-taona ho an’ny Minisitra tsirairay.” Vola “maherin’ny 6 tapitrisa tapitrisa yens [55 000 tapitrisa dolara] isan-taona” kosa no lany tany Japon, araka ny gazety japoney iray mivoaka isan’andro, tamin’ny 1998. Izao koa no tatitra azon’ny Kongresy Amerikanina: ‘Tamin’ny 1998 fotsiny, dia vola 184,6 arivo tapitrisa dolara no lany teto Etazonia noho ny fisotroana tafahoatra. Tokotokony ho 638 dolara isaky ny olona nipetraka teto tamin’io taona io izany.’ Inona koa no voka-dratsy hafa ateraky ny fisotroana tafahoatra? Olona maro no voadona mafy satria rava tokantrano na nidonam-pahoriana. Ny an’ny hafa kosa lasa tsizarizary ny fianarany na ny asany.

Iaraha-mahita ny voka-dratsin’ny fisotroana tafahoatra, eo amin’ny fiaraha-monina. Mety hanimba ny fahasalamanao sy ny an’ny olon-kafa ve ny habetsahan’ny toaka sotroinao tsy tapaka? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny labiera sy divay ary zava-pisotro hafa misy alkaola no lazaina hoe “toaka”, ato amin’ireto lahatsoratra ireto.

^ feh. 11 Roa arivo tapitrisa ariary ny iray tapitrisa dolara.