Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahazo Mihaingo sy Miravaka ve ny Vehivavy?

Mahazo Mihaingo sy Miravaka ve ny Vehivavy?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Mahazo Mihaingo sy Miravaka ve ny Vehivavy?

“TENA tia lamaody ny vehivavy”, hoy i George Simonton, mpanao lamaody za-draharaha sady mpampianatra ao amin’ny Sekoly Fianarana Lamaody any New York. Nanazava izy hoe: “Tia mampiseho ny maha izy azy ny vehivavy, ary tia mianjaika sy manatsara ny bika aman’endriny ... Mihevitra aho fa manaja ny tenanao sy ny olona ifaneraseranao ianao, raha manao izany.” Efa hatry ny ela ny fihaingoana no noheverina ho fomba ampisehoan’ny vehivavy fa vehivavy izy, sy entiny manatsara ny bika aman’endriny, ary hananany fatokian-tena kokoa.

Ny fivavahana anefa dia nahatonga ny sasany hihevitra fa ratsy ny mihaingo. Hoy i Tertullien, teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo: ‘Tsy tokony hiezaka ho tsara tarehy kokoa ny vehivavy mpivavaka, raha efa tsara tarehy. Tokony hataony kosa izay tsy hampisongadina loatra an’izany.’ Hoy koa izy momba ny makiazy: “Manota amin’Andriamanitra ny vehivavy, raha manosotra menaka amin’ny tarehiny, mandoko ny takolany ho menamena, na manamboatra volomaso.” Ary nolazainy fa “fitaovana hahazoana lehilahy”, ny “firavaka” volamena sy volafotsy.

Maro ankehitriny no mbola tsy mankasitraka mihitsy ny fihaingoan’ny vehivavy. Misy aza fivavahana mandrara ny mpiangona ao aminy tsy hiravaka, na hanao makiazy na hanao akanjo miloko. Tsy mahazo mihaingo sy miravaka àry ve ny vehivavy kristianina, sa afaka manao zavatra mba hanatsarany ny bika aman’endriny?

Ny fiheveran’Andriamanitra

Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe mety sa tsia ny miravaka sy manao makiazy. Azo porofoina tsara anefa, fa tsy raran’Andriamanitra izany sy ny karazana haingo hafa.

Rehefa nilaza ny fomba nitahiany an’i Jerosalema, ohatra, Andriamanitra, dia nampitaha azy tamin’ny vehivavy, ary nanao hoe: ‘Noravahako firavaka ianao, ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy.’ (Ezekiela 16:11-13) Anisan’izany firavaka an’ohatra izany ny haba sy ny rojo ary ny kavina. Voalaza ao amin’ny Soratra Masina koa fa ny firava-bolamena dia toy ny “mpananatra hendry” miteny amin’olona vonon-kihaino. (Ohabolana 25:1, 12) Azo inoana àry fa tsy raran’Andriamanitra ny fanaovan’ny vehivavy haingo isan-karazany mba hanatsarany ny bika aman’endriny, matoa izy ireny ampitovin’ny Soratra Masina amin-javatra tsara.

Mihaingo ny vehivavy kristianina

Miresaka mivantana momba ny fihaingoan’ny vehivavy, ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly: “Iriko ... ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara.” Rehefa atao amin’ny “fomba maotina sy amim-pahendrena” izany, dia mampiseho ny fanajan’ny vehivavy an’Andriamanitra. (1 Timoty 2:9, 10) Mety hanjary hankasitraka ny fampianaran’Andriamanitra sy ny fiangonana ny olona, rehefa mahita izany hatsaran-tarehy asehon’ny vehivavy kristianina amin’ny fomba maotina izany.

Misy milaza anefa hoe mampirisika ny vehivavy koa io andininy io, mba tsy hihaingo amin’ny ‘randram-bolo niangaliana fatratra, na volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy, [fa amin’ny] fihaingoana mifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.’ Midika ve izany fa tsy mahazo manamboatra ny volony na miravaka ny vehivavy?

Tsia, satria resahin’ny Baiboly amin’ny fomba tsara ny fihaingoana. Tsy nandrara ny vehivavy tsy hanao karazana haingo sasany àry i Paoly teo. Nampirisika azy ireo kosa izy, mba hifantoka voalohany indrindra amin’ny fananana toetra kristianina sy fanaovana asa tsara.

Mila dinihina ny antony ihaingoana

Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka isika tsy hifampitsara intsony, fa aoka kosa mba ho izao no fanapahan-kevitrareo: Ny tsy hametraka vato mahatafintohina na zavatra mahasolafaka eo anoloan’ny rahalahy.” (Romanina 14:13) Ahoana no hampiharantsika izany, rehefa mifidy ny haingo anaovantsika?

Lazain’i Paoly voalohany eo fa tsy tokony “hifampitsara” isika. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ‘hametraka vato mahatafintohina eo anoloan’ny rahalahy.’ Mety hiova arakaraka ny tany sy ny kolontsaina ny zavatra azo ekena sy tsy azo ekena. Izay azo ekena amin’ny fotoana iray na toerana iray, dia mety tsy ho azo ekena amin’ny fotoana na toerana hafa. Raha mihevitra ny mpiara-monina amintsika fa olona manana fomba fiaina ratsy no manao karazana haingo sasany, dia tsy tokony hanao azy ireny isika, mba tsy hanafintohina na hampahatezitra azy. Tokony hanontany tena ny vehivavy kristianina hoe: Ahoana no fiheveran’ny mpiara-monina ny akanjo anaovako? Sanganehana na gaga na menatra mihitsy ve ny mpiara-mivavaka amiko, rehefa mahita ny fitafiako? Marina fa manana zo hihaingo araka izay tiany ny vehivavy kristianina. Hampandefitra ny zony anefa izy, raha fantany fa hanafintohina olona ny fomba fihaingony.—1 Korintianina 10:23, 24.

Mety hanjary hanana fihetsika ratsy koa ny olona mifantoka be loatra amin’ny fitafiany sy ny taovolony. Tsy maotina sy feno hajejoana ny fomba fihaingon’ny vehivavy sasany any amin’ny tany maro, mba hisarihana ny mason’ny lehilahy. Tsy mihaingo noho izany antony ratsy izany mihitsy ny vehivavy kristianina. Miezaka hisaina sy hadio fitondran-tena kosa izy ireo, “mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.”—Titosy 2:4, 5.

Takatry ny vehivavy manompo an’Andriamanitra, fa na mihaingo aza izy, dia “ilay toetra miafina ao am-po” no tena mahatsara azy, ary hita taratra eo amin’ny fihetsiny sy ny fitondran-tenany izany. (1 Petera 3:3, 4) Hajain’ny olona sy manome voninahitra ny Mpamorona, ny vehivavy mifidy tsara ny akanjo sy makiazy ary firavaka anaovany.