Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila ‘Iresahana’ ny Zatovo

Mila ‘Iresahana’ ny Zatovo

Mila ‘Iresahana’ ny Zatovo

FANTATRY ny ray aman-dreny rehetra miahy ny zanany, fa mitombo sy salama ny ankizy rehefa karakaraina amim-pitiavana. Fantatr’izy ireo koa fa mandady mankeo am-pofoany ny zanany, rehefa mila tambitamby. Matetika anefa izy ireny no tsy dia mankasitraka ny fiahian’ny ray aman-dreniny rehefa lasa zatovo, hoy ny Dr. Barbara Staggers, tompon’andraikitry ny fitsaboana zatovo ao amin’ny Hopitalin’ny Ankizy sy Foibe Fikarohana any Oakland, any Etazonia. Amin’izay indrindra anefa no fotoana tena ilan’ny tanora ny fiahian’ny ray aman-dreniny. Nahoana?

Nilaza i Staggers fa mihatsy voara-maso ny ankizy rehefa mihalehibe, ka mety tena hampidi-doza azy ireo izany. Hoy izy tao amin’ny gazety Ny Kintani Toronto (anglisy): “Mianatra mamantatra ny tenany, sy mianatra miara-miaina amin’ny fiaraha-monina ny ankizy, mandritra ny fotoana maha zatovo azy. Tia misangy loza koa izy ireo ary mora taomin’ny namany, ka vao mainka mety hidiran-doza.” Tsy ny taonan’ny ankizy fotsiny no amaritana ny fotoana maha zatovo azy, fa ny fiovana mitranga eo aminy koa. Hoy ihany i Staggers: “Miova ny vatany sy ny fomba fisainany amin’io fotoana io, ary te hanandrana zava-baovao izy.” Amin’ny voalohany, dia mifantoka amin’ny tenany izy, ka variana amin’ny fiovan’ny vatany, sady taitaitra fotsiny rehefa manao zavatra. Lasa tia andrakandrana izy aorian’izay, ary amin’ny farany, dia tsy manao afa-tsy izay saim-pantany.

Mety tena hahafinaritra tokoa ny fotoana maha zatovo, nefa koa mety hanahirana an’ilay tanora sy ny ray aman-dreniny. Nitsabo zatovo nandritra ny 20 taona mahery i Staggers, ka hitany fa “mila fotoana hiresahana amin’ny olon-dehibe miahy azy” ny ankamaroan’ny zatovo. Ahoana no hanatanterahana izany?

Mifampiresaha tsara foana! Ry ray aman-dreny, henoy tsara ny zanakareo, mba hanomezan-toky azy fa tena miahy azy ianareo. Porofoy fa miahy azy ianareo ka ametraho fanontaniana izy mba hampisaintsainana azy, sy hahatonga azy hieritreritra ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy kasainy hatao. Antitrantero aminy koa fa mitondra voka-tsoa ny fanapahan-kevitra tsara. Ampio izy hahafantatra ny fitondran-tena mety.

Maro no mihevitra fa tokony havela hamaha samirery ny olana mahazo azy ny ankizy. Raha manao izany anefa ny ray aman-dreny, dia mety ho olona ratsy fitondran-tena sy maty eritreritra no hanoro hevitra ny zanany, ka ho loza ny vokany. (Ohabolana 13:20) Raha mampihatra ny torohevitry ny Baiboly kosa izy ireo, dia hanao izay azony atao mba hanampiana ny zanany ho tafavoaka soa aman-tsara amin’io fotoan-tsarotra io, ka ho tonga olon-dehibe matotra. Tsy maintsy mianatra ‘manazatra ny zanany amin’izay lalana tokony halehany’ àry ny ray aman-dreny.—Ohabolana 22:6.

Misy torohevitra mahasoa momba ny fahaizana mifampiresaka sy ny fitaizana zatovo, ao amin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. * Misy torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Soratra Masina koa ao, ho an’ny mpianakavy tsirairay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.