Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no boky ho an’ny olona rehetra izy io?

Nahoana no boky ho an’ny olona rehetra izy io?

Nahoana no boky ho an’ny olona rehetra izy io?

▪ Fantatrao ve fa ny Baiboly no boky miely indrindra eran-tany hatramin’izao? Ilay bokikely 32 pejy hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, dia manazava hoe nahoana no tia sy matoky ny Baiboly ny olona an-tapitrisany, na dia nisy nanaratsy sy nitady hanafoana aza izy io.

Hazavaina fohifohy ao amin’io bokikely io hoe inona no raketin’ny Baiboly, ary nahoana izy io no azo itokisana. Misy porofo koa ao fa mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, na dia efa 3 500 taona lasa aza no nanoratana ny ampahany aminy. Hazavain’ilay bokikely fa mahasoa antsika amin’izao andro izao ny fampianaran’ny Baiboly. Azo inoana fa hahaliana anao koa, ny fanazavany ny nahatanterahan’ireo faminaniana nambara an-jatony taona mialoha. Ary izany dia manome antoka fa ho tanteraka tsy ho ela ilay fampanantenana kanto resahin’ny Baiboly, momba ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana.

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ity tapakila ity ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.