Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fisotroana Tafahoatra sy ny Fahasalamana

Ny Fisotroana Tafahoatra sy ny Fahasalamana

Ny Fisotroana Tafahoatra sy ny Fahasalamana

“Santé!” “Salute!” “Za vashe zdorovye!” “Chuc suc khoe!” Teny frantsay, italianina, rosianina, ary vietnamianina ireo, ary mitovitovy amin’ny hoe: “Samy ho ela velona e!” Miteny an’izany ny mpinamana, alohan’ny iarahany misotro toaka. Mahagaga anefa fa olona an-tapitrisany no matin’ny toaka eran-tany.

MAROMARO ny famaritana ny atao hoe misotro tafahoatra. Ireto ny sasany: 1) Misotro toaka mihoatra noho izay heverin’ny mpitsabo na ny lalàna fa antonony, ary manao izany tsy tapaka. “Efa mety hitera-doza” eo amin’ny vatana na ny saina na ny fiaraha-monina izany, araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. 2) Misotro toaka be loatra, ka efa misy voka-dratsy eo amin’ny vatana na ny saina, saingy mbola tsy miankin-doha amin’ny toaka. 3) Efa miankin-doha amin’ny toaka, ka “tsy mahafehy tena intsony, fa tsy maintsy misotro foana.” Maniry mafy hisotro toaka ny olona toy izany, ka tsy mitsahatra misotro na dia efa mahita olana isan-karazany aza. Mandraiky marary na tsy mahazo aina izy raha vao tsy mahita toaka.

Mety hanimba anao ny fisotroana tafahoatra, na tanora ianao na antitra, na lahy na vavy, ary na avy aiza na avy aiza. Inona no vokatry ny alkaola eo amin’ny vatana? Inona avy no voka-dratsin’ny fisotroana tafahoatra eo amin’ny fahasalamana? Ary toy inona ny habetsahan’ny toaka antonony, amin’ny ankapobeny, ka tsy mampidi-doza?

Manimba ny saina

Éthanol no anaran’ilay zavatra simika na ilay alkaola hita ao amin’ny ankamaroan’ny toaka. Poizina izy io, satria mety hanimba ny rafi-pitatitra. Azo lazaina hoe voapoizina àry ny olona mamo. Raha be loatra ny alkaola ao amin’ny vatan’ny olona iray, dia tsy hahatsiaro tena izy ary ho faty. Maromaro, ohatra, ny mpianatra japoney maty isan-taona, satria manao an’ilay antsoina hoe ikkinomi, na misotro toaka atao indray migoka. Afaka manova ny alkaola ho zavatra tsy mampidi-doza ny vatana, nefa tsy vitany vetivety izany. Raha mbola tsy voaova akory àry ilay alkaola nefa ampiana indray, dia hiangona ao amin’ny vatana ka hisy vokany ratsy eo amin’ny atidoha. Ahoana no fisehon’izany?

Misy zavatra simika maromaro mihaona ao amin’ny selam-pitatitry ny atidoha, vao afaka miteny isika, na mijery, mandrindra fihetsika, misaina, na manao zavatra. Maro be sady mifampitohitohy ny asa ataon’ireo zavatra simika ireo. Manova an’izany anefa ny alkaola, satria lasa miasa mafy na tsy miasa intsony ny zavatra simika sasany, izay mampita ny baiko avy amin’ny selam-pitatitra iray mankany amin’ny iray hafa. Miova àry ny fampitana baiko ao amin’ny atidoha, ka tsy miasa tsara intsony izy io. Izany no mahatonga ny olona hiraiki-dela, tsy hahita tsara, hivembena, ary tsy hahafehy tena firy, rehefa avy nisotro toaka be. Ireo matetika no ahalalana hoe mamo ny olona iray.

Raha mbola misotro ihany ilay olona, dia ataon’ireo zavatra simika izay hahatonga ny atidohany ho zatra hiady amin’ny voka-dratsin’ny alkaola, sy hahavita hampandeha tsara hatrany ny asan’ny selam-pitatitra. Lasa mahazaka kokoa an’ilay fatran’alkaola tsy zakany teo aloha àry ilay olona, ka mihena ny vokatr’izany eo aminy. Rehefa ela ny ela, dia manjary zatra alkaola loatra ny atidohany ka tsy miasa tsara intsony raha tsy misy azy io. Efa miankin-doha amin’ny toaka ilay olona amin’izay. Mitady mafy toaka ny vatany, mba hiasa tsara foana ny zavatra simika ao amin’ny atidohany. Mikorontana tanteraka ny fiasan’izy ireo raha vao tsy misy toaka. Mitebiteby ilay olona, mangovitra, na mifanintona mihitsy aza.

Tsy ny fiasan’ny zavatra simika ao amin’ny atidoha ihany no miova, fa ny atidoha mihitsy. Mikainkona ny sela ao aminy ary potika. Mety ho vitan’ny atidoha indray ny zavatra sasany hainy, raha tsy misotro intsony ilay olona. Mety tsy hitovy amin’ny taloha intsony anefa ny zava-bitany, ka vao mainka hampihena ny fitadidiana sy ny fiasan’ny saina. Tsy ny fisotroan-toaka mandritra ny fotoana lava ihany anefa no manimba ny atidoha. Hita tamin’ny fikarohana fa toa manimba azy koa, na dia ny fisotroana tafahoatra mandritra ny fotoana fohy aza.

Aretin’aty sy kansera

Tena mandray anjara lehibe amin’ny fandevonan-kanina ny aty. Tena manampy koa izy io, mba hampikoriana tsara ny ra sy hiadiana amin’ny aretina ary hanesorana poizina toy ny alkaola. Manimba tsikelikely ny aty ny fisotroan-toaka mandritra ny fotoana lava. Lasa miangona ao aloha ny tavy. Elaela mantsy ny aty vao mahavita mandevona azy ireny, satria mbola mila manova ny alkaola. Feno tavy àry ny atin’ilay olona ka lasa marary. Rehefa mandeha ny fotoana, dia voan’ny hepatita na fivontosan’ny aty izy. Tsy mahavoan’ny hepatita fotsiny anefa ny alkaola, fa mety hahatonga ny vatana tsy dia hahatohitra ny virosin’ny hepatita B sy C koa. * Ho vaky ny sela ary ho faty, raha tsy voatsabo ilay fivontosana. Marina fa tsy maintsy maty ihany ny sela, nefa toa manafaingana loatra an’izany ny alkaola, ka vao mainka manimba ny aty.

Voan’ny aretin’aty antsoina hoe cirrhose ilay olona amin’ny farany. Feno holatra ny atiny, satria mihamivonto hatrany sady mihapotika ny sela ao aminy. Lasa mivohibohitra sy mafimafy izy io rehefa ela ny ela, fa tsy malemilemy intsony. Farany, dia tsy mikoriana tsara intsony ny ra ao amin’ny aty noho ireo holatra. Tsy miasa intsony àry izy io, ka maty ilay olona.

Misy voka-dratsiny hafa eo amin’ny aty koa ny alkaola. Tsy dia mahavita miady amin’ny zavatra miteraka kansera intsony izy io, ka mora voan’ny kanseran’ny aty ilay olona. Tena atahorana ho voan’ny kanseran’ny vava, faratenda, lohatraoka, ary ny lalan-kanina koa anefa izy. Ny mpifoka sigara sy mpihinam-paraky no tena atahorana, satria mora idiran’ireo zavatra miteraka kansera hita ao amin’ny sigara sy paraky, ny fihary ranoka ao amin’ny vavany. Atahorana kokoa ho voan’ny kanseran’ny nono ny vehivavy misotro isan’andro. Nisy fandinihana natao, ohatra, ka hita fa atahorana lavitra ho voan’ny kanseran’ny nono ireo misotro toaka karazany telo na mihoatra isan’andro, raha oharina amin’ireo tsy misotro.

Voapoizina ny zazakely

Misy vokany ratsy amin’ny zaza ao am-bohoka koa ny fisotroana tafahoatra, ary tena mampalahelo izany. Hoy ny gazety iraisam-pirenena iray: “Ny alkaola no ratsy lavitra ho an’ny zaza ao am-bohoka, raha oharina amin’ny zava-mahadomelina na ny fanafody tsy tokony hohanina.” Rehefa misotro toaka ny vehivavy bevohoka, dia mankany amin’ilay zanany koa ny alkaola. Amin’ny fotoana iforonan’ilay zaza anefa no tena ratsy indrindra ny vokatry ny alkaola. Simba ny rafi-pitatitra foibe, ary tsy miverina amin’ny laoniny intsony. Tsy miforona araka ny tokony ho izy ny selam-pitatitra. Potika ny sela efa niforona. Ny hafa kosa lasa any amin’ny toerana tsy tokony hisy azy.

Inona no vokatr’izany? Lasa mitondra takaitra ilay zaza, indrindra fa ny sainy. Izao avy izany: votsa saina izy, tsy dia mahay miteny sy mandrindra ny fihetsiny, tsy mitombo firy, mipelipelika be, ary marenindrenina na tsy mahita tsara. Sampona koa ny tarehin’ny zaza maro.

Mbola mety hitondra takaitra ihany ny zaza, na dia antonony aza ny toaka nosotroin’ny reniny tamin’izy tany am-bohoka. Mety tsy hahavita hianatra zavatra sasany izy, na hanao fihetsika tsy ara-dalàna. “Tsy voatery ho mpisotro toaka be ianao vao hanimba ny zaza ao an-kibonao. Raha vao misotro fotsiny ianao, dia efa manimba ny zanakao”, hoy ny Profesora Ann Streissguth, avy amin’ny fikambanana any amin’ny Oniversiten’i Washington, miady amin’ny takaitra ateraky ny alkaola sy ny zava-mahadomelina, eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Izao koa no tatitry ny Fikambanana Frantsay Misahana ny Fahasalamana sy ny Fikarohana Ara-pitsaboana (Toaka—Ny Vokany eo Amin’ny Fahasalamana): “Tena mampidi-doza ny toaka, mandritra ny fitondrana vohoka. Mbola tsy nisy mihitsy habetsahana toaka tsy atahorana hanimba an’ilay zaza.” Tsara àry raha tsy misotro toaka mihitsy ny vehivavy bevohoka, na vao mieritreritra ny hiteraka. *

Toaka amin’ny antonony

Mbola betsaka noho ireo voalaza teo aloha ireo ny aretina ateraky ny toaka. Nilaza ny gazety Natiora (anglisy) tamin’ny 2004, fa “atahorana kokoa haratra sy ho voan’ny aretina 60 eo ho eo ny olona, na dia misotro toaka kely fotsiny aza.” Toy inona àry ny toaka antonony? Olona an-tapitrisany maneran-tany no misotro tsindraindray nefa tsy marary, satria mahalala onony izy ireo. Fa inona moa no atao hoe mahalala onony? Mety hieritreritra ny ankamaroan’ny olona fa mahalala onony izy, raha mbola tsy mamo, na mbola tsy miankin-doha amin’ny toaka. Voalaza anefa fa efa mampidi-doza, ny habetsahan’ny toaka sotroin’ny lehilahy eoropeanina 1 ao anatin’ny 4.

Maromaro ny boky milaza fa ny habetsahan’ny alkaola antonony ho an’ny lehilahy ao anatin’ny andro iray, dia labiera iray tavoahangy, na divay tapa-tavoahangy, na toaka enina sotro lehibe. Antsasak’izany kosa ny an’ny vehivavy, izany hoe labiera tapa-tavoahangy, na divay ampahefa-tavoahangy, na toaka telo sotro lehibe. Ny mpitsabo frantsay sy britanika kosa milaza fa labiera iray tavoahangy sy tapany no “antonony” ho an’ny lehilahy, ao anatin’ny andro iray. Labiera iray tavoahangy kosa ny an’ny vehivavy. Manoro hevitra koa ny fikambanana amerikanina miady amin’ny fisotroana tafahoatra, fa ny olona 65 taona no ho miakatra, dia tsy tokony hisotro afa-tsy labiera tapa-tavoahangy, na divay ampahefa-tavoahangy, na toaka telo sotro lehibe, ao anatin’ny andro iray. * Tsy mitovy anefa ny vokatry ny alkaola eo amintsika tsirairay. Mety ho efa tafahoatra be amin’ny olona sasany, na dia ireo fatra heverina fa antonony ireo aza. ‘Mety hitera-doza ho an’ny olona ketraka na mitebiteby’, ohatra, ‘na dia ny toaka antonony aza’, araka ny tatitra nampanaovin’ny fitondram-panjakana amerikanina. Tokony hojerena koa ny taona sy ny fitsaboana efa narahina ary ny toe-batana.—Jereo ilay efajoro hoe “Fomba Ampihenana ny Loza.”

Inona no vahaolana ho an’ireo misotro tafahoatra? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Hita tamin’ny fandinihana natao tany Frantsa, fa atahorana kokoa ho voan’ny cirrhose ny olona voan’ny hepatita C, na mpisotro toaka be izy na kely. Tsy tokony hisotro toaka afa-tsy kely dia kely, na tsy hisotro mihitsy àry izy ireo.

^ feh. 17 Tokony ho fantatry ny vehivavy mampinono, fa miangona ao amin’ny nonony ny alkaola rehefa avy misotro toaka izy. Betsaka kokoa matetika ny alkaola ao amin’ny nono noho ny ao amin’ny ra, satria be rano afaka mitroka azy kokoa ao.

^ feh. 20 Mitovy habe amin’ny tavoahangina labiera lehibe (65 santilitatra) ny tavoahangy resahina ato amin’ity lahatsoratra ity. Tsy mitovy koa ny haben’ny vera any amin’ny tany tsirairay, ka mila mieritreritra tsara ianao vao misotro.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

TOKONY HISOTRO VE RAHA HITONDRA FIARA?

Vao nanomboka nisy ny fiara, dia efa nisy ny lalàna momba ny mpamily misotro toaka. I Danemark no firenena voalohany namoaka lalàna toy izany, tamin’ny 1903.

Antsasak’adiny eo ho eo monja dia efa heniky ny alkaola ny ranao, raha tsy nisakafo ianao nefa nisotro. Tsy marina ilay fiheveran’ny olona maro hoe misava ny toaka rehefa misotro kafe, na mifoka rivotra madio, na manao fanatanjahan-tena. Ny fotoana ihany no hampihena ny vokatry ny alkaola eo amin’ny vatanao. Aza hadinoina koa fa mitovy ihany ny habetsahan’alkaola ao amin’ny labiera tapa-tavoahangy sy divay ampahefa-tavoahangy ary toaka telo sotro lehibe. *

Efa mampihena ny fahaizanao mitondra fiara, na dia toaka kely fotsiny aza. Misy fiantraikany eo amin’ny masonao ny alkaola. Lasa kely kokoa ny fahitanao ny takela-by eny an-dalana, ary tsy hitanao tsara ny eo ankavia sy ankavananao. Lasa toy ny mbola lavitra ny zavatra efa akaiky, ary tsy mahavita mifantoka amin-javatra lavitra ianao. Tsy miasa tsara ny atidohanao, ary tsy mahavita manao zavatra avy hatrany ianao, na mandrindra haingana ny fihetsikao.

Mety haratra mafy ianao raha tratran’ny lozam-piarakodia. Atahorana kokoa ny ainao raha ilana fandidiana maika ianao, satria misy vokany eo amin’ny fo sy ny fikorianan’ny ra ny alkaola. “Tsy araka ny eritreretin’ny olona àry, fa ny mpamily mamo foana matetika no maty”, araka ny tatitra navoakan’ny Fikambanana Frantsay Misahana ny Fahasalamana sy ny Fikarohana Ara-pitsaboana. Noho ireo loza ireo, dia nanome ireto soso-kevitra ireto io fikambanana io:

▪ Aza misotro toaka raha hitondra fiara.

▪ Aza mandeha amin’ny fiara entin’ny mpamily avy nisotro.

▪ Aza avela hitondra fiara ny namanao na ny ray aman-dreninao raha nisotro.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 29 Alkaola fito grama eo ho eo isan’ora no avoakan’ny vatana. Tsy mitovy koa ny haben’ny vera any amin’ny tany tsirairay. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, fa misy alkaola 10 grama ao amin’ireto: labiera tapa-tavoahangy, divay ampahefa-tavoahangy, ary toaka telo sotro lehibe.

[Sary]

Mitovitovy ny habetsahan’alkaola ao amin’ireto

Labiera tapa-tavoahangy (33 santilitatra; alkaola 5%)

Toaka telo sotro lehibe (whisky, rhum) (4 santilitatra; alkaola 40%)

Divay ampahefa-tavoahangy (14 santilitatra; alkaola 12%)

Toaka mamy dimy sotro lehibe (7 santilitatra; alkaola 25%)

[Efajoro, pejy 6]

AVY AMIN’NY FOTOTARAZO VE?

Zavatra ao anatin’ny sela ny fototarazo, ary mamaritra ny toetrantsika. Te hitady vahaolana amin’ny fisotroan-toaka be ny mpahay siansa, ka nataony izay ahalalana raha anisan’ny mahatonga azy io sy mampihombo azy, ny fototarazo. Hitany fa toa misy fototarazo maromaro mahatonga ny olona ho tia toaka, ary misy tokoa ireo lasa mpisotro be, noho izany. Azo ialana anefa izany, satria tsy ny fototarazo ihany no mety hahatonga ny olona hiankin-doha amin’ny toaka, fa eo koa ny zavatra iainany. Ratsy taiza angamba izy, na manana fianakaviana na namana mpisotro toaka be, na miady amin’olona, malahelo, kivy, masiaka, tia zavatra mampangitakitaka, mahazaka alkaola be, ary midoroka zava-mahadomelina, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

FRANTSA:

Hita tamin’ny fandinihana fa dimy tapitrisa eo ho eo ny olona misotro tafahoatra, ka efa miankin-doha amin’ny toaka ny roa na telo tapitrisa amin’ireo

NIZERIA:

“Nizerianina 15 tapitrisa mahery no miankin-doha amin’ny toaka”, araka ny gazety Tompon-daka Isan’andro (anglisy), any Lagos. Efa ho ny 12 isan-jaton’ny mponina izany

PORTOGALY:

Anisan’ny mpisotro toaka be indrindra eran-tany ny olona any. Mitondra “takaitra be noho ny toaka” ny 10 isan-jaton’ny mponina, araka ny gazety Público, any Lisbonne

ETAZONIA:

“Amerikanina 14 tapitrisa eo ho eo, izany hoe 7,4 isan-jaton’ny mponina, no fantatra fa misotro tafahoatra na miankin-doha amin’ny toaka”, araka ny tatitra nampanaovin’ny fitondram-panjakana amerikanina

[Efajoro, pejy 8]

FOMBA AMPIHENANA NY LOZA

Ireto misy fomba ampihenana ny loza ateraky ny toaka, araka ny Sampan-draharaha Misahana ny Fahasalaman’ny Saina sy Miady Amin’ny Zava-mahadomelina, ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Tadidio fa mampihena ny loza fotsiny izy ireo, fa tsy hoe manafoana azy. Tsy mitovy mantsy ny vokatry ny toaka eo amin’ny olona tsirairay.

▪ Aza misotro afa-tsy labiera iray tavoahangy ao anatin’ny andro iray, na toaka mitovy habetsahan’alkaola aminy *

Aza misotro toaka mandritra ny roa andro, fara fahakeliny, ao anatin’ny herinandro

Mety hampidi-doza na dia ny toaka amin’ny antonony aza, rehefa:

▪ Mampiasa milina ianao

▪ Bevohoka na mampinono

▪ Mihinam-panafody tsy azo ampiarahina amin’ny toaka

▪ Voan’ny aretina sasany

▪ Tsy mahalala onony

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 58 Misy alkaola 20 grama.

[Sary nahazoan-dalana]

Nalaina tao amin’ny Brief Intervention for Hazardous and Harmful Drinking

[Efajoro/Sary, pejy 9]

MAHASALAMA NY FO VE NY TOAKA?

Mino ny mpahay siansa fa mampihena ny zavatra simika mahatonga ny lalan-dra ho tery, ny zavatra simika (polyphénols) ao amin’ny divay mena.

Voalaza koa fa mampitombo ny kolesterola mahasoa ny ankamaroan’ny toaka. Mampihena an’ireo zavatra mampivaingana ny ra koa izy io.

Aza atao indray misotro anefa ny toaka zakanao, fa tsinjarao ao anatin’ny herinandro ary ataovy kely isaky ny misotro. Izany no mety hahasoa. Voalaza fa mampiakatra tosidra ny fisotroana toaka mihoatra ny antonony ao anatin’ny andro iray. Mety hivonto sy tsy hitepo tsara ny fo, ary atahorana kokoa ho tapaka ny lalan-dra. Miteraka loza hafa koa ny toaka raha be loatra, ka tsy hahasoa ny fo sy ny lalan-dra intsony. Mety hahatsara ny fahasalamana àry ny toaka, nefa manimba raha be loatra.

[Kisary/Sary, pejy 7]

METY HANIMBA ANAO NY TOAKA

Atidoha

Potika ny sela, very tadidy, kivy, mila ady

Tsy mahita na tsy mahay miteny tsara, tsy mahavita mandrindra fihetsika

Kanseran’ny tenda, vava, nono, aty

Fo

Mety hijanona tampoka, malemy ny hozatra

Aty

Feno tavy, mivonto, feno holatra amin’ny farany

Voka-dratsy hafa

Mihena ny hery fanefitra, marary ny vavony, mivonto ny sarakaty

Vehivavy bevohoka

Mety ho kilemaina na ho votsa saina ny zanany

[Sary, pejy 8]

“Ny alkaola no ratsy lavitra ho an’ny zaza ao am-bohoka, raha oharina amin’ny zava-mahadomelina na ny fanafody tsy tokony hohanina”