Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ankizy Tsy Andevozin’ny Tele Intsony

Nisy fanadihadiana natao tany amin’ny akanin-jaza 16, tany amin’ny faritra avaratr’i New York. Naharitra dimy volana izy io. Hita fa “nihena adiny telo isan-kerinandro ny fotoana nijeren[’ny ankizy] tele”, rehefa nampianarina nanao zavatra hafa izy ireo, hoy ny The New York Times. Nasaina namaky teny, ohatra, izy ireo, na nametraka lafi-bilia alohan’ny hisakafoanana, na nanamboatra famantarana hoe “Tsy azo alefa”, ho an’ny tele tsirairay ao an-trano. Nanome soso-kevitra hafa mihitsy aza ireo ankizy. Nampirisihina koa ny ray aman-dreny, mba hamaky tantara ho an-janany isan’andro, ary hamono ny tele mandritra ny sakafo. Maro tamin’ireo fianakaviana nadinadinina no tsy nijery tele nandritra ny roa herinandro, tao anatin’ireo dimy volana ireo. Tsy tokony hihevitra mihitsy ny ray aman-dreny fa tsy ho vita izany hiala amin’ny fahazarana mijery tele izany, hoy ny Pr. Barbara Dennison, tompon’andraikitra tamin’ilay fanadihadiana. Hoy izy: “Mahagaga fa vonona hanao zavatra hafa avy hatrany ny ankizy.”

Manimba ny Vatana Manontolo ny Sigara

“Tsy ny havokavoka sy ny mpanelira ihany no mitondra faisana noho ny fifohana sigara, fa ny vatan’ilay mpifoka manontolo mihitsy”, hoy ny New Scientist. Maro be ny aretina vokatry ny sigara, araka ny tatitra nataon’i Richard Carmona, Minisitry ny Fahasalamana any Etazonia. Anisan’izany ny pnemonia, katarakta, aretin’ny hihy, kanseran’ny ra, voa, vozon-tranonjaza, vavony ary sarakaty. Hoy i Carmona: “Efa am-polony taona no nahafantarantsika fa ratsy ny mifoka sigara. Asehon’io tatitra io anefa, fa mbola ratsy kokoa noho ny nahafantarantsika azy hatramin’izay izy io. Entin’ny ra any amin’ny lalany rehetra mantsy ny poizina avy amin’ny sigara.” Misy mihevitra fa tsy ho tratran’ireo loza ireo izy, raha sigara tsy dia be godorao sy nikôtinina indray no fohiny. Nilaza anefa i Carmona fa “mampidi-doza daholo ny sigara.” Mazàna ny mpifoka sigara no maty 13 na 14 taona alohan’ny olona tsy mifoka, hoy ihany izy. “Miteraka aretina saika any amin’ny taova[n’ny mpifoka] rehetra ny sigara, na tanora izy na antitra”, hoy i Carmona, araka ny The New York Times.

Fanefena Fitaovam-piadiana ho Zavatra Filalaovana

Nisy ezaka manokana natao tany Brezila, mba hampihenana ny isan’ny fitaovam-piadiana any amin’ny mponina. Nomena 30 ka hatramin’ny 100 dolara isaky ny fitaovam-piadiana, izay namerina ny azy an-tsitrapo. Nilaza ny Folha Online, fa fitaovam-piadiana 200 000 mahery no voangona tao amin’io firenena io, ny Jolay ka hatramin’ny Desambra 2004. Ireo fitaovam-piadiana voangona tany São Paulo, dia nopotehina, nofisahina, natsonika, ary avy eo nanamboarana zavatra filalaovana. Napetraka ao amin’ny zaridainan’ilay tanàna izy ireny avy eo. Ahitana antsavily isan-karazany sy korisa izao ao amin’ilay zaridaina, ary ireo fitaovam-piadiana naterin’olona avokoa no nahavitana izany. Hoy i Márcio Bastos, Minisitry ny Fitsarana: “Ny hisian’ny fandriampahalemana no tena anisan’ny tanjona, tamin’ilay ezaka manokana.”

Mihavitsy ny Masera

“Vao mainka mihavitsy ny vehivavy te ho lasa masera any Arzantina”, hoy ny Clarín, gazetin’i Buenos Aires, tamin’ny 2004. Hoy koa izy io: “Nihena 5,5 isan-jato ny isan’ny masera tato anatin’ny efa-taona farany. Nisy 9 113 izy ireo tamin’ny 2000, nefa 8 612 monja tamin’ity taona ity. Efa ho 36 isan-jato ilay fihenana, izany hoe be kokoa raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 1960. Nisy masera 13 423 mantsy tamin’izany.” Maro ny antony mahatonga izany. “Tsy dia tian’olona intsony [ohatra] ny manokan-tena ho relijiozy” ary “matahotra izy ireo sao tsy ho vitany ny hanefa an’ilay voady mandra-pahafatiny.” Nihena koa ny isan’ny pretra tamin’ireo fotoana ireo. Hoy ihany ny Clarín: “Maro no mihevitra fa vao mainka hihena io isa io amin’ny hoavy, ary miaiky ny rehetra fa mitranga maneran-tany izany.”

Sambo Fitaizana ny Be Antitra

Midangana be izao ny vola aloa any amin’ny trano fitaizana ny be antitra. Mihevitra àry ny olona sasany, fa toa tsara kokoa raha tezaina any anatin’ireny sambo mitondra mpitsangantsangana ireny ny zokiolona. Nilaza ny Journal of the American Geriatrics Society, fa “mitovy ihany ny fikarakarana sy ny vola aloa isam-bolana, any amin’ny trano fitaizana ny be antitra sy any amin’ireny sambo ireny.” Misy fikarakarana tsy hita any amin’ny trano fitaizana ny be antitra mihitsy aza any amin’izy ireny. Ahitana dokotera miasa andro aman’alina, ohatra, any, olona miaraka amin’ny zokiolona iray isaky ny handeha hisakafo, mpanadio ny tranony sy ny lambany. Mahazo tombony koa ireo zokiolona satria manao dia lavitra, sady afaka mihaona amin’olona maro. Voalaza tao amin’ilay tatitra koa, fa “mety ho maro kokoa no ‘hitsidika an’i bebe’, raha eny ambony sambo izy no mipetraka.”

Tahotra efa Lasa Aretina

“Mety hihetsika amin’ny fotoana rehetra io aretina io, ary hanaitra an’ilay marary amin’ny alina mihitsy aza. Ireto no anisan’ny soritr’ilay aretina: marary tratra ilay olona, sempotra, matahotra be, tsemboka, ary te handositra”, hoy ny gazety Vancouver Sun. Nasehon’ny tatitra vao haingana, tamin’ny fanadihadiana olona 36 894, fa Kanadianina 3,7 isan-jato (15 taona no ho miakatra), na olona iray tapitrisa eo ho eo, no tratran’io aretina io. Voalaza fa ny vehivavy no tena voan’izy io (4,6 isan-jato), noho ny lehilahy (2,8 isan-jato). Lazain’ilay gazety koa fa ‘raha ampitahaina amin’ny olona salama, dia atahorana kokoa hisotro toaka ary vao mainka atahorana hifoka sigara [ireo marary], mba hiatrehany ilay aretina.’ Soa ihany fa efa ho 70 isan-jaton’ny marary no manatona dokotera. Lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny aretin-tsaina, ao amin’ny Oniversiten’i Ottawa, ny Pr. Jacques Bradwejn. Hoy izy tao amin’ilay tatitra: “Mety hahatonga [an’ilay aretina] ny rotoroton’ny fiainana”, na dia eo aza ny fototarazo sy ny toe-batan’ilay olona.

Tena Manala Baraka ny Tsy Fahampian-tsakafo

Milaza ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy Fambolena ary Fiompiana (FAO), fa ankizy dimy tapitrisa eo ho eo no matin’ny hanoanana isan-taona, araka ny tatitra tao amin’ny Corriere della Sera, gazety italianina. Milaza ny tatitry ny FAO fa olona 852 tapitrisa no tsy ampy sakafo eran-tany, ka 815 tapitrisa any amin’ny tany mahantra, 28 tapitrisa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary 9 tapitrisa any amin’ny tany mandroso. Nisy fanambarana nosoniavin’ny solontenan’ny firenena 110, tamin’ny Fihaonana An-tampony Momba ny Hanoanana 2004, tao amin’ny foiben’ny ONU tany New York. Izao no anisan’ny nolazaina tao: “Tsy ny fisian’ny hanoanana no tena manala baraka, fa ny hoe mbola misy foana ilay izy na dia afaka manafoana azy io aza isika.”