Tsaroanay ny Tongolo Lay!
Tsaroanay ny Tongolo Lay!
Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any amin’ny Repoblika Dominikanina
INONA no sakafo tianao hohanina, raha lavitra ny taninao ianao sady noana? Ireo voankazo sy legioma misy any amin’ny taninao ve? Sa ny hena na ny trondro matsiro fahandron’ny reninao? Ary raha tongolo lay ve mety hampitelin-drora anao?
Namakivaky ny efitr’i Sinay ny firenen’ny Israely, 3 500 taona teo ho eo izay, ka hoy izy ireo: “Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Egypta mbamin’ny voantango sy tongolo samy hafa karazana.” (Nomery 11:4, 5) Nanembona tongolo samy hafa karazana tokoa izy ireo, anisan’izany ny tongolo lay. Nankafy azy io erỳ ny Jiosy, ka niantso ny tenany hoe mpihinana tongolo lay izy ireo, araka ny lovantsofina.
Inona no nahatonga ny Israelita ho tia tongolo lay? Fihinan’izy ireo izy io, tamin’izy nipetraka tany Ejipta, nandritra ny 215 taona. Hita tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany fa efa namboly tongolo lay ny Ejipsianina, ela be talohan’ny nahatongavan’i Jakoba sy ny fianakaviany tany. Nilaza ilay Grika mpahay tantara atao hoe Hérodote, fa nividy tongolobe sy radia ary tongolo lay be dia be ny fanjakana ejipsianina, mba homena an’ireo andevo nanorina piramida. Toa nampitombo ny tanjaka sy ny herin’izy ireo izany sakafo be tongolo lay izany. Rehefa maty i Toutankhamon, mpanjakan’i Ejipta, dia nalevina niaraka taminy ny zava-tsarobidy maro, anisan’izany ny tongolo lay. Mazava ho azy fa tsy mila tongolo lay ny maty. Tena mandray soa avy amin’izy io kosa anefa ny velona.
Fanafody tena mandaitra
Efa ela no nampiasa tongolo lay mba hitsaboana marary ny dokotera, anisan’izany ry Hippocrate sy Dioscoride. Taonjato maro lasa izay, ohatra, dia nampirisihin’ireo dokotera grika ireo mba hampiasa azy io ny olona tsy nahalevon-kanina, boka, voan’ny kansera, naratra, na narary fo. Nianatra momba ny tongolo lay i Louis Pasteur, Frantsay mpahay simia, tamin’ireo taona 1800. Nilaza izy fa mamono otrikaretina izy io. Nampiasa tongolo lay mba hitsaboana ny fivalanana vokatry ny amiba sy ny aretina hafa koa, ilay misionera sady dokotera atao hoe Albert Schweitzer, tamin’izy tatsy Afrika, tamin’ireo taona 1900. Ny dokoteran’ny tafika rosianina indray dia nampiasa azy io mba hitsaboana ireo miaramila naratra, rehefa tsy ampy ny fanafodiny nandritra ny Ady Lehibe II. Nanjary nantsoina hoe penisilinina rosianina àry ny tongolo lay. Ary tsikaritry ny mpahay siansa, vao haingana, fa manatsara ny fikorianan’ny ra izy io.
Araka izany, dia sakafo sy fanafody miavaka tokoa ny tongolo lay, ary tena hafakely ny fofony sy ny tsirony. Taiza no nambolena azy io voalohany? Misy manam-pahaizana momba ny zavamaniry milaza, fa avy tany Azia afovoany izy io no niely eran-tany. Andeha isika hitsidika toerana tsara tarehy iray ambolena azy io.
Fambolena tongolo lay any Constanza
Antonony tsara ny toetrandro any amin’ny Lohasahan’i Constanza, any amin’ny Repoblika Dominikanina. Voahodidina tendrombohitra ilay lohasaha, ary lonaka ilay tany sady avy matetika ny orana. Mety tsara hambolena tongolo lay tokoa ilay toerana!
Miava sy miasa ny taniny ireo tantsaha any Constanza, ny volana Septambra na Oktobra. Mihady soritr’asa lalina elanelanin’ny dongon-tany maromaro izy ireo. Asiany lavaka telo na efatra marivo kokoa avy eo ireo dongon-tany, izay mirefy iray metatra toradroa eo ho eo avy ny velarany. Ao anatin’ireny lavaka ireny no ambolena ny tongolo lay, rehefa avy nosaratsarahina sy nalona antsasak’adiny tao anaty rano. Avela haniry izy ireo mandritra ny ririnina, izay
tsy mangatsiaka loatra any amin’iny faritra iny.Manomboka ny fanangonana ny vokatra, rehefa Martsa na Aprily. Hadin’ireo mpiasa ny tongolo lay efa lehibe, ary avelany eny an-tsaha mandritra ny dimy na enina andro. Angoniny izy ireo avy eo, tapahiny ny tahony, ary apetrany ao anaty fitoerana lehibe tsy misarona antsoina hoe cribas ireo tongolo, rehefa voadio. Atapy mandritra ny iray andro ireo tongolo lay ao anaty cribas mba tsy ho lo, ary azo amidy amin’izay avy eo.
Kely fa mahery fofona
Rehefa mihinana laoka matsiro na lasary ianao, dia ren’ny oronao avy hatrany hoe misy tongolo lay izy io na tsia. Nahoana anefa no tsy misy fofona ny tongolo lay mbola tsy voavofy? Satria tsy mifangaro ny zavatra simika ao anatiny, raha tsy rehefa tetehina na totoina izy io. Mihaona mantsy ny zavatra simika roa atao hoe alliniase sy alliine, rehefa tetehina ny singana tongolo lay. Mifangaro avy hatrany izy ireo, ka manome ilay atao hoe allicine. Io no mahatonga an’ilay fofona sy tsiro mampiavaka ny tongolo lay.
Miparitaka ao am-bavanao ilay allicine, rehefa manaikitra tongolo lay ianao. Ary hamofona azy io ianao, na tianao na tsy tianao. Inona àry no azonao atao mba tsy ho re loatra ilay fofona rehefa misokatra ny vavanao? Azonao atao ny mitsako persily na jirofo.
Tadidio anefa fa avy any amin’ny havokavokao ilay fofona mivoaka amin’ny vavanao. Rehefa avy mandalo ny taovam-pandevonan-kanina mantsy ny tongolo lay, dia mankany amin’ny lalan-dra, ka tonga any amin’ny havokavoka. Mivoaka amin’ny vavanao àry ilay fofona mahery, isaky ny miaina ianao. Tsy tena afaka àry ilay izy, na dia miborosy nify sy mitsako persily aza ianao. Inona àry no vahaolana? Tsy tena misy. Raha tsy hoe asainao mihinana tongolo lay daholo angaha ny olona manodidina anao, dia mety tsy ho re loatra ilay fofona!
An-kavitsiana ny sakafo tsy misy tongolo lay any amin’ny tany maro, na dia somary manelingelina aza ny fofony. Na any amin’ny tany tsy mampiasa azy io firy aza anefa, dia betsaka ny mpankafy azy io no mihevitra fa maro be ny soa azo avy aminy.
[Sary, pejy 23]
Hamainina ny tongolo lay avy nohadina
[Sary, pejy 23]
Lohasahan’i Constanza
[Sary, pejy 23]
Nahoana no tsy mamoaka fofona ny tongolo lay raha tsy rehefa totoina?