Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vahaolana Amin’ny Fisotroana Tafahoatra

Vahaolana Amin’ny Fisotroana Tafahoatra

Vahaolana Amin’ny Fisotroana Tafahoatra

“Mpisotro toaka be ny raiko, ary nanahaka azy koa aho. Vao 12 taona aho dia efa nisotro. Mamo isan’andro aho nony nanambady. Lasa nahery setra aho, ka tonga matetika ny polisy niaro ny vady aman-janako. Niharatsy ny fahasalamako. Nandeha ra be ny vavoniko, ka saika maty aho. Voan’ny cirrhose aho avy eo, sady tsy ampy ra. Niditra tamin’ny fikambanana manampy ny olona hiala amin’ny toaka aho, fa tsy nisy vokany. Toy ny vorona voafandrika aho, ka tsy nahita fomba nialana mihitsy.”—VÍCTOR, * ARZANTINA.

MATETIKA no mitantara zavatra toy izany ny olona lasa mpisotro toaka. Toa an’i Víctor, dia mahatsiaro ho toy ny voafandrika izy ireo, ka tsy mahita fomba ialana mihitsy. Azo resena na ialana mihitsy ve anefa ireo olana ateraky ny toaka? Raha eny, amin’ny fomba ahoana?

Miaiky fa efa miankin-doha amin’ny toaka

Mila miaiky aloha ilay olona fa efa miankin-doha amin’ny toaka izy, ary efa ela izany no nanomboka. Mila miaiky koa ny fianakaviany. Antonony angamba ny toaka nosotroiny taloha, nefa nihabetsaka hatrany, ary nanjary tsy afa-niala intsony izy. Mahagaga anefa fa tsy ny olona efa miankin-doha amin’ny toaka no tena mahatonga lozam-piarakodia, na misetrasetra, na miteraka olana eo amin’ny fiaraha-monina, fa ireo misotro amin’ny antonony. Izany no nahatonga ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) hilaza hoe: “Ireo misotro amin’ny antonony, fa tsy ireo mpisotro toaka be, no tokony hampiana hametra ny toaka sotroiny, raha tena tiana hihena ny olana rehetra ateraky ny toaka eo amin’ny fiaraha-monina.” (Izahay no manao sora-mandry.) Mihoatra noho izay heverin’ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana fa antonony ve ny toaka sotroinao? Mbola misotro ve ianao, na dia rehefa mila mifantoka sy manao zavatra haingana aza? Mahita olana ve ianao ao an-tranonao na any am-piasana, satria zatra misotro? Raha ‘tena tianao’ àry ny hisoroka olana goavana any aoriana any, dia mila miaiky ianao fa mety hampidi-doza ny habetsahan’ny toaka sotroinao, ka tokony hahena. Rehefa lasa miankin-doha amin’ny toaka mantsy ny olona, dia sarotra be aminy ny miala.

Matetika ny olona misotro tafahoatra no tsy manaiky fa efa be loatra ny toaka sotroiny. Misy miteny hoe: “Mba misotro hoatran’ny olon-drehetra aho”, na “Vitako foana ny miala amin’io, rehefa vonona aho.” Hoy i Konstantin, any Rosia: “Tsy nieritreritra aho hoe efa niankin-doha tamin’ny toaka, na dia efa saika maty aza. Tsy nitady fomba nialana mihitsy àry aho.” Hoy i Marek, any Polonina: “Efa imbetsaka aho no nanandrana niala tamin’ny toaka. Tsy tena neken’ny saiko anefa hoe mpisotro toaka be aho. Nahita olana be dia be aho, fa tsy noraharahaiko.”

Ahoana no hanampiana ny olona iray hiaiky fa efa miankin-doha amin’ny toaka izy? Ary ahoana no hanampiana azy handresy izany? Voalohany, mila miaiky izy fa ny toaka be loatra sotroiny no mahatonga azy hahita olana, ary ho tsara kokoa ny fiainany raha miala amin’izy io izy. Nilaza Ny Gazetibokin’ny Dokotera—Fitsaboana Ankapobe (frantsay), fa tokony hovany ny fomba fisainany. Tsy tokony hiteny intsony, ohatra, izy hoe: “Misotro toaka aho satria nilaozan’ny vadiko sady very asa”, fa hoe: “Nilaozan’ny vadiko aho sady very asa, satria misotro toaka.”

Ireto misy soso-kevitra azonao arahina, raha tianao ny hanampy olona miankin-doha amin’ny toaka hanova ny fomba fisainany: Henoy tsara izy, ary mametraha fanontaniana mivantana mba hahatonga azy tsy hisalasala hamboraka ny ao am-pony. Asehoy fa mangoraka azy ianao, mba hahatsapany fa takatrao ny manjo azy. Derao izy raha vao manao fiovana, na dia kely fotsiny aza. Aza maika hitsara azy, na manao fihetsika mety hahatonga azy tsy ho sahy hiresaka sy hangataka fanampiana. Mety ho tsara koa ny hanasana azy hanao lisitra ny valin’ireto fanontaniana ireto: Inona no hitranga raha mbola misotro toaka aho? Ary inona no hitranga raha tsy misotro intsony aho?

Mitady fanampiana

Tsy hoe lasa tsy misy vidiny na tsy antenaina hiova intsony ny olona, rehefa manomboka misotro toaka be. Misy aza mahavita miala samirery amin’izy io. Mety hila ny fanampian’ny dokotera anefa mazàna ny olona efa miankin-doha amin’ny toaka, mba ho afaka tanteraka. * Misy amin’izy ireny tsy voatery hampidirina hopitaly. Tsara hampidirina hopitaly kosa ireo tena tsy mahazo aina na mijaly mafy rehefa tsy misotro toaka. Roa na dimy andro eo ho eo izy no mijaly mafy toy izany. Mety homena fanafody izy aorian’izay, mba hampihenana ny faniriany hisotro sy tsy hiverenany hisotro intsony.

Tsy voatery hahomby anefa ireo fitsaboana ireo. Manampy vetivety fotsiny ny fanafody, fa tsy manafaka mandrakizay amin’ny toaka akory. Niverina imbetsaka tany amin’ny dokotera i Alain, any Frantsa, mba hialana tamin’ny toaka. Hoy izy: “Vao nivoaka ny hopitaly aho dia niverina nisotro indray, satria niaraka tamin’ny namako mpiara-misotro tamiko. Tsy tena naniry hiala tamin’ny toaka aho, raha ny marina.”

Inona kosa no atao rehefa afaka?

Miverina misotro toaka tokoa ny olona maro, satria mahatsapa fa banga ny fiainany. Toy ny olona very namana akaiky izy. Hoy i Vasiliy, any Rosia: “Tsy nieritreritra afa-tsy ny hisotro aho. Tsy nisy dikany ny andro iray, raha tsy nisy toaka.” Izay hahafa-po ny faniriany hisotro no lehibe kokoa amin’ilay olona, noho ny zavatra hafa rehetra. Hoy i Jerzy, any Polonina: “Ny hany tanjoko dia ny hisotro toaka sy hahita vola hividianana toaka.” Tsy maintsy manana tanjona hafa àry ny olona miezaka hiala amin’ny toaka, raha tiany ny tsy hiverina hisotro intsony.

Namoaka boky misy torohevitra ho an’ireo miezaka hiala amin’ny toaka ny OMS. Asongadina ao fa tena ilaina ny manao asa misy tanjona, raha tsy te hiverina hisotro intsony. Anisan’ny soso-kevitra omeny ny fanaovana asa mifandray amin’ny fivavahana.

Mety ho mora amin’ny olona tokoa ny hiala amin’ny toaka, raha variana amin’izany asa izany izy. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, i Alain, rehefa avy nigadra intelo noho ny toaka. Hoy izy: “Nanjary nanana tanjona aho rehefa nianatra Baiboly, ary nahavita nifehy tena. Tsy ny ho afaka tamin’ny toaka fotsiny anefa no tanjoko, fa ny hampifaly an’i Jehovah koa.”

Ary ahoana raha lavo indray?

Milaza ny mpanoro hevitra momba ny fisotroana tafahoatra, fa tena mila ampiana sy ampaherezina ny olona miezaka hiala amin’ny toaka. Maro mantsy no tsy manana fianakaviana sy namana intsony, noho ny toe-javatra mampahonena misy azy. Manirery izy, ka mety ho ketraka na hamono tena mihitsy aza. Izao no torohevitr’ilay boky etsy aloha, ho an’izay manampy olona hiala amin’ny toaka: ‘Aza manakiana an’ilay olona ampianao, na dia mahasosotra sy mahakivy anao aza ny ataony. Tadidio fa tsy mora mihitsy ny miala amin’ny mahazatra. Mety ho lavo izy indraindray. Tena mila ny fampaherezanao sy ny soso-kevitrao anefa izy. Mila anao koa izy mba hanampy azy hametra ny toaka sotroiny na tsy hisotro intsony mihitsy.’

Hoy i Hilario, izay nisotro toaka nandritra ny 30 taona latsaka kely: “Tena nanampy ahy ny fitiavana sy fiahian’ireo namako teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lavo imbetsaka aho, nefa teo foana ry zareo. Nampahery sy nanome torohevitra ahy avy ao amin’ny Baiboly izy ireo, tamin’ny fotoana nilako izany.”

Raha miezaka mafy hiala amin’ny toaka ianao amin’izao fotoana izao, dia tadidio fa mety ho lavo koa ianao. Raha sendra mitranga izany, dia hevero ho toy ny famantarana fa efa ho afaka ianao. Aza milavo lefona mihitsy! Eritrereto izay zavatra nahalavo anao, ary mitandrema amin’ny manaraka. Fantaro koa izay toe-javatra mahatonga anao ho te hisotro. Sorisory ve? Sa fahakiviana, fahatsapana ho manirery, fifamaliana, adin-tsaina, sa fety na toerana misy olona misotro? Halaviro àry izany! Roa taona vao afaka tanteraka tamin’ny toaka i Jerzy. Hoy izy: “Niezaka namantatra an’izay fihetseham-po mety hahatonga ahy hisotro aho. Halaviriko koa izay toe-javatra mety hitarika ho amin’izany. Tsy manakaikikaiky toerana misy olona misotro aho. Tsy mihinana zavatra misy toaka koa aho. Tsy mampiasa zavatra fanosotra na fanafody misy alkaola mihitsy aza aho, ary tsy mijery dokam-barotra momba ny toaka.” Maro no nahita fa ny fangatahana “hery fanampiny” tamin’Andriamanitra no tena nanampy azy handresy ny faniriana hisotro.—2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:6, 7.

Afaka tanteraka!

Azo atao ny ho afaka tanteraka amin’ny fanandevozan’ny toaka, na dia mety ho ady mafy sy maharitra aza izany. Nahavita izany ny olona rehetra noresahina tato amin’ity lahatsoratra ity. Salama kokoa izy ireo ary mandray soa, na ao an-trano na any am-piasana. Hoy i Alain: “Tsy andevozin’ny toaka intsony aho izao.” Hoy koa i Konstantin: “Niaro ny ankohonako ny fahalalana an’i Jehovah. Manana tanjona aho izao. Tsy miankina amin’ny toaka intsony ny fahasambarako.” Izao no tenin’i Víctor: “Toy ny gadra afaka no fiheverako ny tenako. Mahatsiaro ho misy vidiny sy manana ny maha izy ahy indray aho.”

Mbola afaka miova ny olona, na dia efa mitady hampidi-doza azy aza ny toaka tafahoatra sotroiny, na efa mahatonga azy hahita olana, ary na dia efa miankin-doha amin’ny toaka mihitsy aza izy. Aza misalasala miova àry, raha tsapanao fa mety hanimba ny fahasalamanao sy ny fahasambaranao ny toaka. Hahasoa anao sy ny olon-drehetra tia anao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 10 Maro ny toeram-pitsaboana sy hopitaly ary fandaharana afaka manampy ny olona hiala amin’ny toaka. Tsy manohana fitsaboana iray ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy mitandrina ny tsirairay mba tsy hanao zavatra mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Izy ihany anefa no hanapa-kevitra ny amin’izay fitsaboana ilainy.

[Sary, pejy 10]

Mila miaiky aloha ilay olona fa efa miankin-doha amin’ny toaka izy

[Sary, pejy 11]

Mila manatona dokotera ny olona maro vao afaka amin’ny toaka

[Sary, pejy 12]

Afaka manampy ny vavaka

[Sary, pejy 12]

Ho vitanao ny handa!