Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Isorohako ny Loza ao Amin’ny Chat Room?

Ahoana no Isorohako ny Loza ao Amin’ny Chat Room?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Isorohako ny Loza ao Amin’ny Chat Room?

“Nampiasa chat room adiny telo na efatra isan’andro aho. Nahatratra adiny enina na adiny fito tsy an-kiato aza izany indraindray.”—José. *

MISY loza tokony hofantarinao ao amin’ny chat room, toy ny any amin’ny toerana rehetra ahitana olon-tsy fantatra. Raha hitsidika tanàn-dehibe, ohatra, ianao dia tsy maintsy miezaka mamantatra sy manalavitra ireo toerana mampidi-doza ao amin’izy io, mba hiarovanao tena.

Marina koa izany raha tsy maintsy mampiasa chat room ianao. Niresaka momba ny loza roa fahita ao amin’izy io isika, tao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra: Mety hifandray amin’ny mpametaveta ankizy ianao, ary mety halaim-panahy hamitaka. Misy loza hafa koa anefa mbola tokony hodinihina. Hojerentsika àry aloha ny fomba handaminana ny chat room.

Samy manana ny zava-kendreny

Alamina arakaraka ny loha hevitra mahaliana ny olona ny chat room matetika. Ny sasany natao ho an’ny olona liana amin’ny fanatanjahan-tena na fialam-boly iray. Ny hafa indray natokana ranofotsiny ho an’ny fandaharana iray ao amin’ny tele. Misy koa natao ho an’ny olona milaza ho manaraka fivavahana iray.

Misy, ohatra, chat room lazaina fa natao ho an’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, izay mitady namana vaovao. Mety ho liana amin’izany sy hampiasa azy io ianao, raha Vavolombelona. Tsara tokoa ny mitady namana amin’ireo tanora mitovy finoana aminao. Misy loza miafina mety hanimba ny Kristianina anefa ao amin’ireny chat room ireny. Inona izany?

Manimba tsikelikely ny fitondran-tena

Hoy ny tanora iray antsoina hoe Tyler: “Nifanoratra tamin’olona maromaro noheveriko fa Vavolombelon’i Jehovah aho, tao amin’ny chat room. Nanomboka nanaratsy ny zavatra inoantsika anefa ny sasany taminy avy eo. Tsy ela dia voamariko fa hay mpivadi-pinoana ry zareo.” Notarihin’ireny olona ireny hiala amin’ny fitsipi-pitondran-tena tsara, ny olona lazainy fa mpiray finoana aminy.

Nampitandrina i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, fa hanohitra ny namany ny mpanara-dia azy sasany. (Matio 24:48-51; Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe rahalahy sandoka izy ireny, ary nolazainy fa “nisoko niditra” mba hanimba ny Kristianina hafa. (Galatianina 2:4) Nilaza i Joda, mpanoratra Baiboly, fa ‘nitsofoka mangingina izy ireny, mba hamadika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra, ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena mahamenatra.’ (Joda 4) Nantsoiny hoe “haram-bato voasaron-drano” koa izy ireny.—Joda 12.

Mariho fa samy nilaza ny fomba an-kolaka fampiasan’ireo mpivadi-pinoana, i Paoly sy Joda. Nilaza ireo mpanoratra Baiboly ireo fa “nisoko niditra” na “nitsofoka mangingina” ireo mpivadi-pinoana, mba hanimba ny fitondran-tenan’ny Kristianina hafa. Mety tsara mba hanafenan’ireny olon-dratsy ireny ny fitaka ampiasainy izao ny chat room. Toy ny haram-bato voasaron-drano ireny Kristianina sandoka ireny, ka manafina ny tena fikasany, ary mody miahy izay hahasoa ireo tanora Vavolombelona. Ny hanimba tanteraka ny finoan’ireo tsy mailo anefa no tanjony.—1 Timoty 1:19, 20.

Mamerimberina mampitandrina momba io loza io ity gazety ity sy ny boky aman-gazety hafa avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. * Noho izany, na iza na iza mifandray aminao ao amin’ny chat room lazaina fa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy miraharaha an’io torohevitra io izy, na dia tsy mpivadi-pinoana aza. Tena irinao ho namana ve ny olona minia manao tsinontsinona ny toromariky ny Baiboly toy izany?—Ohabolana 3:5, 6; 15:5.

Mamandrika ny fitokantokanana

Tsara hodinihinao koa ny fotoana laninao amin’ny chat room. Hoy i José, ilay notononina terỳ am-piandohana: “Variana loatra tamin’ny chat room aho indraindray, ka nanadino nisakafo.”

Mety tsy ho revo be amin’ny chat room toa an’i José ianao, nefa tsy maintsy maka fotoana amin-javatra hafa, mba hahafahanao hampiasa azy io. Tsy ny devoaranao na ny raharahanao matetika no hakanao izany fotoana izany, fa ny fotoana iarahanao amin’ny fianakavianao. Hoy i Adrian, mipetraka any Espaina: “Niala teo an-databatra aho raha vao avy nisakafo, ary nandeha nampiasa chat room. Variana loatra tamin’izy io aho, ka zara raha niresaka tamin’ny fianakaviako.”

Mety hitokantokana tsy hiaraka amin’ireo olona akaiky indrindra anao koa ianao, raha mandany fotoana be amin’ny chat room. Mety tokoa ny fampitandreman’ny Baiboly hoe: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” (Ohabolana 18:1) Azo inoana fa tsy hampirisika anao hiaina mifanaraka amin’ny fahendrena ao amin’ny Baiboly, ny olon-tsy fantatra miresaka aminao ao amin’ny ankamaroan’ny chat room. Ahina kokoa hampirisika anao ho tia tena aza izy ireo, sady haka fanahy anao handika ny fitsipi-pitondran-tena kristianina.

Mahafinaritra anao angamba ny chat room, satria toa mora noho ny miresaka amin’ny mpianakavinao ny miresaka amin’ny olona ao. Mety ho toa vonona hihaino ny hevitrao erỳ ny olona ifandraisanao ao, sady mamboraka aminao ny fihetseham-pony. Ny mpianakavinao kosa etsy andanin’izany mety ho toa sahirana loatra ka tsy afaka mihaino anao, sady mety tsy hahay hamboraka ny fihetseham-pony aminao.

Manontania tena anefa hoe: ‘Mahafantatra ahy tsara ve ny olona ifandraisako ao amin’ny chat room? Tena mihevitra izay hahasoa ahy maharitra ve izy ireo?’ Azo antoka kokoa fa ny mpianakavinao no hihevitra ny fihetseham-ponao sy izay hampahatanjaka ny finoanao. Azo inoana fa tena ho tian’ny ray aman-dreninao ny hifampiresaka aminao, raha miezaka miaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo. (Efesianina 6:4) Mety ho gaga ianao mahita fa tsara fanahy kokoa tsy araka ny ampoizinao izy ireo, raha lazainao aminy amim-panajana ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao.—Lioka 11:11-13.

Halaviro ny loza

Mety hisy antony tsy maintsy hampiasanao chat room, ohatra hoe amin’ny famelabelarana ataonao any am-pianarana. * Aza avela hamandrika anao anefa izy io, fa araho kosa ireto soso-kevitra tsotra ireto mba hiarovanao tena:

Voalohany, aza mampiasa Internet irery ao an’efitranonao. Hahita olana ianao raha manao izany, satria toy ny mandeha irery amin’ny lalana maizimaizina any amin’ny tanàna tsy fantatrao. Apetraho eo amin’ny toerana falehan’ny rehetra ao an-trano kosa ny ordinatera, mba ho mora arahi-maso ny fampiasana azy.

Faharoa, hatsarao ny fifandraisanao amin’ny ray aman-dreninao. Asehoy azy ireo izay jerenao ao amin’ny Internet, ary hazavao aminy ny antony ilanao hampiasa chat room. Ankoatr’izany, dia fero ny fotoana laninao eo amin’ny ordinatera, ary hajao izany.

Fahatelo, asio programa mpanasivana hafatra ao amin’ny ordinateranao, mba hisakanana ny fidiran’ireo hafatra misy resaka firaisana. Ilazao avy hatrany ny ray aman-dreninao na ny mpampianatra anao, raha misy olona miresaka firaisana aminao ao amin’ny Internet. Kilasina ho mpanao heloka bevava, any amin’ny tany sasany, izay olon-dehibe mahalala fa tsy ampy taona ianao, nefa mbola minia miresaka firaisana na mandefa sary vetaveta aminao ihany izy. Tokony hotorina any amin’ny polisy ireny olona ireny.

Fanampin’izany, dia aza omena ny olona iresahanao ao amin’ny chat room mihitsy ny anaranao, ny adiresinao, ny anaran’ny sekoly ianaranao, ary ny nomeraon’ny telefaoninao. Ary aza manaiky hihaona amin’ny olona ifandraisanao ao amin’ny Internet, na oviana na oviana!

Efa an’arivony taona lasa izay no nanoratana ireto tenin’i Solomona mpanjaka hendry ireto, nefa mbola azo ampiharina foana izy ireo, raha ny loza ao amin’ny chat room no resahina: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”—Ohabolana 22:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 20]

Hendre ka asehoy ny ray aman-dreninao izay jerenao ao amin’ny Internet