Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Izay Hahatsara ny Tsikinao

Ataovy Izay Hahatsara ny Tsikinao

Ataovy Izay Hahatsara ny Tsikinao

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

INONA no jerenao rehefa eo anoloan’ny fitaratra ianao? Ny volonao angamba, na ny paozinao. Fa mba topazanao maso ve ny tsikinao? Voamarikao ve fa miankina amin’ny nifinao ny hatsaran’izy io? Mila mikarakara ny nifinao àry ianao, raha tianao hahafinaritra ny tsikinao. Tsy misolo vaovao intsony ny nifinao rehefa lehibe ianao. Noho izany, dia mila fikarakarana manokana izy ireo. Manampy anao hitsako sy hiteny tsara ny nify. Tsy vitan’izany fa mihazona ny molotrao sy ny takolakao amin’ny toerany koa izy ireo, ka manatsara ny tsikinao sy mahatonga azy io hanintona kokoa. Sarobidy tokoa ny nifinao!

Ahoana no iarovana ny nify?

Miankina voalohany indrindra amin’ny sakafo hanina ny fahasalaman’ny nify. Ny sakafo misy kalsioma sy vitaminina A, C, ary D, dia hanampy ny nifin’ny olona iray hiforona sy haniry tsara, dieny izy ao am-bohoka mandra-pahatongany ho olon-dehibe. * Marina fa haniry tsara ny nify ary tsy ho simba, raha zatra mihinana sakafo mahasalama ianao. Tandremo anefa sao manaram-po amin’ny sakafo be siramamy! Mety handoaka ny nify mantsy izany. Efa betsaka ny fampitandremana natao momba izany, nefa nasehon’ny tatitra fa mbola mahalany siramamy 50 ka hatramin’ny 60 kilao isan-taona ihany ny mponin’i Amerika Avaratra! Nahoana ny siramamy no manimba nify?

Ny bakteria sy ny poti-kanina miraikitra amin’ny nify no miteraka tai-nify, izay manimba ny nify. Mihinana siramamy ireny bakteria ireny, ary manova azy ho asidra, izay manomboka mandoaka an’ilay nify. Misy karazana siramamy mora mivadika ho asidra, na mora miraikitra kokoa amin’ny nify, ka mandoaka azy io haingana kokoa. * Mihamafy ireny loto miraikitra amin’ny nify ireny, rehefa tsy afaka.

Tena ilaina hesorina ny loto miraikitra amin’ny nify, ary indrindra fa ny bakteria, raha tsy tiana hihasimba ilay nify. Mila diovinao tsara isan’andro àry ny nify, raha tianao ho tsara foana ny tsikinao. Hoy ny Oniversiten’ny Fandidiana Nify sy Ativava, any Columbia: “Ny [fiborosiana nify] sy ny fampiasana kofehy fanadiova-nify ihany, no tena mahasalama sy mampahatanjaka ny nify, ny hihy, ary ny rohinofo sy ny taolana mihazona ny nify amin’ny toerany.” Misy sary mampiseho fomba mety tsara hiborosiana nify sy hampiasana kofehy fanadiova-nify, eo amin’ity pejy ity sy ny pejy manaraka. Mety hisy fitaovana na fomba hafa koa hatoron’ny mpitsabo anao, mba hanadiovana tsara ny nifinao, ka hahatsara ny tsikinao.

Mihamalemy ny bakolinify, raha azon’ny asidra matetika. Mihavao isan’andro anefa izy io, na dia izany aza. Ahoana no mahatonga izany? Voamarika fa manamafy ny bakolinify ny fluor, ka miaro hatrany an’ilay nify tsy ho simba. Koa na dia mety hitatra aza ny fahasimban’ny nify, dia azo amboarina izany amin’ny alalan’ny fluor na zavatra simika hafa. Mahavariana tokoa fa afaka mihavao samirery ny nify!

Inona no hatao aminao rehefa any amin’ny mpitsabo nify?

Hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa ny mankany amin’ny mpitsabo nify no mampahatahotra ny olona indrindra, aorian’ny fitenenana ampahibemaso. Tokony hatahorana tokoa ve izany amboarina nify izany? Manana milina fandoahana nify mandeha haingana be sy fanafody manala fanaintainana ny mpitsabo nify any amin’ny tany manankarena, ka zara raha mahatsiaro marary ianao rehefa manamboatra ny nifinao izy. Ho tony kokoa angamba ianao, raha fantatrao ny fomba hitsaboany ny nifinao.

Mety hodiovina ny nifinao, rehefa mankany amin’ny mpitsabo nify ianao. Détartrage no iantsoana azy io, izany hoe esorina ny loto miraikitra any amin’ny toerana tsy azon’ny borosy nify sy ny kofehy fanadiova-nify. Lamaina ny nifinao avy eo mba tsy hipetahan’ny loto indray, ary mba hanesorana ny tasy mety hanaratsy ny tsikinao.

Miaro ny nify tsy ho loaka ny fluor, ka matetika no hosoran’ny mpitsabo nify ranon-javatra na fanafody misy fluor ny nifin’ny ankizy tsaboiny. Misy fluor koa ny tahirin-drano fisotro any amin’ny tany maro. Ary misy azy io ny ankamaroan’ny ranon-javatra famotsia-nify ( pâte dentifrice), mba hiarovana bebe kokoa ny nify tsy ho loaka.

Inona no ataon’ny mpitsabo nify?

Mahazo fampiofanana bebe kokoa izao ny mpitsabo nify, mba hanao izay hisorohana ny fahasimban’ny nify vokatry ny bakolinify mihamalemy. Mazàna miverina amin’ny laoniny ilay nify, raha mbola kely ilay lavaka dia efa tsaboina. Tsy voatery hankarary anao àry ny fikarakaran’ny mpitsabo nify, raha mbola kely ilay simba dia efa hita sy tsaboina.

Mety ho loaka anefa ny nify, raha tsy afaka ilay asidra vokatry ny loto miraikitra aminy. Hamorona lavaka ilay izy raha avela amin’izao, ka mila amboarina. Mazàna izy io no tampenana, raha mbola tsy tonga any amin’ny atinify, izay itoeran’ny hozatra.

Diovina sy amboamboarina amin’ny milina fandoahana nify ilay lavaka alohan’ny hanampenana azy. Tampenana amin’ny amalgama na amin’ny kompôzita ilay izy avy eo. Mora maina ny amalgama, ka mila esorina izay mihoatra rehefa voatampina ilay lavaka, mba hampety tsara ny endrik’ilay nify. Mila hamainina amin’ny jiro manga manokana kosa ny kompôzita. Mety ho tonga hatrany amin’ny atinify anefa ilay lavaka, raha avela amin’izao. Tsy voatery halana ilay nify, fa esorina fotsiny ilay atinify ary avy eo tampenana. Raha simba be ilay nify, dia azo soloana ny tampony. Raha esorina tanteraka kosa ilay izy, dia azo atao ny manao solonify. *

Tsy very maina ny fikojakojana ny nify

Mety mbola hatahotra ho any amin’ny mpitsabo nify ihany anefa ianao. Raha izany, dia tsory aminy izay mampahatahotra anao. Lazao azy alohan’ny hitsaboany anao hoe inona no fihetsika hataonao (toy ny hoe manangan-tanana), raha mahatsiaro marary ianao. Asaivo hazavainy aminao daholo izay hataony aminao. Ankoatra izany, dia azonao ampiana koa ny zanakao mba hitandro ny fahasalaman’ny nifiny. Hazavao aminy fa mahasoa ny fikarakarana nify, ary aza ampitahorina izy hoe hoentinao any amin’ny mpitsabo nify raha maditra.

Hoy ny Dr. Daniel Kandelman, mpampianatra ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fahasalaman’ny Ativava, ao amin’ny Oniversiten’i Montréal: “Azonao atao tsara amin’izao andro izao ny mikojakoja ny nifinao mba tsy ho simba, ka ho tsara sy hahafinaritra foana ny tsikinao mandritra ny androm-piainanao.” Tsy very maina tokoa ny fikojakojana ny nify!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hita taratra eo amin’ny nifin’ny olon-dehibe iray, raha zatra nisakafo tsara ny reniny tamin’ny bevohoka azy sy tamin’ny nampinono azy. Manomboka maniry ao ambanin’ny hihy mantsy ny nify amin’io fotoana io. Mifarana izany rehefa 18 na 20 taona any ho any ilay olona.

^ feh. 6 Araka ny mpitsabo nify, dia afaka mamono an’ireny bakteria manimba nify ireny ny xylitol, izay siramamy voajanahary. Misy azy io ny siligaoma sasany.

^ feh. 16 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny solonify ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Mila Solonify ve Ianao?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Jolay 1993, pejy 18-20.

[Efajoro/Sary, pejy 12]

Fomba Fiborosiana Nify

Misy fomba maromaro fiborosiana nify. Ataovy kely fotsiny anefa ny pâte dentifrice. Mahery be mantsy izy io ary mikiky nify. Lazaina mihitsy aza fa ‘avo zato heny noho ny hamafin’ny bakolinify ny hamafiny.’

1 Ataovy mitsivalana manaraka ny hihy sy somary mihilana ny borosy nify. Borosio moramora midina sy miakatra, miainga eo amin’ny foto-nify. Aza hadino ny vata-nify anatiny sy ivelany.

2 Borosio moramora ny tampo-nify.

3 Rehefa hiborosy ny vata-nify anatiny eo anoloana, dia atsangano ny borosy, ary borosio midina sy miakatra miainga eo amin’ny foto-nify.

4 Borosio ny lela sy ny lanilany, ka atombohy avy any amin’ny fotony mankeo anoloana.

[Sary nahazoan-dalana]

1-4: Courtesy www.OralB.com

[Efajoro/Sary, pejy 13]

Fanadiovana Nify Amin’ny Kofehy

Milaza ny mpitsabo nify fa tokony hodiovina isan’andro amin’ny kofehy ny nify, ary tokony hoborosina foana isaky ny avy misakafo.

1 Ahodinkodino eo amin’ny fanondroadala havia sy havanana ny kofehy, ary avelao hisy elanelany kely eo amin’izy ireo.

2 Henjano tsara amin’ny ankiben’ny tananao iray sy ny fanondron’ny tananao ilany ilay kofehy. Asisiho moramora eo anelanelan’ny nify ilay izy, ka alefaso mandroso sy miverina.

3 Ampanaraho ny sisi-nify ny kofehy, ary alefaso miaka-midina manaraka ny sisin’ny vata-nify tsirairay amin’ny andaniny sy ny ankilany. Alefaso moramora mankeo ambanin’ny hihy ilay izy, nefa aza dilorina mafy loatra ny hihy, na kosehina ny any ambaniny.

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: Toro Lalana ho An’ny Fianakaviana Momba ny Fikarakarana Nify, Oniversiten’ny Fandidiana Nify sy Ativava, Columbia (anglisy)

1-3: Courtesy www.OralB.com