Fahasamihafana Goavana eo Amin’ny Manankarena sy Mahantra
Fahasamihafana Goavana eo Amin’ny Manankarena sy Mahantra
TENA ambony ny fari-piainan’ny olona any amin’ny tany feno orinasa sy mandroso be eo amin’ny toe-karena sy ny teknolojia. Ambany kosa ny fari-piainan’ny olona any amin’ny tany tsy dia mandroso ara-toe-karena, satria vitsy ny orinasa. Toy ny tontolo roa samy hafa mihitsy ireo, na ahoana na ahoana fomba iantsoana azy.
Mety tsy hitovy anefa na dia ny fari-piainan’ny olona ao amin’ny tany iray ihany aza. Eritrereto fotsiny ireo tany azo lazaina hoe manankarena noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Misy olona manankarena any, nefa misy mahantra koa. Ny 10 isan-jaton’ny tokantrano manankarena indrindra, ohatra, no mandraoka ny 30 isan-jato eo ho eo amin’ny vola rehetra miditra amin’i Etazonia. Ny 5 isan-jato monja kosa no mba azon’ny 20 isan-jaton’ny tokantrano mahantra. Tsy misy hafa amin’izany na mitovitovy amin’izany angamba ny zava-misy ao
amin’ny tany ipetrahanao, indrindra raha vitsy ny olona manana fari-piainana antonony. Mbola tsy afaka mampitovy tanteraka ny fari-piainan’ny manankarena sy ny mahantra anefa, na dia ny tany be olona manana fari-piainana antonony aza.Tsy misy tonga lafatra izy ireo
Samy tsy misy afaka milaza na ny tany mahantra na ny tany manankarena, fa ny fiainana any aminy no tonga lafatra. Eritrereto ny fijalian’ny olona any amin’ny tany mahantra, izay iaraha-mahita. Tena tsizarizary ny fitsaboana. Dokotera 1 monja isaky ny mponina 3 707 ka hatramin’ny 49 118, ohatra, no any amin’ireo tany 18 mahantra indrindra voatanisa eo amin’ny efajoro eto ambony. Dokotera 1 isaky ny mponina 242 hatramin’ny 539, kosa no any amin’ireo tany 9 manankarena indrindra. Tsy mahagaga àry raha 73 taona na mihoatra ny androm-piainan’ny olona any amin’ireo tany manankarena kokoa, fa latsaka be ny
50 taona kosa ny any amin’ny antsasany mahery amin’ireo tany mahantra indrindra.Zara raha afaka mianatra koa ny ankizy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ka matetika no lasa mahantra rehefa lehibe. Vitsy tokoa ny mahay taratasy any. Eo anelanelan’ny 81 isan-jato sy ny 16 isan-jato ny isan’ny olona mahay taratasy any amin’ireo tany 18 mahantra indrindra, ary latsaka ny 50 isan-jato daholo ny any amin’ny tany 10 amin’ireo. Mahay taratasy daholo kosa (100 isan-jato) ny olona any amin’ny 7 amin’ireo tany 9 manankarena indrindra, (ary 96 sy 97 isan-jato ny any amin’ireo tany 2 ambiny).
Misy lafy ratsiny koa anefa ny fiainana any amin’ny tany manankarena. Mihamaro hatrany ny mpanefohefo maty noho ny fihinanana be loatra, nefa ny olona any amin’ny tany mahantra tsy ampy sakafo. Milaza ny boky Ady Amin’ny Sakafo (anglisy), fa “tsy ny tsy fahampian-tsakafo intsony izao no olana goavana indrindra eran-tany eo amin’ny resaka sakafo, fa ny fihinanana be loatra.” Hoy koa Ny Gazetin’i Atlantika Mivoaka Isam-bolana (anglisy): ‘Sivy tapitrisa eo ho eo izao ny Amerikanina marary, satria matavy loatra. Mihoatra 45 kilao eo ho eo na mahery ny lanjan’izy ireo. Olona 300 000 eo ho eo koa isan-taona no maty aloha be eto Etazonia, noho ny hatavezana.’ Nilaza mihitsy aza io gazety io hoe: “Tsy ho ela, dia mety ho ny hatavezana indray no tena mila hiadiana haingana, fa tsy ny hanoanana sy ny areti-mifindra intsony.” *
Marina fa ambony kokoa ny fari-piainan’ny olona any amin’ny tany manankarena. Ny fananana anefa mazàna no zava-dehibe kokoa amin’izy ireo fa tsy ny fihavanana. Asiany lanjany be loatra àry ny harena, fa tsy mba toy izany kosa ny toetra. Noho izany, dia matetika ny olona manana asa ambony, na tsara karama, na manankarena no heverin’izy ireo fa misy vidiny, fa tsy ny olona manam-pahalalana, na hendry, na mahay, na tsara toetra.
Nasongadin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety alemà mpivoaka isan-kerinandro, fa ny fiainana tsotra ihany no mahasambatra. Izao no lohatenin’izy io: “Nahoana Raha Miezaka Tsy Hangoron-karena?” Hoy ilay lahatsoratra avy eo: “Tsy sambatra kokoa noho ny taloha ny ankamaroan’ny olona any amin’ny tany tandrefana, na dia nandroso be tampoka aza ny toe-karena. ... Ahina kokoa tsy ho sambatra ny olona tsy mieritreritra afa-tsy ny hangoron-karena.”
Afaka mifanampy ve izy ireo?
Hita tokoa fa samy misy lafy ratsiny ny hoe manankarena sy ny hoe mahantra, na dia misy lafy tsarany ihany aza. Mety ho diso tsotra loatra ny fiainan’ny mahantra, nefa mety ho faran’izay be pitsiny koa ny fiainan’ny mpanankarena. Tena ho tsara raha afaka mifanampy izy ireo! Azo tanterahina ve anefa izany?
Mety hilaza ianao hoe tanjona tena tsara izany, fa tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy ny hanatratra azy. Tsy diso tokoa ny eritreritrao rehefa jerena ny zava-misy hatramin’izay. Mbola misy fanantenana anefa. Tsy noeritreretinao angamba ilay vahaolana azo antoka indrindra. Inona izany?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2004, pejy 30-31.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Tsy ho ela, dia mety ho ny hatavezana indray no tena mila hiadiana haingana, fa tsy ny hanoanana sy ny areti-mifindra intsony.”—Ny Gazetin’i Atlantika Mivoaka Isam-bolana
[Tabilao, pejy 5]
(Jereo ny gazety)
Anaran-tany manaraka Androm-piainan’ny
ny abidy Lehilahy (taona) Fahaizana Taratasy(%)
Tany 9 Belzika 75.1 100
Manankarena Danemark 74.9 100
Indrindra Etazonia 74.4 95.5
Islandy 78,4 100
Japon 78,4 100
Kanada 76,4 96,6
Luxembourg 74,9 100
Norvezy 76,5 100
Soisa 77,7 100
Tany 18 Bénin 50.4 37.5
Mahantra Burkina Faso 43 23
Indrindra Burundi 42.5 48.1
Congo, Rep. 49 80,7
Etiopia 47,3 38,7
Guinée-Bissau 45,1 36,8
Madagasikara 53,8 80,2
Malawi 37,6 60,3
Mali 44,7 40,3
Mozambika 38,9 43,8
Niger 42,3 15,7
Nizeria 50,9 64,1
Rwanda 45,3 67
Sierra Leone 40,3 36,3
Tanzania 43,3 75,2
Tchad 47 53,6
Yémen 59,2 46,4
Zambia 35,3 78
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny Britannica Bokin’ny Taona 2005 (anglisy).
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
© Mark Henley/Panos Pictures