Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny.)

1. Taiza ho aiza tany Ejipta ny Israelita no nasain’i Farao nipetraka, ary nahoana izany no nety tsara? (Genesisy 47:3-6)

2. Inona no mety hiteraka ady? (Ohabolana 10:12)

3. Inona no nolazain’i Jehovah fa nataony, mba hampisehoana fa hentitra sy azo itokisana ny fampanantenany momba ny tanin’ny Israely? (Ezekiela 36:7)

4. Inona no fanoharana nampiasain’i Jesosy, mba hilazana ny faniriany hanangona ny mponin’i Jerosalema tsy nety nihaino azy? (Matio 23:37)

5. Iza no zanak’i Adama sy Eva niavian’i Jesosy? (Lioka 3:38)

6. Iza no atidoha nikotrika ny famonoana an’i Jesosy? (Matio 26:3)

7. Inona no fanasana omena an’izay rehetra “mangetaheta” ny fahamarinana, araka ny nolazain’ny apostoly Jaona? (Apokalypsy 22:17)

8. Raha misy mahatsapa fa tsy ampy fahendrena, inona no tokony hataony, ary nahoana? (Jakoba 1:5)

9. Ahoana no nanamboaran’i Jehovah vady ho an’i Adama? (Genesisy 2:22)

10. Avy aiza ireo mpanjaka sy mpisorona hiaraka amin’i Jesosy hanjaka amin’ny tany? (Apokalypsy 5:9)

11. Nahoana i Mosesy no tsy navelan’i Jehovah hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina? (Nomery 20:10-12)

12. Inona no nataon’i Davida tany Gata mba handosirana ny Filistinina? (1 Samoela 21:13-15)

13. Inona no fepetra tokony hofenoin’ny olona maniry ho mpiandraikitra kristianina? (Titosy 1:7)

14. Inona no nataon’i Dariosa I, mpanjaka persanina, mba handraisana anjara amin’ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema? (Ezra 6:5-8)

15. Rahoviana ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra no tokony hampianatra ny zanany ny didin’i Jehovah, ary ahoana no hanaovany izany? (Deoteronomia 6:6, 7)

16. Nasaina nanao inona i Simona avy any Kyrena tamin’ny andro namonoana an’i Jesosy? (Matio 27:32)

17. Inona no fihatsarambelatsihin’ny Fariseo nahariharin’i Jesosy tamin’ilay teny notsoahiny avy tao amin’ny Isaia? (Matio 15:8)

18. Inona no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy, ary taiza no nanaovany izany? (Jaona 2:1-11)

[Efajoro, pejy 22]

Valiny

1. Tany Gosena, satria io no kijana be ahitra indrindra tany Ejipta. Mpiandry ondry ny fianakavian’i Jakoba

2. Fankahalana

3. Nanangan-tanana mba hianiana

4. Reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany

5. Seta

6. Ny lohan’ny mpisorona sy ny anti-panahy teo amin’ny Israely

7. Ho avy ka “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina”

8. “Aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny”

9. Nataony izay hampatory be an’i Adama, ary nalainy ny taolan-tehezany iray, ka nanamboarany vehivavy

10. Avy amin’ny “foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra”

11. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah teo anatrehan’ny zanak’Israely izy, rehefa nasainy nanome azy ireo rano tamin’ny fomba mahagaga tany an’efitra

12. Nody adala izy, ka navelan’ny mpanjakan’i Gata handeha, rehefa hitany fa tsy hampidi-doza

13. Tsy misy hokianina, tsy be di-doha, tsy mora tezitra, tsy mpimamo mila ady, tsy mpikapoka, tsy tia tombony azo tamin’ny tsy marina

14. Namoaka didy izy fa halaina amin’ny haren’ny mpanjaka ny lany rehetra. Nasainy naverina koa ny fanaka volamena sy volafotsy nentin’i Nebokadnezara tany Babylona

15. Tokony hanararaotra ny fotoana rehetra ny ray aman-dreny, mba handentehana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ao am-pon’ny zanany, amin’ny fianaram-pianakaviana na amin’ny fotoana hafa

16. Noterena hibata ny hazo fijalian’i Jesosy

17. “An-tendro-molotra fotsiny” no nanajan’izy ireo an’Andriamanitra, fa ny fon’izy ireo “lavitra” azy

18. Nanova rano ho divay izy tany amin’ny fampakaram-bady iray tany Kana