Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manambany ny Vehivavy ve ny Baiboly?

Manambany ny Vehivavy ve ny Baiboly?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Manambany ny Vehivavy ve ny Baiboly?

NILAZA i Tertullien, teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo, fa toy ny “vavahadin’ny devoly” ny vehivavy. Misy koa mampiasa ny Baiboly mba hampisehoana fa ambany noho ny lehilahy ny vehivavy. Maro àry no mihevitra fa manambany ny vehivavy ny Baiboly.

Nihevitra toy izany i Elizabeth Stanton. Nitarika hetsika fitakiana ny zon’ny vehivavy tany Etazonia izy tamin’ny taonjato faha-19, ary nilaza fa “ny Baiboly sy ny Eglizy no tena vato misakana tsy ahazoan’ny vehivavy fahafahana.” Hoy izy, indray mandeha: “Amin’ny boky rehetra fantatro, dia ireo [boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly], no tena mampianatra fa ambany sy mila manaiky foana ny vehivavy.”

Mety hanana fomba fijery tafahoatra toy izany ny sasany ankehitriny, ary maro no mbola mihevitra fa misy teny manambany ny vehivavy ao amin’ny Baiboly. Marina ve izany?

Ahoana no fiheveran’ny Soratra Hebreo ny vehivavy?

“Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16) Mampiasa an’io andininy io ny mpitsikera mba hanaporofoana, fa mankasitraka ny fanjakazakan’ny lehilahy amin’ny vehivavy Andriamanitra. Tsy milaza ny zavatra nirin’Andriamanitra hitranga anefa io andininy io, fa miresaka kosa ny vokatra mampalahelo nateraky ny ota sy ny tsy fanekena ny zony hitondra. Tsy sitrapony ny hampijalina ny vehivavy, fa vokatra mivantan’ny tsy fahalavorarian’ny olombelona. Manjakazaka amin’ny vadiny tokoa ny lehilahy any amin’ny tany maro, ary tena tsy mifaditrovana mihitsy aza matetika. Tsy izany anefa no fikasan’Andriamanitra.

Samy noforonin’Andriamanitra tahaka ny endriny, na i Adama na i Eva. Nitovy koa ny toromarika nomeny azy ireo, dia ny hoe maroa fara, mamenoa ny tany ary mampanompoa azy. Tokony hiara-miasa àry izy mivady. (Genesisy 1:27, 28) Tsy nisy nifanjakazaka izy ireo, tamin’izany fotoana izany. Hoy ny Genesisy 1:31: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.”

Tsy milaza ny hevitr’Andriamanitra ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly, fa mitantara izay nitranga fotsiny. Tsy voalaza, ohatra, na nety na tsy nety ny nataon’i Lota, rehefa nanome ny zanany vavy ho an’ny mponin’i Sodoma izy. Tsy resahiny koa na nankasitraka izany Andriamanitra, na tsia. *Genesisy 19:6-8.

Halan’i Jehovah daholo, raha ny marina, rehefa mety ho fanararaotana sy fampijaliana. (Eksodosy 22:21; Deoteronomia 27:19; Isaia 10:1, 2) Nomelohin’ny Lalàn’i Mosesy ny fametavetana sy ny fivarotan-tena. (Levitikosy 19:29; Deoteronomia 22:23-29) Voarara ny fijangajangana, ary novonoina izay tratra nanao izany, na lahy na vavy. (Levitikosy 20:10) Tsy nanambany ny vehivavy àry ny Lalàna, fa nanome voninahitra sy niaro azy ireo kosa mba tsy hisy hanararaotra azy, toy ny fahita teo amin’ireo firenena nanodidina. Nohajaina fatratra sy noheverina ho sarobidy ny vehivavy jiosy nahakarakara tokantrano. (Ohabolana 31:10, 28-30) Ny Israelita no diso rehefa tsy nanaraka ny Lalàna ka tsy nanaja vehivavy, fa tsy izany mihitsy no sitrapon’Andriamanitra. (Deoteronomia 32:5) Nibaribary fa tsy nankatò ilay firenena, ka nomelohin’Andriamanitra sy nosaziny, tamin’ny farany.

Manambany ve ny manaiky fahefana?

Rehefa misy lamina tsara ihany vao mandeha tsara ny fikambanana iray. Mila mpitantana izy io, fa raha tsy izany dia hikorontana be. “Andriamanitra [mantsy] tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.”—1 Korintianina 14:33.

Miresaka momba ny fahefana misy eo anivon’ny fianakaviana ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1 Korintianina 11:3) Eo ambany fahefana avokoa ny tsirairay, afa-tsy Andriamanitra. Manambany an’i Jesosy ve ny hoe misy fahefana tokony hekeny? Tsy izany mihitsy! Tsy manambany ny vehivavy àry ny Soratra Masina, raha milaza fa ny lehilahy no tokony hitarika eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana. Samy tokony haneho fitiavana sy fanajana ny lehilahy sy ny vehivavy, rehefa manatanteraka ny andraikiny, raha tiana ho tsara hatrany ny fiainam-pianakaviana ary handroso ny fiangonana.—Efesianina 5:21-25, 28, 29, 33.

Nanaja ny vehivavy foana i Jesosy, fa tsy nety nanaraka ireo fombafomba sy fitsipika manambany nampianarin’ny Fariseo. Niresaka tamin’ny vehivavy tsy Jiosy izy. (Matio 15:22-28; Jaona 4:7-9) Nampianatra vehivavy koa izy. (Lioka 10:38-42) Nanome toro lalana izy mba hiarovana ny vehivavy tsy hilaozan’ny vadiny. (Marka 10:11, 12) Nekeny ho anisan’ny namany akaiky koa ny vehivavy, ary izany angamba no fiovana lehibe indrindra nentiny, tamin’ny androny. (Lioka 8:1-3) Naneho tamin’ny fomba tonga lafatra ny toetran’Andriamanitra rehetra izy. Nasehony àry fa mitovy daholo amin’Andriamanitra, na lahy na vavy. Nahazo fanahy masina daholo ny Kristianina voalohany, na lahy na vavy. (Asan’ny Apostoly 2:1-4, 17, 18) Tsy hisy lahy sy vavy intsony ireo voahosotra manantena ny ho mpanjaka sy ho mpisorona hiaraka amin’i Kristy, rehefa hatsangana ho any an-danitra. (Galatianina 3:28) Tsy manambany ny vehivavy i Jehovah, ilay nampanoratra ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Sary, pejy 26]

Nanaja ny vehivavy i Jesosy, tsy tahaka ny maro tamin’ny mpiara-belona taminy