Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampionona tao Anatin’ny Fahoriana Mangidy

Nampionona tao Anatin’ny Fahoriana Mangidy

Nampionona tao Anatin’ny Fahoriana Mangidy

Vavolombelon’i Jehovah avy any amin’ny tanàna kely iray akaikin’i Barcelone, any Espaina, i Dolores Gómez. Efatra amby efapolo taona izy tamin’ny fotoana nilazan’ny dokotera fa nisy fivontosana tao amin’ny atidohany. Nambaran’ilay dokotera koa fa valo volana teo ho eo sisa no hahaveloman’i Dolores. Naneho fitiavana be dia be taminy àry ireo namany kristianina. Tonga avy tany amin’ny lafy valon’i Espaina ny havany tsy Vavolombelona, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany.

Nandray tsara azy ireo ny Vavolombelona teo an-toerana, ka nanome trano nilasiany sy sakafo ary fanampiana hafa. Nokarakarainy koa ny fitaterana azy ireo. Nanohina ny fon’ireo havan’i Dolores, ny finoany natanjaka sy ny fahatoniany mandra-pahafatiny. Nanohina ny fon’izy ireo koa ny fitiavana mandray vahiny nasehon’ny Vavolombelona teo an-toerana. Hita ao amin’ity taratasy ity ny fihetseham-pon’izy ireo:

“Ho an’ireo lehilahy sy vehivavy tena tia ny mpiara-belona aminy ity taratasy ity. Tsy lazain’izy ireo fotsiny izany toetra mendri-piderana izany, fa asehony amin’ny zavatra ataony koa, ary ataony amin’ny fony manontolo. Hitanay izany tamin’ilay fisehoan-javatra naningana teo amin’ny fiainanay, dia ilay fotoana nampaharary an’i Loli [Dolores] anabavinay, ka nahafaty azy.”

“Tianay rehetra (havany avy any amin’ny lafy valon’i Espaina), izay miara-malahelo noho izao fahoriana mangidy izao àry, ny haneho ny fankasitrahanay sy ny fitiavanay anareo amin’ny fonay manontolo. Teo anilany foana ianareo tamin’izy faly, tamin’izy nalahelo, tamin’izy nandresy, ary tamin’izy nijaly mafy, hatramin’ny minitra farany niainany teto an-tany.”

“Tianay koa ny milaza aminareo, fa anisan’ny niavaka indrindra ny fitiavana sy firaisan-kina nasehonareo taminay. Handeha hamonjy ny tokantrano sy ny adidy aman’andraikitray izahay izao. Tsy ho toy ny taloha intsony anefa izahay, satria namela soritra lalina ato anatinay ny herin’ny fitiavana nanjaka tao amin’i Loli anabavinay sy tao aminareo. Mahatonga anay ho vonona hiatrika ny fiainana isan’andro izany.”

“Manao veloma anareo amin’ny fo feno fitiavana sy fankasitrahana lalina izahay. Mandra-pihaona ry namana isany, ary enga anie i Jehovah hameno hasambarana anareo.”

Nosoniavin’ny havana sy ny mpiray tam-po tamin’i Dolores Gómez

[Sary, pejy 31]

Sasany amin’ireo Vavolombelona teo an-toerana