Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tena Vahaolana Amin’ny Fahantrana

Ny Tena Vahaolana Amin’ny Fahantrana

Ny Tena Vahaolana Amin’ny Fahantrana

OLONA an-jatony tapitrisa isan’andro no miady mafy amin’ny fiainana na dia mahantra faraidiny aza. Hita fa mila fanjakana tena maniry hanafoana izany tsy rariny izany ny olombelona. Tokony ho fanjakana manao ny marina sy tsy tia kolikoly izy io. Tokony hanan-kery hanatratrarana ny tanjona tsara ananany koa izy io. Tena azontsika antenaina ve fa hahavita hanorina fanjakana toy izany ny olombelona?

Hita avy amin’ny zava-misy hatramin’izay fa marina ilay fampitandreman’ny Baiboly hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Tsy hitanao ve fa matetika no mandiso fanantenana ny matoky ny mpitondra olombelona? Koa iza àry no azontsika itokisana?

Olona an-tapitrisany no efa mivavaka mba hisian’ny fanjakana iray manao ny marina, ka afaka manafoana ny tsy rariny. Angamba koa ianao efa nanao ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy, manao hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio, ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.”—Matio 6:9-13.

Ilay Fanjakana voatonona ao amin’io vavaka io ve no ilaintsika? Manao ny marina sy tsy tia kolikoly ve izy io? Manan-kery hanatratrarana ny tanjona tsara ananany ve izy io? Tsy misy isalasalana ny amin’izany! “Andriamanitra marina sady Mpamonjy” ilay ‘Raintsika any an-danitra’ nanorina an’io fanjakana io. ‘Marina izy amin’ny asany rehetra.’ (Isaia 45:21; Daniela 9:14) Izao no voalaza momba azy: ‘Madio maso ianao, ka tsy te-hitsinjo ny ratsy.’ (Habakoka 1:13) Afaka matoky àry isika, fa tsy ho tia kolikoly mihitsy ny fanjakany. Mitady izay hahasoa ny olon-drehetra tsy an-kanavaka koa Andriamanitra, satria “tsy mizaha tavan’olona” izy, “fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Romanina 2:11.

Efa miorina ary efa miasa!

Any an-danitra io Fanjakana io nefa hitantana ny raharahan’ny tany, mba hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Anisan’izany ny fanoloana ny fanjakan’olombelona tsy tonga lafatra amin’ny fanjakana tonga lafatra aorin’Andriamanitra. Izao no ampanantenaina ao amin’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [fanjakana] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”

Hatao any an-danitra sy etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa hitondra io Fanjakana io. Tena mampahery ny mahafantatra fa izy io dia hahavita hanafoana ny tsy rariny hatramin’izay, izay nahatonga ny sasany hanan-karem-be, nefa ny hafa hahantra faraidiny! Tsy hisy intsony ny hoe ny manankarena vitsy kely, fa ny mahantra be dia be.

Tena mahafaly ny mahalala fa efa miorina any an-danitra ny fanjakan’Andriamanitra, mba hanafoana tanteraka izany olana izany! Hita tsara avy tamin’ny zava-nitranga eran-tany sy ny famaritan’ny Baiboly an’ireo daty manan-tantara, fa tamin’ny taona 1914 ny fanjakan’Andriamanitra no niorina tany an-danitra. * Efa ho zato taona àry izao io fanjakana io no manomana olona hiaina ao amin’ny tontolo vaovao iray hitoeran’ny fahamarinana.

Mankatò ny toromarik’io Fanjakana io ireo olona mahalala fa efa miorina izy io. Tsy iza izy ireo fa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mizaha tavan’olona izy ireo, ka mitory saika any amin’ny tany rehetra. Asehon’izy ireo amin’ny olona any amin’ireny tany ireny ny fomba ahazoana fiainana mandrakizay, na manankarena ilay olona na mahantra. (Jaona 17:3) Amin’ny Vavolombelona, dia tsy arakaraka ny fananan’ny olona iray ny toerana tanany eo anivon’ny fiangonana. Tsy miankina amin’ny habetsahan’ny harenany koa ny hasarobidiny. Hajaina kosa ilay olona noho ny toetra tsarany. Izay heverin’Andriamanitra ho sarobidy no zava-dehibe kokoa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy ny harena.

Tianao ho fantatra ve izay tokony hataonao, mba ho anisan’ny olom-pehezin’io fanjakana manao ny marina io ianao? Atombohy dieny izao àry ny fikarohana momba izany. Fantaro izay tokony hataonao mba hahafahanao hanantena hankafy ny fiainana, rehefa tsy ho voazarazara noho ny harena intsony izao tontolo izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo ny pejy 76-85 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Mpirahalahy Avokoa na Mahantra na Manankarena

▪ Nila sakafo sy akanjo ary trano ny Vavolombelon’i Jehovah maro tany Eoropa sy Azia, taorian’ny Ady Lehibe II. Nandefa akanjo sy sakafo be dia be ho an’ny mpiray finoana aminy tany Eoropa sy Philippines ary Japon ny Vavolombelona tany an-tany hafa. Nanome vola koa ny Vavolombelona avy any Etazonia sy Kanada, ka nahafahana nividy fonosan’entana nalefa tany Alemaina, Angletera, Aotrisy, Belzika, Failandy, Frantsa, Gresy, Holandy, Hongria, Italia, Polonina, Romania, Tsekoslovakia (Repoblika Tseky sy Slovakia ankehitriny).

[Sary]

Etazonia

Soisa

Alemaina

▪ Vao haingana kokoa, tany antenatenan’ny taona 1994, dia nidodododo nanampy ny rahalahy sy anabaviny kristianina tatsy Afrika ny mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona maromaro avy any Eoropa. Nisy toby voalamina tsara sy hopitaly vonjimaika natsangana ho an’ireo mpitsoa-ponenana avy any Rwanda. Nisy akanjo, bodofotsy, sakafo, ary boky sy gazety ara-baiboly be dia be nalefa mba hanampiana mpitsoa-ponenana, niisa 7 000 mahery. Ampahatelony monja amin’io isa io no Vavolombelon’i Jehovah tany Rwanda tamin’izay fotoana izay.

▪ Roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1996, dia nisy ady nipoaka tany amin’ny faritra atsinanan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Simba ny vokatra, voaroba ny tahirin-tsakafo, ary tapaka ny lalana, ka tsy tonga ny entana. Tsy afaka nisakafo afa-tsy indray mandeha isan’andro ny ankamaroan’ny olona, ka nanjary tsy ampy sakafo sy narary. Nanao zavatra avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa. Nandeha fiaramanidina nitondra fanafody sy vola ny Vavolombelona maromaro mpanao fanampiana vonjy rano vaky, ary nisy dokotera tamin’izy ireo. Tamin’ny Jona 1997, dia nanome fanafody 500 kilao, bisikoỳ be proteinina 10 taonina, sakafo hafa 20 taonina, akanjo 90 taonina, kiraro 18 500, ary bodofotsy 1 000 ny Vavolombelona tany Belzika sy Frantsa ary Soisa. Efa ho 2 000 tapitrisa ariary ny tontalim-bidin’ireo.

▪ Ny hanampy ny olona hifandray amin’Andriamanitra anefa no zava-dehibe kokoa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no mahatonga azy ireo haniry hanorina Efitrano Fanjakana, mba hampiasaina hianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Izao no tatitra voaray tamin’ny 1997: “Noho ny fanampian’ireo rahalahy any an-tany hafa, dia afaka nanorina Efitrano Fanjakana 413 ny Fikambanan[’ny Vavolombelon’i Jehovah], ary nanavao 727 hafa tao anatin’ny efa-bolana monja, tany amin’ny tany 75.” Izao indray no tatitra natao tamin’ny 2003: “Iray amin’ireo firenena eoropeanina mandray soa amin’ilay fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra i Romania. Efitrano Fanjakana 124 no naorina tany, nanomboka tamin’ny Jolay 2000. Efitrano Fanjakana 61 kosa no naorina tany Ukraine tamin’ny 2001, ary 76 hafa tamin’ny taona 2002. Nisy planina modely narahina tamin’ny fanorenana ny ankamaroan’ireo Efitrano Fanjakana ireo. Efitrano Fanjakana an-jatony no naorina tany Boligaria, Kroasia, Macédoine, Moldavia, Monténégro, Rosia, ary Serbia, ka nampiasana vola avy amin’ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana.”

[Sary]

Kroasia

Boligaria

Romania

[Sary, pejy 7]

Mpiasa an-tsitrapo mikarakara mpitsoa-ponenana kamboty roa

[Sary nahazoan-dalana]

© Liba Taylor/Panos Pictures

[Sary, pejy 10]

Mitory hafatra manome fanantenana ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 10]

Hanafoana ny fahantrana ny Fanjakan’Andriamanitra